Israely: Tanin'ny Afo sy ny Ranomandry

[Amin'ny teny Anglisy ny rohy rehetra]

Toetrandro ririnina henjana tokoa no namely ny faritra isan'ny lehibe indrindra tao Israely tamin'ity herinandro ity (Avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 15 Desambra 2010), narahana tafio-drivotra nahery vaika, orana ary tafiotran-dranomandry, nitera-pahavoazana nanerana ny firenena manontolo. Tany Avartra, rakotra ranomandry matevina izay tsy mbola hita teto amin'ny firenena tao anatin'ny 20 taona ny tendrombohitra Hermon. Izany dia andro vitsy taorian'ny nandravàn'ny doro ala ny faritry ny tanànan'i  Carmel, izay niteraka famoizana aina 43 sy fahasimban-javatra vinavinaina ho hatramin'ny 100 na 120 tapitrika sekely.

Ho an'ny maro, ireny oram-batravatra ireny dia nitondra fitonian-tsaina taorian'ny haintany niainan'ny firenena. Nitombo dimy sentimetatra ny haavon'ny Ranomasin'i Galilee, siniben-drano voalohany ho an'i Israely,  vokatr'ilay oram-batravatra.

Io fihetseham-po io dia naelin'ny maro tao amin'ny tontolon'ny fandefasana twitter Israeliana. Hoy i @Tekhelet:

Faly aho fa manana oram-batravatra / orana tsotra sy ranomandry i Israely ankehitriny. Baruch HaShem. Misaotra anao, Ray o!

Na eo aza ny fahavoazana, ny fisavoritahana sy ny fanelingelenana naterany, maro ireo velom-pisaorana noho ny fiavian'ny orana. Nanampy i @MaozIsrael hoe:

Ranomandry sy orana eto #Israel! Namaly ny vavakay Andriamanitra!

Saingy tsy valim-bavaka ho an'ny tsirairay ireny oram-batravatra ireny. Na teo aza ny faniriana mafy dia mafy hirotsahan'ny orana, niteraka country-wide damage koa ilay oram-batravatra.

Ny Bilaogy Maoz Israel dia namoaka sary vitsivitsy ahitàna ny faharavàna naterak'ilay oram-batravatra:

Morontsirak'i Tel Aviv's nodabofan'ny rivo-mahery sy ny oram-baventy

Alone in Holy Land (Irery aty an-Tany Masina), Romana iray mpitoraka bilaogy monina ao Ashdod, dia namariparitra an'izany hoe tratry ny oram-batravatra teny am-pamiliana fiara ho any Eilat niaraka tamin'ny fianakaviany izany :

Tanatin'ny helo sanatria! Voalohany, niala avy tany ny rivotra, tena nahery tokoa ary avy eo ny fasika…Rehefa tonga tao Mitzpe Ramon izahay, tena nangatsiaka sy be rivotra be tao … Natahotra mafy aho. Ny tafio-drivotra mboa nitohy hatrany namely ny fiara avy ao amin'ny ilany iray, avy eo ao amin'ny ilany indray ary dia tena nisavoritaka aho. Tsy nahavita akory na dia ny nanonona teny iray aza. Toy ny haben'ny voana pitipoa ny vavoniko ary nihidy ny tendako… Tsy nampino…nandritra izay  nivavaka mangina aho sy nanodina ny saiko hoe any an-toeran-kaf aho izao. Tamin'ny faran'ny dianay, 30 km eo ho eo alohan'i Eilat, nijanona tampoka ilay tafiotram-pasika, nazava ny lanitra ary niverina ny masoandro.

Ary nisy indray ireo tsy niraharaha izay rivotra tany sy naka tombony tamin'ilay toetrandro nanjakàn'ny tafiotra. Shahar Zubari, Israeliana mpikorisa ambony rano amin'ny alalan'ny herin'ny rivotra  (windsurfer), dia nisedra ny toetrandro sy niatrika ny onjan-drano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.