Hongria: Fanentanana ho fanamaizinana manerantany

Tsy mbola lefy ny fifantohan-tsaina voasarika ho any Hongria noho ilay lalàna vaovao momba ny media. Ireo hongroa mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra dia miezaka koa mitazona ny haavon'ny fandrakofana iraisampirenena amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana ao amin'ny aterineto. Vondrona iray antsoina hoe  Blackout for Hungary (Haizina ho an'i Hongria) no nanainga fanentanana iray maharitra 24 ora nanomboka tamin'ny 5 Janoary teo hanoherana ilay lalàna vaovao momba ny media, manan-kery manomboka ny 1 Janoary. Nilaza izy ireo tao anatin'ny fanambaràny:

Ny 21 Des., ny antoko mitondra sy maro an'isa ao amin'ny parlemanta hongroa dia nifidy sy nandany lalàna iray vaovao momba ny media izay fantina avy amin'ireo lalàna isan'ny tena maneritery sy tsy demokratika indrindra manerana an'i Eraopa, ary mbola ahitàna fanampiny mampiahiahy.

Hanehoana ny ahiahinay mikasika ny resaka zo fototra sy ny fahalalahana miteny, dia ho hamaizininay ny sarinay ao amin'ny mombamomba anay amin'ny 5 Jan 2011, mandritra ny 24 ora.

Nampahafantatra ny fanombohany miasa tao amin'ny Twitter ny Blackout for Hungary amin'ny fampiasàna ny tenifototra #blackout4hungary sy koa amina kaonty Twitter mihitsy.

Tranonkala torrent iray be mpampiasa ny The Pirate Bay izay naneho koa ny fanohanany ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto any Hongria tamin'ny alàlan'ny fanoloana ny sary famantàrana azy  ho sary  ‘nohamaizinina’. Ny hetsika Facebook dia namoaka mpanaraka hatrany amin'ny 2000 mahery amin'ilay fanentanana, tsy teratany hongroa ny maro tamin'izy ireny.

Christopher Kullenberg, izay manomana ‘doctorat’ ao amin'ny Anjerimanontolon'i Goeteborg ary mpanoratra fandalinana maro momba ny fanoherana nandritra ny vanim-potoan'ny aterineto, dia namoaka lahatsoratra fohy tao amin'ny bilaoginy mikasika ny fanentanana  Blackout for Hungary:

[…] Ny fototra niaingan'ity hetsika ity dia lalàna vaovao henjana be momba ny media, izay mametraka sampan-draharaha manokana mikaroka ireo tatitra  “tsy mifandanja ara-politika” na mandeha amin'ny làlana mifanohitra amin'ny  “moraly iraisana”. Ilay sampan-draharaha dia hampandoa lamandy mavesatra an'izay rehetra tsy manaraka ny fepetra napetrak'ilay rafitra manampahefana, lamandy izay tsy maintsy aloanao eo noho eo. Io dia zava-doza ho an'ny fandrakofam-baovao sy ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo mahaleotena. Ny marina, mandrodana ny zavatra tsara rehetra nentin'ny aterineto ho antsika io […]

Nanomboka tamin'ny 1 Janoary dia i Hongria no mitantana ny Fiombonambe Eorôpeàna. Heveriko fa ilaina ny hanatsaharana ity sivana adala ity. Tsy hoe fotsiny ho fanehoam-piraisankina amin'ireo Hongroa namantsika, fa ho fanambaràna fa tsy azontsika leferina ny fitondrantena toy izany […]

Ny Webisztán koa, izay raha ny tena izy dia bilaogy miresaka ny aterineto sy ny teknolojia, dia naneho hevitra (HUN) noho ilay lalàna vaovao momba ny media. Lahatsoratra iray ao amin'ny index.hu (HUN) no nitatitra fa na dia nandà ny fanakianana aza ny governemanta hongroa, “ny sehatra iantefan'ilay lalàna dia tsy mijanona fotsiny amin'ireo vohikalam-baovao fa tonga hatrany amin'ireo fampiasa amin-javatra manokana mihitsy, tafiditra anatin'izany koa ireo bilaogy misy fanavaozam-baovao matetika manana fiasa toy ny an'ny gazety– tahaka ny Mandiner na ny Véleményvezér – tandindonin-doza mety hiaran'ny sitrapon'ilay Rafitra manampahefana.” András Koltay, mpikambana iray ao amin'ny kaomisionan'ny media ao amin'ny [Hungarian] National Media and Infocommunications Authority (Manampahefana miandrakitra ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana), dia nilaza tamin'ny index.hu fa tsy mbola afaka faritana ny hoe vontoaty toy inona no tsy maintsy anaovana filazana amin'ilay rafitra manampahefana. Mitondra fanamarihana amin'ilay lahatsoratra ilay mpitoraka bilaogy ao amin'ny Webisztán:

[…] Tsy manana teny entina milaza azy ity aho. Tonga angamba izao ny fotoanan'ny politikan'ny fijerena tavan'olona sy ny fahefam-panjaka tsy misy fetra ao amin'ny .hu. Mety tsy ho tahaka izay. Saingy ny mety ho fisiany, raha ny fahitàna azy, dia hisy. Raha toa ny Webisztán nokilasiana ho bilaogy ilàna fisoratana anarana any amin'ilay rafitra manampahefana hajaina vao ho azo idirana, dia hovitaiko hatreo ny aminy. Ny azo antoka dia farafaharatsiny ny eo ambanin'ny .hu […]

Ny vohikala szalaiannamaria.net, nitondra ny anara-malazan'i Annamária Szalai, mpitarika ilay Rafitra Manampahefana, dia  mitondra mankany amin'ny vohikalan'ilay Rafitra Manampahefana, saingy herinandro vitsivitsy talohan'izany, sary iray fandranìtana no hany azo nojerena tao, amin'ireto teny ireto: ” Ento mora fotsiny, ry lerony e!  Azo eritreretina daholo ny zavatra rehetra amin'ireny lohamilina any ivelany ireny”

Dobray avy amin'ny bilaogy Konzervatórium nanamarika hoe (HUN):

[…] Tsy ilay lalàna no olana fa ny fomba fisainan'ny Fidesz ny amin'ny media : ‘Hasehontsika azy ireo.’ Ny fananganana [Rafitra manampahefana], ny famenoana azy amin'ireo solontenan'ny Fidesz, ny fanamafisana azy amin'ny toerany, dia fihetsika tena efa lany henatra tanteraka […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.