Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera

Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy:

Tena marina? kôlera?

Nataoko fa efa tsy nisy intsony ny fivoaran'ny kôlera taty andrefana.

Ankehitriny, ny tena ratsy dia eto izy, eto Haiti.

Hatramin'izao dia 138 no maty.

Nivadika ho aretimifindra nyfitokana-monina, ary mitombo isa isan'andro ny maty. Haiti, izay efa tsy zarizary ara-pitaovana hiatrehana ny aretina tahaka itony, no miezaka mandroso hatrany hanarina ny potika taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 janoary lasa teo – efa ho herintaona aty aoriana, mbola mipetraka anaty trano lay foana ny ankamaroan'ny mponina.

Fanoherana ny Firenena Mikambana tao Port-au-Prince, Haiti. Sary nalefan'i melindayiti, nahazoana alalana tamin'i Bri Kouri Nouvèl Gaye (http://brikourinouvelgaye.com/)

Ho fanampin'ny fahatezerana vokatry ny fahantrana-  dia mandeha ny resaka fa vokatry ny “dikin'ireo miaramila misatro-manga avy any Nepal” no nahatonga ny aretina.” Efa tsy tsiambaratelo fa ny andiany mpitandro ny filaminana fantatra amin'ny hoe  MINUSTAH, no malaza amin'ny korontana any Haiti ; tena mahitsy be ny mpitoraka bilaogy amin'izay resaka izay, ary fanadihadihana vao haingana tany an-toerana no manontany raha ny “fanakorontanana” no dikan'ny tsy fankatoavana.

Amin'izay lafiny izay, ny antony nilazana fa ny MINUSTAH no nitondra ny valan'aretina kôlera tany Haiti (izay nolavin'ny Firenena Mikambana) dia rano kely nahatondraka ny ony. Raha mitombo hatrany ny marary ao Port-au-Prince renivohitra, dia mitombo tahaka izay koa ny fanoherana ny Firenena Mikambana.

Tamin'ny voalohan'ny herinandro, raha efa saika nihoatra ny arivo ny marary dia namoaka lahatsoratra tao amin'ny Inter-Presse i Mediahacker :

Farafahakeliny dia olona mpanao fihetsiketsehana roa no maty, ny anakiray voan'ny bala avy any an-damosiny, hoy ny fampahalalam-baovao any an-toerana. Nanda izany kosa ny miaramila misatro-manga ka niteny fa fiarovan-tena no nataon'izy ireo.

Manao sakan-dalana ireo mpanao fihetsiketsehana sady mitoraka amin'ny vato sy amin'ny tavoahangy. Tobin'ny polisy roa no may.

Mitatra hatrany Hinche sy Gonaives any Haiti koa ny fihetsiketsehana, ireo tanàna ireo koa ravan'ny kôlera.

Miampanga ireto miaramila vahiny ho nitondra ny valan'aretina kôlera tany Haiti ireto mpanao fihetsiketsehana ireto. Ny Foibe Amerikana momba ny Fisorohana sy Fanaraha-maso ny Areti-mifindra no miteny fa ity viriosy miparitaka any Haiti ity dia mitovy amin'ilay nitondra ny areti-mifindra tany Azia Atsimo.

Araka ny sary navoaka, olona 200 000 no ahiana harary izay vao mety ho voafehy ny aretina, izay mety haharitra hatramin'ny enim-bolana izany.

Hatramin'izao aloha dia olona 900 no maty, tapa-bolana mialoha ny fifidianana (izay notontosaina ny 28 novambra).

