Libya: Fahafatesana mialoha ny Fahafahana (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya.

Ao anatin'ny toe-draharaha mampidi-doza sady miova haingana dia haingana ao an-toerana – sy amin'ny alalan'ny serasera nomerika tsy dia tsara loatra – no anombohan'ny mponina any Libya mamoaka saripika sy lahatsarin'ny fitroarana manohitra an'i Muammar Al Gaddafi ho hitan'ny any ivelany. Indreto misy rakitsary sy raki-dahatsary noraisina nandritra ny fihetsiketsehana tanelanelan'ny Zoma 18 Febroary 18 ka hatramin'ny alatsinainy 21 Febroary 2011.

Man spitting on image of Muammar Al Gaddafi. Image posted by @abanidrees.

Lehilahy mandrotra ny sarin i Muammar Al Gaddafi. Saripika @abanidrees.

Ity lahatsary nampidirina tao amin'ny Youtube avy amin'i TUNISIEINFOS ity dia mampiseho fitaovam-piadiana nalain'ny vahoaka avy tamin'ny mpikarama an'ady vahiny. Nosoratan'i TUNISIEINFOS moa fa nalaina tany Benghazi ity lahatsary ity:

Ity lhatsary navoakan'i zak198466sjune ity dia natsoina hoe ‘Tsenan-joma Tripoli Benghazi Miaraka Aminao':

Nanamarika ny mpaneho hevitra iray tamin'ity lahatsary ity, yarajawi hoe:

Mihira = Mitomany amin'ny ranomason-drà i Benghazi, aiza ny lehilahin'i Souq Aljum3a. [toerana iray malaza any Tripoli ahitana ny tovolahy matanjaka, io no toerana raha fantarina avy amin'ny lohateny]

Ny hira moa dia natao handrisihana ny mpanao fihetsiketsehana hiara-dia amin'izy ireo. Hiaraka amin'i Tripoli [anie] Andriamanitra satria eo ny toby famaharany farany ary ataony mitondra faisana izay rehetra hitany eny an'arabe.

Amin'ity sary navoakan'i @amtphoto ity no ahitana soratsoratra amin'ny rindrin'i Tripoli izay midika ho: “Afaka i Libya, tafavoaka ilay mpamono vahoaka.”

Anti-Gaddafi graffiti posted by @amtphoto.

Graffiti manohitra Gaddafi graffiti navoakan i @amtphoto.

FAMPITANDREMANA: Ity rohy ity dia mampiseho sary [mampihoron-koditra] tovolahy iray lazain'ny vavolombelona fa notifirina sniper [mpitifitra ikoizana].

Ity lahatsary maizina navoakan'i Libyanym ity dia antsoina hoe ‘Tripoli, Sooq Al Jum3a Libya 20 Febroary 2011′:

Ity lahatsary ‘shahat (Cyrene) afaka tamin'i gaddafi 20-2-2011′ ity dia nampidirin'i sdontknow79 ary mampiseho ny horakoraky ny mpanao fihetsiketsehana anyShahat, Libya, izay any amin'ny 1200 km atsinanan'i Tripoli:

http://www.youtube.com/watch?v=c1YqgziOaDA

Lahatsary hafa nampidirin'i sdontknow79 mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana mandritra ny alina any Tripoli:

http://www.youtube.com/watch?v=9FXFRFQitWI

Ny fahatelo avy amin'i sdontknow79, ity lahatsary ity dia antsoina hoe ‘mpitifitra any tripoli 20-2-2011′:

http://www.youtube.com/watch?v=hUzQHdbnCWU

Ity lahatsary nampidirin'i abo874 ity dia fariparitan'ny vohikala Arab Revolution ho mampiseho ny fihetsiketsehana any Misurata, 200 kilometatra atsinanan'i Tripoli:

http://www.youtube.com/watch?v=yFL2yALsTxc

Ity lahatsary ity dia antsoina hoe ‘LIBYA: Fihetsiketsehana ho amin'ny demokrasia ao an-dRenivohitra Tripoli 20 Feb’. Nampidirin'i xgotfiveonitx:

FAMPITANDREMANA: Ity lahatsary navoakan'i qwe23ir ity dia mampiseho ny lazain'ny olona ao amin'ny Twitter izay heverina ho miaramila Libyana nodorana sy novonoina noho ny fandavan'izy ireo tsy hamono ny mpanao fihetsiketsehana. Ny dikan'ny anaran'ny lahatsary dia hoe ‘Maritioran'ny mpiantafika Benghazi':

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.