Sodana: Hiakatra an'i Nile anie ny rivotry ny fanovàna

Tanatinà Zoma iray feno fanantenana, fahafahana, fanoherana sy  fiaretana, nampiseho an'izao tontolo izao ny vahoaka Ejiptianina fa na dia misy aza ireo “te ho Farao” any Ejipta  dia vonona izy ireo hanongotra azy ireny. Nandritra ireo herinandro roa lasa, i Ejipta dia namporisika ny tanora tany amin'ireo faritra maro tany Afovoany Atsinanana sy Afrika mba hiteny manoloana ny tsy fahamarinana na aiza na aiza misy azy. Tsy afaka amin'izany i Sodana.

Praiminisitra Sodaney al-Azhari nitsidika ny Praiminisitra Ejiptianina Nasser – loharano http://www.corbisimages.com

Nandefa tweet fanohanana sy firariantsoa ho an'ireo vahoaka Ejiptianina tany ambanin'ny Nil izy ireo. Ny hafatra fototra dia : Tretrika izahay ary miarahaba anareo tamin'ny fandrisihana mahafinaritra nataonareo sy ny hery hampahatanjaka anay sy ireo vahoaka maro eran-tany.

@Nilempress Arahabaina/ Mabrouk #Egypt #Jan25. Hiakatra any amin'ny lohasaha ambonin'ny Nil anie ny rivotry ny fanovàna #Sudan #Jan30

@SudaneseThinker Tsy nantsoina ho  “fanovàna horonam-peo” ny revolisiona Iranianina. Ajanony ny miantso ny #Jan25#SidiBouzid ho  “revolisionan'ny FB.” Fahefam-*BAHOAKA*!

SudaneseThinker tafandria mandry Twitter & Arahabaina Ejipta. Anio alina, taorian'ny roa herinandro mihoatra niaretan-tory, hatory amim-pifaliana tahaka ny zaza menavava aho! Tsy toy izany ireo Arabo Mpanao jadona!

@SudanGuardian Hikatra any Afovoany Atsinanana & Afrika anie ity afon'ny fanantenana sy fahafahana ity ka hamoha indray ny afom-panantenana ao amin'ny vahoakany #Egypt #Sudan #Jan25

Ary raha matory tahaka ny zaza menavava ny mpitoraka tweet SudaneseThinker, manontany tena i Nesrine hoe ahoana no ahavitan'ireo Arabo  mpitondra fanjakana mamonjy fandriana:

@NesrineMalik Tsy misy na Arabo mpitondra fanjakana iray aza hahita tory androany alina.

Manondro sasantsasany amin'ny ahiahiny sy ny eritreriny amin'ny finoana fa tonga aloha loatra ny fiovàna i Simsimt:

@simsimt Had #Jan25 somary tonga aloha loatra ny fiovàna, mety afaka nandresy lahatra ireo any Atsimo isika fa manana ny lafiny maha-tsara azy ny maha-teratany Arabo.

Ary famaranana mahafinaritra mba hanakatonana ity lahatsoratra ity:

@binmugahid Raha lazaina amin'ny fomba hafa, mihazakazaka manova ny anaran'ireo Kianja rehetra any amin'ny renivohira ho Triangles ireo mpanao jadona rehetra . Mila mailomailo be hatrany #egypt #jan25

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.