Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma

Afovoan-tanana manantantaran'i Quito. Sary Flickr an'i Nelson Piedra fahazoandalana Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic Creative Commons

Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna sy ny sakoly maro ao Quito.

Antenaina mandritra ity fanentanana “Quito Limpiecito” [Diovy Quito] ity ny hanesorana singana siligaoma 230,000 [es] nariana nanerana ny hafovoan-tanàna manantantaran’ [es] ny tanàna, amin'ny maha-anisan'ny Patrimonio Sano [es] [Vakoka Salama] izay mikendry ny hiarovana ny tanàna voalohany ambara ho Toerana Lovan'Izao Tontolo Izao amin'ny UNESCO, miaraka amin'i Krakow (Krakovia) any Polonina.

Notontosain'ny mpianatra an-jatony tamin'ny fanaovana boribory tamin'ny tsaoka ny “fanisana” [es] siligaoma manerana ny lalana. Toy izao ny antontan'isa sasany nahatalanjona [es] :

800 estudiantes de 40 planteles educativos identificaron gomas de mascar en varios sitios del centro histórico. Cada chicle es retirado en 10 segundos.Miles de chicles marcados con tiza en el suelo de la plaza de Santo Domingo, en el centro, son removidos con dos hidrolavadoras, que utilizan agua a 150 grados centígrados de temperatura. El conteo determinó que hay un total de 47 042 chicles en la plaza de Santo Domingo y entre 10 y 15 chicles por m2 en la Plaza de la Independencia. El valor de una goma de mascar es de 5¢. En 2009 el retirar este dulce de piedras y calles costó $1,96, por metro cuadrado.

Mpianatra 800 avy amin'ny sekoly 40 no nametraka marika tamin'ireo siligaoma miparitaka tamin'ny toerana maro tao afovoan-tanàna manantantara. Mandany 10 segondra tsirairay avy ny manaisotra ireny siligaoma ireny. An'arivony ny siligaoma voamarika teny an-kianjan'i Santo Domingo, afovoan-tanàna, izay noesorina tamin'ny alalan'ny mpanadio amin'ny rano anankiroa, izay mampiasa rano manana hafanana hatramin'ny 150 C. Ny fanisana moa no namaritra fa nitotaly 47.042 ny singan-tsiligaoma teo an-kianjan'i Santo Domingo ary tanelanelan'ny 10 ka hatramin'ny 15 isaky ny metatra toradroa no voaisa teo amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena. Ny vidin'ny siligaoma iray dia 5¢ (cents na ampahana dôlara izany). Tamin'ny 2009, dia nisanda $1,96 isaky ny metatra toradroa ny manala azy amin'ny lalana rarivato, vato ary simenitra.

Mitantara ny fandraisana anjaran'ny tanora sy ny antitra koa ny Centro Histórico [es]:

Funcionarios de la Administración Centro pusieron agua y limpiaron los geranios de los balcones de su edificio; limpiaron vidrios y recogieron la basura de las calles circundantes: Chile, Guayaquil. De igual manera funcionarios de la Alcaldía hicieron su parte en la Plaza Grande, Palacio Arzobispal y calles circundantes.

Nandray anjara tamin'ny alalan'ny fanomezana rano sy ny fanadiovana ny geraniums (voninkazo) eo an-davarangan'ny birao fiasany ny tompon'andraiki-panjakana tao afovoan-tanàna; nanadio ny varavarankely sy nanala ny fako tamin'ny lalana manodidina: Chile, Guayaquil. Tahaka izany ihany koa ny fandraisana anjaran'ny mpiasan'ny fiadidiana ny tanàna teo amin'ny Kianja Grande, ny lapan'ny arsheveka ary ny lalana manodidina.

Edgaretsa (@edgaretsa10) kosa mizara sary ao amin'ny  Twitter [es]:

Niños contando la cantidad de chicles arrojados en la plaza en la campaña Quito Limpie cito http://yfrog.com/2r19usdj

Ankizy manisa siligaoma nariana teny an-kianja nandritra ny fanentanana Diovy Quito http://yfrog.com/2r19usdj

Nampiako ny sioka an-tserasera momba ny fanentanana [es] i Angel Sanchez (@AngelSanzC):

RT @revistavistazo: #Quito Limpiecito. Campaña para sacar alrededor de 200.000 chicles pegados en el suelo del Centro Histórico || lampara!

RT @revistavistazo: Diovy #Quito. Fanentanana hanesorana siligaoma 200.000 mipetaka amin'ny Lalana manantantaran'ny afovoan-tanàna || mahavariana!

Araka ny asehon'ity lahatsary manaraka ity, “Quito limpiecito” [tononina hoe lim-pi-sitò] dia fandraisana an-tanana niandraiketan'ny tanàna hampandroso ny hevitra, faniriana ary niarahan'ny tanora sy ny lehibe nanantontosa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.