Bahrain: Mibahana ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena ny fihetsiketsehana

Nobahanan'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana io alatsinainy maraina io Lapan'ny Filakevi-pirenena izay toerana ivorian'ny Parlemanta sy ny Filankevitra Shura isan-kerinandro. Ny anton'ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny Antenimieram-pirenena moa dia ny handravana ny rafitra “roa loha” ankoatra ny fitakiana hafa ataon'ny mpanao fihetsiketsehana toy ny Lalampanorenana vaovao sy ny fanonganana ny fitondrana.

Mpikambana 40, nofidian'ny vahoaka, no mandrafitra ny Antenimieram-pirenena ary ny 40 hafa kosa, izay notendren'ny Mpanjaka, no mpikambana ao amin'ny Filankevitra Shura.

@Nabeelrajab #Bahrain #feb14 في تطور نوعي المتظاهرون يحوطون بمجلس الشورى والنواب في البحرين

Fivoaram-baovao, voahodidin'ny mpanao fihetsiketsehana ny Lapan'ny Filankevi-pirenena eto Bahrain

@DrFAHAD3500 400 protesters blocking the main gate of the parliament… WTH we have work to do!!!

Mpanao fihetsiketsehana 400 no mibahana ny vavadahin'ny parlemanta…Izay asa tokony atao!!!
Protesters block the entrance of the National Council buildings in Manama. Image courtesy of Bahrain Online

Mpanao fihetsiketsehana mibahana ny vavahadin ny Filankevi-pirenena ao Manama. ankasitrahana ny sarin ny Bahrain Online

@bahrain14feb @manamavoice1 صوت المنامة #14Feb #Bahrain فيديو ٢ لإغلاق شباب ١٤ فبراير بوابة مجلس الشورى http://www.youtube.com/watch?v=w0n-jhLD-Cs

Lahatsarin'ny tanora mibahana ny Lapan'ny Al-Shura ny 14 Febroary


Lahatsary nampidirin'ny mpampiasa YouTube manamavoice1

Tao anatin'ny fihetsika ara-pirahalahiana no nitondran'ny mpiasan'ny Filankevitra Al-Shura rano ho an'ny mpanao fihetsiketsehana..

@manamavoice1 #14Feb #Bahrain مجلس الشورى يوزع الماء علي المحتجين والشباب يرد عليهم شكرًا لكم http://yfrog.com/gy48sypj

Al-Shura council staff bringing water bottles for the protesters out the National Council building

Mpiasa Al-Shura mitondra rano an-tavoahangy ho an ny mpanao fihetsiketsehana teo ivelan ny Lapan ny Filan-kevitra

Novatsian'ny Filan-kevitra Al-Shura rano an-tavoahangy ny mpanao fihetsiketsehana ary ny tanora kosa namaly hoe ‘Misaotra anareo'!

Na dia notaterina aza fa valo amin'ny mpikambana 40 ao amin'ny Shura ihany no nanatrika ny fivoriana, ny hafa kosa nitatitra fa nanapa-kevitra ny hanao fivoriana mankana ny Filan-kevitra Shura handinihana ny toe-draharaha misy eo amin'ny firenena.

@manamavoice1 #14Feb #Bahrain يوجد حاليا في مجلس الشورى فقط ٨ اعضاء وصدر قرار من المجلس غلق الأبواب ومنع دخول اي احد ومن المتوقع ان تلغى الجلسة

Mpikambana valo no ao ankehitriny ary nisy ny baiko hanidiana ny vavahafy sy hisorohana ny fidiran'ny hafa ao an-dapa, ao anatin'ny fivoriana mety hofoanana

@ifowzan مجلس الشورى ينهي جلسته بقرار عقد جلسة استثنائية يوم الأربعاء لمناقشة الأوضاع في البلاد ورفع توصياته الى طاولة الحوارالوطني..

Nofaranan'ny Filan-kevitra Shura ny fotoam-pivoriana ary notapahina ny hevitra fa hisy ny fivoriana manokana handinihana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny amin'ny alarobia ho avy izao ary haroso amin'izany ny soso-kevitra hodinihana amin'ny fihaonambem-pirenena ho avy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.