Myanmar: Barcamp Yangon 2011

Notontosaina nandritra ny faran'ny herinandro teo tao amin'ny Myanmar Info-Tech, Hlaing tao Yangon teo ny Barcamp Yangon 2011. Mihoatra ny 4000 ny mpandray anjara nanatrika izany Barcamp nandritra ny roa andro izany. Efa azo jerena ao amin'ny twitter, facebook, ary picasa ny fanampim-baovao, saripika ary lahatsary tao.

Tao amin'ny twitter ofisialin’ny hetsika:

BarCamp Yangon 2011 was successfully finished. We made new record with over 4000 attendees.
Official count: 3,137 people. 1,532 online registrants got t-shirts.

Nifarana tamim-pahombiazana ny BarCamp Yangon 2011. Azontsika ny isan'ny mpanatrika betsaka indrindra izay nihoatra ny 4000. Ny isa ofisialy moa dia manome 3137. Nahazo t-shirts ny nisoratra anarana an-tserasera 1532.

dawn_1o9, mpandray anjara iray tao amin'ny Barcamp, no namaham-bolongana momba ny teny fohy nataony nandritra ny fanokafana ny fivoriana

Avy eo ao namonjy ny seha-dresadresaka mikasika ny “Loza mitatao amin'ny tontolom-bolongana Myanmar” tao amin'ny efitra lehibe Fivoriana niaraka tamin'ireo mpamaham-bolongana hafa. Ny loza lehibe indrindra mitatao sady tokana azoko eritreretina dia ny fandrarana tsy ara-drariny ireo vavahadim-bolongana tahaka ny Blogger, WordPress eny fa na dia ny Tumbler aza. Hany ka misy ny manokam-bola betsaka ary mividy mpitsinjara tranonkalany manokana (web servers) sy anarana (domain names) raha vao afa-mamaham-bolongana any an-toeran-kafa ry zareo ka tsy mandoa na inona na inona. Ary inona no ataon'ny (orinasa) mpanome tolotra aterineto? Tonga dia sakanan-dry zareo ihany koa ny vohikala sasany mitondra anaran-tsamirery, nefa tsy misy votoaty politika akory ao amin'ireny vohikala ireny. Niteny momba izany tsy rariny izany aho teo anoloan'olona anjatony ka nitehaka avokoa izy rehetra. Hahaha

Noho ny kabariny dia nosakanana ankehitriny ny vohikala Xanga ao Myanmar

dawn1o9 nosakanana ankehitriny ny Xanga. Valin'ny kabary fohy nolazaiko tao amin'ny “Loza mitatao amin'ny tontolom-bolongana” tao @ #bcy2011? 😛

Indreto misy tatitra vitsivitsy notsongaina avy tamin'ny tenifototra twitter #bcy2011

tayzar44 Faly aho mandray anjara @ BarCamp Yangon 2011 miaraka amin'ny torohevitra Adobe Photoshop, lohahevitry ny tontolom-bolongana Myanmar #bcy2011 Wooo
EyeOfDragonLi malahelo ny #bcy2011 tokoa … miandry ny barcamp yangon 2012 indray…..
worldofj0rd Avy amin'izay henoko ny #barcampyangon no nahazo ny 13%+ (8mbps @ 60 na 42 miankina amin'izay tadiavinao) ny hosina (backbone) ho an'ny firenena iray manontolo. #bcy2011
frozencity Nahita ny andro nahavalalanina indrindra tao amin'ny BarCamp sy tao amin'ny BeerCamp. =D #bcy2011
dawn1o9 #bcy2011 Aza mamela fako amin'izay nilazaonao azafady. Eritrereto ny tontolo iainana! Maro loatra ny tasin-kafe miparitaka manodidina -_-

Sajal Kayan ihany koa dia nanatrika ny fotoana ary nitatitra momba ny fitosaky ny aterineto any Myanmar

It probably had an attendance of > 4k participants… Probably one of the largest BarCamps ever, despite the fact that the internet connectivity in Myanmar sucks big time…. Really unusable…

I used internet at the free “wifi” internet at the hotel and the wifi arranged by the organizers. Both places, the speeds I’ve seen range from 0 kbps to ~50 kbps…. most of the time around 0 kbps

Angamba nihoatra ny 4000 ny mpandray anjara… Angamba iray amin'ny BarCamp lehibe indrindra hatramin'izay, na dia hita ho tena mandany andro tokoa aza ny fitosaky ny aterineto any Myanmar… Tena tsy azo ampiasaina…

Nampisaina ny aterineto tamin'ny aterineto “wifi” an'ny hotely sy ny wifi napetraky ny mpikarakara. Ny fitosaky ny aterineto tamin'ireo toerana roa ireo dia tanelanelan'ny 0 kbps sy ny 50 kbps… izay manakaiky matetika kokoa ny 0 kbps.

Nomarihany ihany koa fa voasakana ny vohikala maromaro any Myanmar

Twitter – Mikatona amin'ny ankapobeny saingy mandeha rehefa mampiasa https na apps.
Gmail – mandeha ihany fa tsy miasa mihitsy ny IMAP… Fa ny zavatra tena mahavariana dia mampiasa gmail ny 99% ny olona tao.

Raha jerena maimaika dia mampiasaFirefox ny rehetra. Vitsy dia vitsy no mampiasa Linux. Malaza dia malaza noho ny fakana azy piraty mihamanjaka ny Windows

Lahatsoratra miaraka aminy: Barcamp Yangon 2010

FANAMPIM-BAOVAO: Novahana ny sakana nahazo ny vohikala Xanga tao Myanmar. Nolazaina ho fahadisoana teo amin'ny proxy server ilay fikatonana vetivety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.