Jordania: Baraingo momba ny raharaha-na telegrama navoakan'ny Wikileaks

United States Embassy in Amman, Jordan

Masoivohon'i Etazonia any Amman, Jordania – avy amin'i amerune ao amin'ny Flickr (CC-BY)

Ny tsiambaratelo navoakan'ny Wikileaks farany, fantatra amin'ny anarana hoe “raharaha-na telegrama,” [cablegate] dia mampisongadina ireo filazana maro nataon'ny Mpitondra Jordaniana, tahaka izany ihany koa ireo fifandraisana maro avy any amin'ny Masoivohon'i Etazonia any Amman. Manana fomba fihetsehina samy hafa mikasika ity vaovao ao amin'ny vohikala mampirefodrefotra ity ireo mpitoraka Tweet.

Nanoratra i YanalJo:

Mahatalanjona: Ny Masoivoho Amerikana any Amman no fahadimy nahazoam-baovao be indrindra tamin'ny #cablegate [raharaha-na telegrama] #JO #wikileaks

Namaly tamin'ity zava-tsy mampino ity koa i RJundi:

Tena mibanaka! Raha ny vaovao wikileaks mikasika ny #Jordan #Jo #wikileakshttp://bit.ly/eMGcl8http://bit.ly/g8kJXN http://bit.ly/eKgzpR

Nanohy izy:

Diso ve aho raha manontany mikasika ny fahamarinan'ireo vaovaon'ny #wikileaks ? Mihevitra aho fa tsy mampaninona izany. Manaikitra aloha loatra ve isika? #Jordan #Jo #

Feras Rayyan, kosa manoloana izany, dia nanoratra:

Eny e..Mampisafoaka ny #cablegate, nefa tsy dia taitra na misafoaka aho mikasika ity zavatra vakiako. Tsy vaovao intsony izany any #mideast #middleeast #jo

Nitsikera tamina fitohitohizana Tweets i Jaffy Shami:

Afa-baraka ny media jordaniana ao amin'ny aterineto tsy niresaka #wikileaks. Izaho angaha liana kokoa amin'izay depiote ao amin'ny Parlemanta

Nanohy izy:

Misongadina ho toy ny feon'ny fampitoniana ao amin'ny #wikileak i #jordan. Tsy mba tahaka ireo firenena arabo hafa izy fa manohitra izay mety ho fanafihana ara-tafika an'i Iran

Nanampy ny mpitoraka Tweet ScarfaceJo:

Mihevitra ve ianao fa hampiova ny politika Arabo ity #cablegate #wikileaks ity?

Ary dia namaly ny fanontaniany izy:

#cablegale #wikileaks raha misy zavatra, dia hasehoy ny fahalemen'ny fitondrana Arabo sy ny mpitondra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.