Libia: “Tsy mendrika ny ho velona ny vahoaka tsy tia ahy” hoy i Gaddafi

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomiana Libia 2011 ity lahatsoratra ity.

Mikabary amin'ireo mpanohana azy any amin'ny Kianja Maitso any Tripoli ny mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi, mampanantena fa mbola ho be ny fahoriana sy ny fahafatesan'ireo vahoaka manohitra ny fitondrany. Tamin'ny fitenenany farany, izay mivoaka anio any amin'ny TV Libiana, niantso ny Libiana hiaro ny fireneny i Gaddafi, nampiany fa hodorany izany raha tsy misy miaro azy ny vahoaka.

“Aty amin'ny afovoantanin'i Tripoli aho izao,” hoy izy. “Tsy mendrika ny ho velona ny vahoaka tsy tia ahy,” hoy ihany izy, satria mihamaro ireo Mpitondra Libiana sy Ambasady ary ireo antokon'olona any ivelany mandao azy.

Haingana ny nandikan'ireo mpitoraka tweet izany fitenenany izany ho soratra satria dia avy eny ambony tafona tranobe iray izy no nikiakiaka izany, izay manamafy ny tatitr'izy ireo amina fanamelohana ity mpitondra tsy refesi-mandidy ity izay nanao fihetsika mahatsiravina teo amin'ireo Libiana ka namela izao tontolo izao ho tsiravina nandritra ireo andro vitsivitsy lasa.

Ity misy fidinan'ireo fihetsehim-po tao amin'ny Twitter:

@SultanAlQassemi: Ao amin'ny TV i Gaddafi amin'izao “Aty amin'ny afovoantanin'i Tripoli aho izao. Tsy mendrika ny ho velona ny vahoaka tsy tia ahy” #Libya http://yfrog.com/gz9w3frj

@SultanAlQassemi: Gaddafi: “Tsy filoha aho, tsy mpanjaka, tsy manana fahefana amin'ny lalàm-panorenana aho na amin'ny fandrindrana .. kanefa tia ahy ny vahoaka.”#Libya

@SultanAlQassemi: Gaddafi “Mandihiza ary mihirà, ho mpandresy isika”

@SultanAlQassemi: Gaddafi: “Nahatonga an'Italia nandohalika alohan'i Libia ny Fanonganam-panjakana” “Handresy ireo teti-dratsy any ivelany isika na avy aiza na avy aiza tahaka ireo efa nataontsika hatramin'izay”

@SultanAlQassemi: Gaddafi: “Rehefa mipoitra ny filana dia hamoha ny fitoeram-piadiana izahay & hanome fitaovam-piadiana ny vahoaka” “Mpitarika ny tontolo fahatelo i Libia

twitpic gaddafi on state tv

twitpic gaddafi on state tv

twitpic, gaddafi on state tv

@SultanAlQassemi: Ao amin'ny TV i Gaddafi amin'izao “Aty amin'ny afovoantanin'i Tripoli aho izao. Tsy mendrika ny ho velona ny vahoaka tsy tia ahy” #Libya http://yfrog.com/gz9w3frj

@NottingHillBly: Tsy misy adala, vitsy dia vitsy raha ampitahaina ny mpanohana anao. Mandehana amin'izay ry Gaddafi #Libya #greensquare http://yfrog.com/h8gtrcj

@exiledsurfer: #Libya #gaddafi ireo mpanohana ao an-kianja maitso #tripoli http://yfrog.com/h28l6wrj http://yfrog.com/h4axbndj http://yfrog.com/h4x6nkkj

@eduardgrebe: Te ho raisina ho matotra angaha i Qaddafi tamin'izy nanameloka ny fikomiana amin'ny “fanafody mampahita ny tsy misy”? #Libya

@drxee:#gaddafi: “17 taona izy ireo. Nomen'izy ireo fanafody mivaingana ry zareo ny alina, manisy fanafody mampahita ny tsy misy ao anatin'ny zava-pisotrony, ny rononony, ny kafeany, ny Neskafeany.”

@episteme05: Niresaka momba ny fahamendrehana i Gaddafi, nisotro fanafody angamba izy!!! #Libya

@Malik_73:#Libya Mazava fa nisotro Nescafe be loatra i Gaddafi talohan'ny nandraisany fitenenana farany.

@sukmeov: Daffy #gaddafi dia niteny tamin'ny fanambarany fa “mihirà, mandihiza ary mifalifalia.”. Fa iza izy ? #LadyGaga?!

@jaywltrs: Mandrahona i Gaddafi sady eo ampanaovana satroka fihazana Elmer Fudd/Ralphie. hoditrana “Cossack”, fedora, na kanetibe aza mety mbola mampitahotra bebe kokoa

@angeloyap: Manao ahoana rahalahy, avelao ho an'i Gaddafi fotsiny i Mubarak

@sultanalqassemi: Reuters: Lisitr'ireo mpiraharaha, mpitondra fanjakana izay nandao an'i Gaddafi-an'i #Libya http://bit.ly/ho0djl

@LuluWahed: Voamarina: Colonel Ali AlArash, mpandrindra ireo fitoeran-tsolika dia nanambara avy any Albariqa fa handray anjara amin'io Fikomiana io izy #Libya #gaddafi #Jan25

@anouaramrani:#gaddafi dia milalao fihetsika lehibe. Lehilahy mampihorohoro nefa manana sain'ampondra. Tena tsy fantatra mihitsy izay mety hataony!#Libya

@anonoid: Mangataka ny vahoaka handefa sarin'ny “fandresena & fifaliana” ho an'i Gaddafi ny TVm-panjakana . Fantatrao ny sary tokony halefa ho azy ireo #OPLibya

@rrrgggbbb: Ny fanontaniana amin'izao Zoma izao: haharitra ny faran'ny herinandro ve i #gaddafi? #Libya @blogdiva

@lamisk: Rehefa averina amin'ny vahoaka Libiana ny haremben'i Qaddafi, dia fantaro ny firenena vaovao be mpanapitrisa !#Libya

Ireo mpandinika dia mahita izany ho fikirizana amim-pahakiviana ataon'i Gaddafi mba hihazonana ny fahefana.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomiana Libia 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.