Libanona: Feo fanohanana ireo Ejiptiana mpanohitra

Ity lahatsoratra ity dia isan'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.

Nivatravatra mihitsy ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Libane amin'ny fanohanany ny hetsi-panoherana Ejiptiana izay niteraka faty olona 150 hatreto.

Nohozongozonin'ireo hetsi-bahoaka mikendry ny hanerena ny mpitarika tsy refesi-mandindy ao aminy, Hosni Mubarak, hiala amin'ny fitondrana taorian'ny 30 taona naha-teo azy, i Ejipta.

Tsy nitazam-potsiny tamin'izao ireo Libane mpitoraka bilaogy, nefa ny tontolo Arabo no manatri-maso ny  zava-misy izay mety hanova tanteraka ny aty amin'ny faritra.

Vantany vao nanomboka ny hetsika tamin'ny 25 Janoary,   Mireille Raad (Twitter: @migheille) sy Layal (Twitter: @nightS), Libane mpitoraka bilaogy – sady koa mpandray anjara amin'ny Global Voices  – dia nametraka famahanan-tsary iray ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanamoràna ny fampakarana sy fanelezana ny sary avy amin'izy ireo eo anivon'ny aterineto.

Ho an'ireo Ejiptiana mpanohitra dia nitàna anjara asa tamin'ny fanohanana ara-pitaovana teo anivon'ny aterneto ny Blogging Beirut. Ireo mpanoratra ao amin'ny Blogging Beirut dia nametraka ny Lisitr'ireo olona tsy hita tamin'ny alalan'ny Google Docs ho azon'ireo Ejiptiana ampiana sy hanely vaovao mikasika ireo havan-tsy foy tsy hita voasambotra tamin'ilay hetsi-panoherana.

Navoitran'ireo Tweets ihany koa fa nisy Libane tao Ejipta niaraka nanao hetsi-panoherana tamin'ireo Ejiptiana ho famaranana ny fitondran'i Mubarak.

Ilay Libane @BloggerSeif dia tao Kairo, nandray anjara tamin'ny hetsika, ary nandefa tweets matetika arakaraky ny fizotry ny zava-mitranga:

BloggerSeif Ny polisy no voalohany  nanenjika ny olona, izy no nanomboka ny korontana ary niezaka nampihorohoro ny vahoaka. Naha-te ho tia ihany ny tafika.

BloggerSeif Milamina ny ety an-dalambe, nefa aleo lazaiko anareo ny momba ireo polisy. Izy ireo no tena miteraka olana, jiolahim-boto. Mifanohitra amin'ny tafika.

BloggerSeif Misy fiomankomanana izao. Fonosina ny sakafo, fenoina ireo tavoahangin-drano mba hifampizaràna amin'ireo mpanao fihetsiketsehana rehefa avy eo.  #25jan

BloggerSeif Mangiana be ny ety ivelany, izao alina izao. Mbola mitohy ny asan'ny mpitily, Andriamanitra anie hitahy azy ireo. Vahoaka indray mihira hoy aho. Mihira tsy mitsahatra.

BloggerSeif Na iza na iza mankaty Ejipta (toa ahy), aza mitondra eny aminao afa-tsy fitafiana sy FINDAY IRAISAM-PIRENENA hahafahana mifandray . #25jan
Rami Zurayk no tena nanandra-peo tao amin'ny bilaoginy  Land and People (Tany sy Vahoaka) ho fanohanana ny hetsika. Tanatina lahatsoratra iray, notsipihan'i Zurayk ny tahotr'i Etazonia sy Israely ny amin'izay mety ho firodanan'ny lamina aty amin'ny faritra:

Heveriko fa i Etazonia sy Israely dia velom-panahiana be lavitra mikasika ny revolisiona ao Ejipta miohatra amin'i Mubarak izy tenany. Manatrika ny firodanan'ny lamina noteren'i Etazonia sy Israely napetraka tamin'ny alalan'ireo mpitondra jadona sy tsy refesi-mandindy ry zareo. Ary marina ny azy ireo: Obama no ho vavolombelon'ny faharavan'ny maha-tò teny an'i Etazonia any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana ary hiditra hanampy ny lisitra efa lavabe amin'ireo tsy fahombiazany io.

Nivandravandra tsara mihitsy ny fidehadehak'i Etazonia tamin'ireo andro ireo. Tsy dia nihevitra izay hanafina izany mihitsy ry zareo. Te-hibaiko ny vahoaka Ejiptiana ny amin'izay tokony hitondrany ny revolisionany ry zareo. Ka ankehitriny ry zareo dia mandefa famantarana miabo mikasika ny “hetahetam-bahoaka” sy ny “zon'ny vahoaka” sahala amin'ny hoe nikarakara sy niahy ny vahoaka erý  fony izy ireo nanohana ny fitondrana jadona sy namàhana azy ireny ary nanampy azy ireny hamoritra io  “vahoaka” io ihany nandritra ny 30 taona.

