Japana: Famporisihana ny olona hanadino ny nofinofiny

Ahoana tokoa moa raha ohatra ka misy olona manontany soso-kevitra aminao mikasika ny lalana  izorany hanatratrarany ny nofinofiny nefa tsapanao fa tsy tsara ho azy ireo izany? Inona ny zavatra mety indrindra tokony ho atao?

Nilaza ny heviny tao anaty  lahatsorany iray [ja] ity mpitoraka bilaogy iray ity izay tsy nitonona anarana. Noraisiny ohatra tamin'izany ity olona iray izay mpianatra  eny amin'ny ambaratonga faharoa ity izay liana amin'ny asa fanaovana kisarisary, na sary atao tahaka izany, na sarimiaina izay antsoina ihany koa hoe ‘manga’. Nanontany ny hevitry ny mpamorona sarimiaina sy ny tale Tomino Yoshiyuki izy. Miombon-kevitra amin'ny Ray aman-dRenin'io zazavavy io i Yoshiyuki ary aminy dia tokony hianatra eny amin'ny anjerimanontolo toy ny mahazatra izy ary tokony hitady asa toy ny tovovavy mpiasa birao satria ny fananana finiavana be dia be dia tsy ampy velively hivoarana eo amin'io sehatra io. Raha tsy hoe angamba efa vonona tanteraka izy ka efa ampy azy tsara ny fitaovana entiny manatanteraka izany toy ny talenta, sy ny fahazotoana ary ny fahavononana miatrika ny hamafin'ny asa.

Walk of Life by Flickr user [O*] 'BharaT

Ny lalam-piainana nalaina tao amin'ny Flickr nampiasain'ny bharat ram

Ity dia lahatsoratra nivoaka tao anaty bilaogy iray nadika tamin'ny teny anglisy ka nampitondraina ny lohateny hoe “Famporisihana olona hanadino ny nofinofiny” (夢を諦めさせる) .

Ho an'ny olona iray izay mahavita mivelona amin'ny famoronana sarisary atao tahaka, matetika manontany ireo mpianatra liana amin'izany famoronana sarisary atao modely izany aho. “Tiako raha lasa mpamorona sary atao modely aho,” hoy izy ireo amiko. Amin'ny lafiny maro, dia tsy diso mihitsy ny fijeriko raha mahita aho  fa mbola tsy ampy ireo fahalalana ananan'izy ireo ahafahany manatanteraka izany, nefa ahoana ny fomba hampitaiko izany amin'izy ireo, fomba ahoana no ilazako azy ireo ny amin'ny hanadinoina ny nofinofiny? Mila mitandrina mafy ianao rehefa milaza karazan-javatra toy izany.

Ary izay no nahalasa ny eritreritro: ahoana no fomba ilazana izany amin'ny ny mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony mba tsy hanohina azy ireo?

Raha tena am-pahatsorana, dia ireo olona izay manatanteraka ny zavatra tena tiany eo amin'ny fiainana ka manao izany ho fototr'asa hivelomany dia azo lazaina ho tsy dia ampy saina loatra. Nefa tsy midika velively akory izany fa adaladala izy ireo. Raha ny marina aza dia manam-pahaizana avokoa ny ankamaroan'izy ireny. Na dia mpanentana sy mpanakanto amin'ny ‘manga’ aza izy ireny dia ny ankamaroan'izy ireny raha ny tena marina dia sahirana mafy amin'ny fitadiavam-bola handoavana faktiora sy miasa anaty fepetra tsy manara-penitra. Raha manaraka lojika ianao momba izany, tsy midika akory izany hoe ireo olona izay afaka niala io olana io ka nikiry nanao asa tsotra dia hoe tafita sy sambatra eo amin'ny fiainana. Manam-pahavononana sy manam-piniavana loatra  ireo olona izay nanao an'io karazan'asa io, hany ka tsy mahatakatra izany zava-marina izany akory.

Vokatr'izany isaky ny maheno olona miteny amiko aho hoe, “Mieritreritra ny hanao XYZ aho”, dia tonga dia fantatro avy hatrany fa tsy hahavita izany izy. Izay fotsiny no lalana efa masaka ao an-tsain'izy ireo izorany. Eny na dia efa nahita asa aza izy ireo, tsy hitsahatra ny hametra-panontaniana izy ireo hoe mbola hanohy izany ve, kanefa sady miahiahy ihany koa izy ireo sao tsy hahomby amin'izany. Ireo olona izay misalasala loatra mieritreritra ny lalana hodiaviny izay mbola lava sy mazana dia somary manam-bitana kokoa amin'ny fanatanterahana izany noho ireo olona izay tsy mihambahamba fa tonga dia mitsoraka avy hatrany. Tonga dia hainao avy hatrany hoe manana izany fahavononana izany ny olona raha vao jerenao fotsiny.

