Ejipta:Fanadiovana ny Tahrir

Ampahany amin'ny  tatitra manokana ataonay mikasika ny Hetsi-panoherana 2011 ity lahatsoratra ity.

Nandritra ireo herinandro vitsy lasa, satria “nanadio” ny fireneny tamin'ny Fahefana jadona ireo Ejiptianina, feno vahoaka ny Kianjan'ny Tahrir, feno hafaliana, ary  vokatr'izany, feno zavatra tokony ho diovina. Na dia nikarakara ny trano vonjimaika nitoerany aza ireo mahery fo tao afovoan'ny Kianja, maro ireo zavatra tokony natao satria efa mihamanify ny sarababem-bahoaka. Androany, manondro ireo tatitra fa madio izay tsy izy ny Afovoan'i Kairo, noho ireo malala-tanana izay nirotsaka tamin'izany.

Araka ny avoitran'ny @CairoCityLimits ao amin'ny Twitter:

Afovoan-tanànan'i Kairo: Tanàna madio izay tsy izy? Na ireo sisin-dàlana aza dia voaloko. #jan25 #tahrir

Manampy i @JonJensen :

Misy ezaka fanadiovana goavana any Tahrir amin'izao fotoana izao – ny ankabeazany dia ataon'ny vahoaka Ejiptianina. Manomboka nipoitra amin'izay ny fifamoivoizana. #Egypt

Manome rohy any aminà sary (eto ambany), i Arwa Mahmoud (@arwasm) ary mampiseho ny firotsahan'ny miasa miaraka:

Mametaka ireo rarivato novakianay taorian'ny nampiasànay azy ireo ho fiarovan-tena! #jan25 #egypt http://yfrog.com/h2lcsqj

Vondron'ireo malala-tanana mametaka ny rarivato any amin'ny Kianjan'i Tahrir

Abdelrahman Hassan (@estr4ng3d) dia manana sary nalaina manakaiky ny tany tao Tahrir mba hozaraina, ary ity mba hiresahana mikasika izany:

Tsy manao laza masaka aho raha miteny fa ny godorao any #tahrir dia MADIO TANTERAKA. Misy fofona fanafody famonon'aretina ihany koa! http://yfrog.com/h49dehcj

Fijery avy amin'ny faritry ny tany ao an-Kianjan'i Tahrir

Nanampy izy:

Tena ifaninanana ny mitady vovoka ho fafàna #tahrir amin'izao fotoana izao.

Ary amin'ity indray mitoraka ity ihany koa, mbola mivoaka ny fahaizan'ireo Ejiptianina mihanihany, miaraka amin'ny tweetin'i @SharifKaddous :

Nifandona tamin'ny zanaky ny iraitam-po amin'ny raiamandreniko, Ismail Naguib, aho tany amin'ny tetezan'ny Kasr El Nile. Niteny izy: “ny fitaovan'ny safidy vaovao dia ny kifafa” #Tahrir #Egypt

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.