Frenchy ao amin'ny Le Liban dia manitrikitrika ny fahitàny an'i Ejipta vaovao ho hery matanjaka aty amin'ny faritra Arabo miaraka amin'ny fianjeran'i Mubarak:

Moubarak n’est également pas un Gamal Abdel Nasser. Les pays arabes – et plus particulièrement les monarchies du Golfe et d’Arabie – ont tremblé à l’aube de la révolution nassérienne, face au risque de voir l’Égypte devenir le pays le plus puissant de la région, s’appuyant sur une politique Panarabe, pour l’unité des pays arabes. Si le pouvoir égyptien saute, qu’un successeur reprenne le flambeau d’un pays destiné en fin de compte, par son importance géopolitique et démographique à être un pays majeur de la région.

Anglisy:

Tsy hitovy amin'i Gamal Abdel Nasser mihitsy i Mubarak. Ireo firenena Arabo – ary singanina manokana ireo fitondran'olon-tokana ao amin'ny  Golfa sy Arabia – izay samy nangovitra tamin'ny vao mangiran-dratsin'ny revolisiona Nasserita, dia mety hahita an'i Ejipta ho ny firenena matanjaka indrindra aty amin'ny faritra, mifototra amin'ny politika Pan-Arabo, ho amin'ny fampivondronana ireo firenena Arabo. Raha mitsingidina ny fitondrana Ejiptiana, ary izay hisolo toerana eo dia handray ny fanevan'ny firenena izay efa voalahatra, araka ny toerany ara-joegrafia sy ny habetsahan'ny vahoaka ao aminy, dia ho lasa ny firenena lehibe aty amin'ny faritra.

Green Resistance (Fanoherana Maitso) manipika ny fanontaniana momba ny fahefam-bahoaka amin'ny fanovàna ohatra aty amin'ny faritra:

Vao herinandro vitsy lasa izay, nandre fanamarihana izay efa reko nandritry ny taona maro aho: Isika Arabo dia mila mpitondra jadona. Isika Arabo dia mila fanonganam-panjakana.  Dondrona ny “vahoaka”. Ondry daholo ny  “vahoaka”. Mahatsikaiky fa ireo olona nanao ireny fanamarihana ireny dia tsy mba isan'ny “vahoaka” helohiny mihitsy hatrizay.

Amin'izao fotoana, ao Tunis, sy ao Ejipta – mitroatra ny vahoaka. Ny vahoaka no mitondra. Ny vahoaka no mandrindra. Mifampiaro izy samy izy ny vahoaka. Manangan-javatra mahafinaritra ny vahoaka.

Mijanòna iray segondra. Saino kely ireo hevitra ireo.

Nino ny vahoaka – ary mino – fa azon'izy ireo atao ny mitondra fanovàna. Singa iray manome hery ny fanantenana. Singa iray tena faran'izay manome hery.

Isika ireo vahoaka ireo. Eto.

Teny mafonja fanohanana avy  amin'i Rita Chemaly:

Ry vahoakan'i Ejipta, ry mpanao fihetsiketsehana mafàna fo, nodradrainareo ny ahiahinareo, notarihinareo ny lalàna, toy nataon'ireo Toniziana namanareo, mba hahafahan'ny vahoaka manao ny safidy sy ny fanavaozana iriny.

Vita hatreo ny mizàna tsindrian'ila ataon'ireo hery vaventy rehefa mijery ny zava-misy!

Miteny izay tadiaviny ny vahoaka, tsy renao va re izy ireo?

Atsaharo ny tahotra noho ny tombontsoanao aty amin'ny faritra,

Ny teny asandratry ny Vahoaka eny an-dalambe, ary aely amin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy, sy ny haino amanjery dia tsotra:

“Ilain'ny vahoaka ny hirodanan'ny fitondrana!”

Ry Ejiptiana namana malala, Ho Ela Velona Anie ny  HETSIKAREO!

Raha jerena ny ho vokatry ny Revolisiona Ejiptiana amin'i Israely, manontany tena i  BeirutSpring ny amin'izay làlana horaisin-dry zareo Amerikana:

Tsy azo omen-danja be loatra hoe hatraiza ny ahiahin'i Israely amin'izao fotoana. Ny fanontaniana dia ny hoe hikiry faran'izay mafy hampitony ny tahotry ny Israeliana ve ry zalahy Amerikana.

Sahala amin'izay misy manerana ny tontolo Arabo, maneho ny  fiaraha-mientany amin'ny hetsiky ny Ejiptiana ny Libane.

Ity lahatsoratra ity dia isan'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.