Ireo izay milaza hoe “Te hanao XYZ aho, nefa tsy haiko tsara ny lalana tokony izorako ahatongavako amin'izany”, dia tsy hahatratra izany tanjony izany mihitsy. Ireo olona mahomby amin'ny lafiny rehetra dia manana fomba hafa kely handinihany ny fahaiza-manaony manokana, ankoatra izany hain'izy ireo ihany koa ny mamantatra ny antony tsy nampahomby azy ireo teo aloha, dia afaka mamantatra tsara izy ireo hoe inona no tena sehatra mety aminy ary hainy tsy am-pimbahambana ny zavatra tokony hataony. Amiko izany ilay antsoina hoe talenta voajanahary. Miala tsiny aminareo raha hilaza fa hitako hoe tena mampalahelo ahy hoe ireo olona manodidina io zazavavy io izay tsy nahavita ny nampahafantatra azy fa ny tena ilainy dia tsy ny talentany amin'ny fahaizany mandray penina fotsiny fa ilay fahaiza-mandinika ny mombamomba azy . (Eny, toa ohatran'ny hoe mifanohitra izany, nefa mieritreritra ihany koa aho fa ny mampalaza ny mpanakanto dia ny fahaizany mandinika ny zava-drehetra manodidina azy nefa tsy arahina fihetseham-po).

Rehefa fintinina izany rehetra izany, dia tsotra dia tsotra ny miteny aminy hoe, “Mbola tanora ianao ary mbola ho maro ireo zava-tsoa mety hitranga eny amin'ny lalanao. Asehoy izay tsara indrindra vitanao!” Na koa raha hoe izaho no mpampianany, dia namporisika azy aho hikarama hanao “mpiasa birao”. Mety hoe izany no tena fanehoana hatsaram-panahy. Nefa raha toa ka “tena manan-danja be” amin'izy ireo izany, dia mety nanaraka ny lalany ihany izy ireo ary tsy hiraharaha izay tenenin'ny olona . Fa ho an'ireo mpianatra tsy manana izany pitik'afo izany hitsilo azy, dia mihevitra aho hoe andraikitry ny mpampianatra ny mampiseho azy ireo ny zava-misy fa tsy hanosika azy ireo amin'ny fanaovana fanamby nefa efa fantatra dieny mialoha fa tsy hahomby izany na kely fotsiny aza.

(Fanampiny)

Faly aho naharay fitanan-tsoratra maromaro avy amin'ny mpamaky tato anatin'ity lahatsoratra fanakianana ity. Misaotra betsaka. Voavakiko avokoa ireo fitanan-tsoratra rehetra sy Tweets. Maro ireo olona no nilaza am-pahatsorana ny heviny ary betsaka noho ny nantenaiko izany fa ny tena zava-dehibe indrindra tao dia nizara ho ekipa roa izy ireo. Tsapako hoe hita mazava tsara fa somary sarotsarotra ny vahaolana amin'izy io, ary sarotra ho an'ny tsirairay avy ny mahita ny valin-teny tena marina sady iraisan'ny be sy ny maro. Ny sasany amin'ireo nanome ny heviny tao dia mpanakanto sy mpamily fiara, ary tsapako anefa fa sehatra ahitana fifaninanana ary tsy anehoana famindra-po ireo sehatra ireo.

Satria nanoratra zavatra mety nanohina olona aho indrindra fa ireo izay efa nizotra tamin'izay lalana izay, nisy hevitra nahitana fihetsem-po maromaro tao. Somary sarotsarotra ny lalanao rehefa te hanaja ny tenanao sy ny nofinofinao ianao, satria ireo mpanenjika anao dia tsy maintsy hamporisika anao hitady ny lalana akaiky indrindra ahatongavana amin'izany ary fialam-bolin'izy ireo ny hampiditra fakam-panahy anao tsy hahatanteraka izany. Tsy misy fotoana natokana hanerena ny namana sy ny fianakavianao hahafantatra tsara  ny fanirianao sy ny zavatra rehetra tsapanao, aleo miezaka ny mandeha irery hatrany na ohatra aza ka tsy hitanao intsony izay lalana aleha satria efa nivenjivenjy teny foana! Tsarovy tsara, samy mizotra amin'ny lalana ny tsirairay miaraka amin'ny ahiahy.

Ankoatra izay, misy adihevitra maro miompana amin'ny hoe :  sarotra dia sarotra ny mitady asa “toy ny mahazatra”. Mazava ho azy fa tsy ho valiako eto izany. Fa sarotra mihitsy  izany.

Na manahirana aza ny miady hevitra amin'ny hoe:  mora na sarotra ny milaza zavatra toy izany amin'ny olona iray tsy ankanafin-tarehy, ary somary fanehoana fihetsika tsy am-pitandremana avy aty amiko raha hanomboka hiresaka izany aho taorian'ny nanoratako io lahatsoratra io nefa amiko manokana, tsy hifandray akaiky amin'ireny olona izay manambara  ny nofiny toy izany aho. Misy zavatra sasany afaka lazainao rehefa any amin'ny aterineto ary rehefa tsy an-kitonona anarana, ary tokony hieritreritra tsara ihany ireo olona izay manakiana ahy sy milaza hoe tsy manaiky ny fisian'ireo olona manana nofy aho. Soso-kevitra ity amin'ny fomba filazana ny olona amin'ny tsy fanatanterahana ny nofiny.

Ny fomba fanehoana ny hevitra tsotra sy mety indrindra dia ny fanekena ny olona hanatanteraka hatrany ny nofiny ary izy ireo ihany no mahita ny vokatr'izany, raha toa moa ka olona manam-potoana amin'izany ilay mpanonofy. Feo fanairana amin'ny zava-misy raha toa ka izay no tinareo. Anjarany ny ambiny na hanohy ny dia izy na hijanona. Aza adino fa fiainanao io!

Ity lahatsoratra ity dia natombok'i Chris Salzberg, dia avy eo notohizan'i Ziggy Okugawa, ary nofaranan'i Tomomi Sasaki. Misaotra betsaka ho anareo ekipa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.