Maraoka: Manara-maso ny fiantraikan'ny tondra-drano ireo mpitoraka bilaogy

Tamin'ny herinandro lasa, ireo orambe nivatravatra nanerana an'i Maraoka dia naha dobo rano faritra maro tao amin'ny firenena, nanapaka ny fifamoivoizana sy ny fifandraisana ary namoizana aina 30 raha kely indrindra, ka 24 tamin'ireo no maty raha nofaohan'ny ranobe ny fiara mpitatitra nitondra azy ireo tao Bouznika, atsimon'i Rabat renivohitra.

Nanara-maso ny zava-nitranga ireo olon-tsotra mpampita vaovao ary nizara ny tantaran'izy ireo mikasika ny orambe mivatravatra. Ao amin'ny YouTube, hamsemmieb dia nizara sary mifandimby ahitana ny sary avy amin'ny tondra-drano:

Ao amin'ny Twitter, i Hisham_G lavatongotra dia nizara sary iray avy eny an-dalambe eny, nolaroiny fanamarihana mahatsikaiky:

lalambe iray any ivelan'i El Jadida

“Arrivé à El Jadida. Selon cet employé communal la route derriere moi est maintenant fermée”

“Tonga eto El Jadida. Raha ny filazan'ity mpiasan'ny kaominina ity, mikatona ankehitriny ny làlana any aoriako any.”

Ilay mpitoraka bilaogy The Last of the Moroccans, Amerikana iray monina ao Rabat, dia mamariparitra ilay orana araka ny fijerin'ny vahiny azy:

dia marina fa hafa noho izay orana efa niainako tany an-kafa ny orana eto Maraoka, zavatra iray mampahatsiahy ahy fa akaiky kely ny ranomasina. Tsy misy dikany izay fanànanao elo na akanjo tsy lena eny aminao, ho kotsa foana ianao. Matetika dia sahala amin'ny zavona mitambolona, saingy farany teo nivadika ho toy ny rivotra mitambolona be, tsy dia miombon-kevitra loatra amin'ny filazan-dry zalahy Maraokana aho manao hoe mangatsiaka ny andro satria avy ny orana (mbola 60 degre eto izao), misy hamandoana tsy azo ialàna, satria amin'ny ankapobeny dia mibanaka azon-drivotra ny trano maraokana, miaraka amina faitra malalaka rakotra taila sady tsy misy  fomba fanivanana na fitaovana fanafanàna, hisosoka eo foana ny hamandoana ary ny hany zavatra azonao atao dia mividy elo iray hafa sy manandrana mibonoka tsara ao anaty bodofotsy ary misotro dite mafana araka izay azo atao.

The View From Fez nanamarika ity manaraka ity:

Nilaza ny Mpanjaka Mohammed VI fa izy no hiantoka ny lany amin'ny fandevenana ireo maty tamin'ilay lozam-pifamoivoizana ary handoa ny saram-pitsaboana ireo sisam-paty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.