Sodana: Ny Fitsapan-kevibahoaka any atsimon'i Sodana, an-tsary

Misy fitsapan-kevibahoaka iray mandeha amin'izao fotoana izao any Atsimon'i Sodana, ny 9 Janoary ka hatramin'ny 15 Janoary 2011 mba hijerena na hijanona ho isan'ny Sodana ihany ny tapany atsimo na tsia, na ho firenena iray mahaleotena. Ireto sary ireto dia mandrakitra ho tantara ny fitsapan-kevibahoaka any atsimon'i Sodana.

Jereo ny rantsan-tànako, nifidy aho!:

ramatoa iray tany atsimon'i Sodana nampiseho ny rantsan-tànany voamarika tamin'ny ranomainty taorian'ny nifidianany. Sary natolotr'i Suleiman Abdullahi (http://upiu.com/)

Dia an-tongotra lavitra mba handeha hifidy:

Dia an-tongotra lavitra mba handeha hifidy. Sary natolotr'i Alun McDonald

Saina vaovao ho an'ny faritra atsimon'i Sodana. Ny hevitr'ireo loko: Mainty – ny vahoaka Sodane Tatsimo, Mena – ny rà latsaka ho an'ny fahafahana, Maitso – ny tanindrazana, Manga – ny rano ao amin'ny lakandranon'i Nile,  Kintana mivolom-bolamena – ny maha iray ny firenena Sodana Tatsimo.

Ny saina vaovao ho an'ny faritra atsimon'i Sodana. Sary natolotr'i Giulio Petrocca.

Ny fiandrasana lavareny ho amin'ny fahalalahana:

Nitsangana nitandahatra ireo mpifidy nandritry ny ora maro. Sary natolotry ny The International Rescue Committee

Raha ny fahitàna azy dia tsy mahay manoratra amin'ny teny Arabo ny fahitalavitra Sodane tatsimo

Tsy mahay manoratra mazava tsara ny teny Arabo ny fahitalavitra Sodane tatsimo: صويت raha tokony ho صوت . Sary natolotr'i Sate3

Ny fomba hanamarihana ny vatom-pifidianana:

Ny fomba hanamarihana ny vatom-pifidianana amin'ny fitsapan-kevibahoaka

Miandry mba hifidy ny fahalalahana:

Sodane tatsimo miandry mba hifidy ny fahalalahana. Sary natolotr'i David McKenzie

Ny karapifidianana:

Ny karapifidianana izay ampiasain'ny Sodane tatsimo hanehoana ny safidiny. Sary natolotr'i Usamah

Hitondra seza ho ahy va ianao?:

Lavabe ny filaharana. Nitondra seza ny olona. Sary natolotry ny The International Rescue Committee

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.