Danimarka: TV Kiorda Voampanga ho Manohana Mpampihorohoro

Voarohirohy ho manohana terorista (mpampihorohoro), hoy ny mpampanoa lalàna any Danimarka ny Roj TV logoRoj TV, Fahitalavitra iray mandeha amin'ny zanabolana miteny amin'ny fiteny kiorda ary miorina any Danimarka. Mety ho foanana ny fahazon-dàlan'ny fahitalavitra rehefa mandeha ny fanadihadiana. Ny mpanao famotorana avy amin'ny fanjakana moa dia milaza fa miray tendro amin'ny Antokon'ny Mpiasa Kiordistana ilay fahitalavitra. (PKK), Izay fifandaminana (fikambanana) miady ho amin'ny fizakantena bebe kokoa ho an'ny Kiorda vitsy an'isa any Tiorkia. Ny PKK izay sokajian'ny Vondrona Eoropeana ho Vondrona Mpampihorohoro, ary ny Roj TV dia voatondro ho mpanome vahana ity fikambanana ity amin'ireo fandaharana alefan ‘ny fahitalavitra.

Araka ny lazain'ny mpikatroka Kiorda dia manery ny fitondrana any Danimarka ny governemanta any Tiorkia mba hanakatona ity fahitalavitra ity nanomboka tamin'ny taona 2005 rehefa voarara tany Tiorkia izy. Nanome fahazon-dalana hanapariaka sary ho an'ny Roj-TV ny Vaomiera Danoà misahana ny Radio sy ny Televiziona tamin'ny taona 2004. Nanomboka teo, indroa ny fanjakana no nanamarika fa mbola tsy nanitsakitsaka ny lalàna velona Danoà ny fahitalavitra.

Any Danimarka, ny fahalalahana miteny dia tena manan-danja tokoa, ny politisiana sy ny mpitoraka blaogy dia manohana fa fahadisoana ny fanakatonana io fahitalavitra io.

Tamin'ny faha 11 septambra, Kiorda aman-jatony no nilahatra an-dalambe nanao fanoherana tao Kaopenagy [renivohitra danoà]. Manohana io fihetsiketseham-panoherana io ny mpitoraka bilaogy Danoa-Tiorka iray, Antoko vaovaon'ny “Black Panther” ,  ary nilaza fa: “zo ny maneho hevitra”. Nisy fihetsiketsehana hafa indray ny 19 Oktobra, tao aorian'ny nandresen'ny Roj TV teo anivon'ny fitsarana nandidy ny hanokafana ny kaontiny any amin'ny banky izay nohidian'ny polisy.

Ny Filankevitra eoropeanina moa dia milaza fa manodidina ny 8000 – 10000 ny Kiorda monina any Danimarka kanefa tsy misy statistika tena ofisialy manamarina azy ireny ho Tiorka, Iraniana, na Irakiana satria tsy misy izany firenena Kiorda izany.

Tanonkala Danoa iray “Modkraft (tsindry entana na contrebalance)” dia nizara ny sarin'ny fihetsiketsehana ahitana olona mitondra sora-baventy manao hoe, “Natao ho an'ny Kiorda ihany koa ny fahalalaham-pitenenana” mbamin'ny “Feon'ny demokrasia ny Roj TV”.

Ao amin'ny tranokala iray hafa Adihevitra Kiorda (Kudish Forum),ny vondrona Danoà mpanery izay mikendry ho hita imaso ny disadisa misy eo amin'ny Tiorka sy ny Kiorda no namoaka fanambarana an-gazety ny 10 septambra teo milaza ny “Roj TV” ho anisan'ny tsindry lentam-baovao ofisialy ho an'ny Kiorda any Tiorkia sy any Danimarka.

Kurdistan Commentary,  bilaogy tsy fanta-tompo iray miresaka “izay rehetra manana fifandraisana amin'ny Kiorda, Kiordistana, ary ny fiteny Kiorda” no nanoratra tamin'ny antsipiriany fa:

“Sarotra ny raharaha ary mamantatra ny toerana misy ny fahalalahana an-gazety miady amin'ny famatsiam-bola tsy ara-dalàna sy ny fanohanana mpampihorohoro. Misy fitongilanana ny lalao mamely ny Roj-TV sy an'i Danimarka izay lazaina ho kibo malemin'i Eoropa, ka noho izay indrindra no mahamora ny manery ny fitsarana any Danimarka hanidy ity fahitalavitra ity sy hanamporofoana fa azo atao ho namana miady amin'ny mpampihoroho ihany koa i Danimarka”.

The Copenhagen Post, Izay gazety any Danimarka amin'ny teny anglisy, manadihady ity tranga ity:

“Ity fahitalavitra ity dia lasa tsilo eo amin'ny fifandraisana misy amin'i Tiorkia sy Danimarka, i Tiorkia dia nandrara ilay fahitalavitra tamin'ny 2005 ary hatramin'izay izy dia nanameloka an'i Danemarka ho mitamatama amin'ity raharaha ity miandry dimy taona vao mandray andraikitra.”

Tamin'ny farany volana Aogositra, nanontany ny hevitry ny mpamakiny amin'ity tranga ity ny mpanao gazety fanadihadiana an'i ‘Berlingske Tidende’ any Danimarka, Karl Erik Stougaard sady nanasongadina ny fananany sary, horonampeo sy antontan-taratasy maro manaporofo ny fifandraisany amin'ny PKK [Da] izay nolavin'ny Talen'ny Roj TV. Mafana dia mafana ny adihevitra eo amin'ny toerana natokana ho amin'izany eo amin'ireo mihevitra fa tokony homena fahalalahana ny Kiorda hijery ny fahitalavitra amin'ny fiteniny sy ireo mihevitra fa ny Roj-TV dia mirona loatra amin'ny fivavahana na mety manana fifandraisana amin'ny varotra zava-madomelina.

Misy maromaro ny vondrona Facebook manohana ny Roj TV amin'ny tenim-pirenena sy avy amin'ny firenena maro, misy koa ny mpanohitra ny-Roj.

Tsy voalaza ny fotoam-pitsarana, mbola manohy ny fandaharany ny Roj TV hatramin'izao.

4 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.