Manao maloto any amin'ny renirano ny MINUSTAH" – Sary nalefan'i melindayiti, nahazoana alalana tamin'i Bri Nouvèl Gaye (http://brikourinouvelgaye.com/)

Manasaro-javatra koa ny fifidianana hokasaina hotanterahana ato ho ato. Milaza noho izany ny Firenena Mikambana sy ny fanjakana fa fihetsiketsehana miharo politika ireny fihetsiketsehana ireny. Ho fanoherana izany fomba fijery izany, HaitiAnalysis.com namoaka ny resadresaka nifanaovany tamin'ny filoha teo aloha mialokaloka any ivelany (sady mpitarika ny antoko Fanmi Lavalas ) Jean Bertrand Aristide:

Nanontany aloha ny filoha Aristide momba ny nahatongavan'ny aretina kôlera ary avy eo izy nanameloka ireo mpanongam-panjakana nanongana azy tamin'ny 29 febroary 2004. “Mikasika iny fanonganam-panjakana / fangalana an-keriny tamin'ny 2004 iny dia efa nanamboatra sahady ny toerana ho an'ny mpanjanaka, izay soketaina indray ankehitriny fa tompon'andraikitra amin'ny valan'aretina ary tokony ho tompon'andraikitra koa”, hoy ny fanambaran'ny filoha Aristide.

Mediahacker no loharanom-baovao mikasika ny zava-misy any Haiti:

Andro fahatelo amin'ilay hetsika “Fihetsiketsehan'ny kôlera” ho fanoherana ny miaramila vahiny izao, izay lazaina fa nitondra ny aretina tany an-toerana.

Misy milaza fa ireto mpanao fihetsiketsehana ireto dia “chimères” izany hoe jiolahy karamain'ny mpanao politika any an-toerana.

Rehefa tonga tao Cap Haitien izahay, dia tsy nisy olona ny arabe rehetra, ankoatry ny andian'olona eny amin'ny sakan-dalana. Mbola mirehitra ny anankiray amin'ireny sakana ireny. Eo amin'ny anankiray hafa kosa, olona am-polony no hita manodidina fiara iray may tanteraka.

Faly be aho fa nisy lahiantitra iray niresaka tamiko antsoina hoe Amos Ordena, Kazek ao an-tanàna – ny Kazek dia olona nofidiana ho mpitsara amin'ny lafiny fandriam-pahalemana.

Nanontaniako izy momba ny fihetsiketsehana raha olona voatokana ihany no manao izany na ny vahoaka rehetra, dia novaliany fa ny olona rehetra tsy an-kanavaka no mandray anjara amin'ny “hetsika”. Nolazainy fa tsy manao tifi-danitra izany ny MINUSTAH hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana fa tena mitifitra olona mihitsy izy ireo. Henony fa farafahakeliny dia olona roa no maty tamin'io andro io.

Apetrako ny fanontaniana amin'izay mifanena amiko rehetra – ny mpanao gazety,ny mpivarotra eny amoron-dalana, ny olona miambina sakana, ny mpahay lalàna any an-toerana – hahalalako raha homanin'ny jiolahy ireny hetsika miharo korontana ireny, na ataon'ny mpanao politika.

Ny valiny iraisana dia hoe : tsia. Efa leo tanteraka ireo miaramila misatro-manga ny mponina, ka ny valan'aretina kôlera no baomba nampipoaka ny rehetra.

Nokendrena tsy hahamari-toerana ny fitondrana ve ny fihetsiketsehana ho fanoherana ny Firenena Mikambana? Saribakolin'ny mpanao politika izay tsy mitady afa-tsy ny tombotsoany ve ireo olona mpanao fihetsiketsehana ireo? Mahery setra ve ny hetsika?

Milaza ireo vahiny niresaka tamiko fa eny ny valiny. Fa ny ankamaroan'ny Haisiana kosa milaza fa tsia. Nolazainy fa zavatra tsy azo ihodivirana izao, satria ny miaramila napetraka tany Haiti izay noheverina fa ny miaraka aminy tsy ho voasazy no eritreretina fa nampiditra valan'aretina mahafaty tany an-toerana, ka nampitombo ny fahantrana indray. Fihetsiketsehana vokatry ny fahatezerana izao – toherina amin'izay heveriny fa mety izany, matanjaka be ny fihetseham-po – hanoherana ny fanjanahan'ny vahiny efa ho dimy taona izao .

Ny Twitter no ahitana ny vaovao farany rehetra mikasika ny zava-misy rehefa mitady ny teny fototra #Haiti, #UN sy #Cholera.

Eto ny famintinana ny korontan'ny kôlera hanoherana ny Firenena Mikambana.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.