Korea Atsimo: Fifampitifiran'ny Super-Supermarkets (Fivarotana goavambe) any anaty Twitter

Raha manao telimoka an'ireo fandraharahàna madinika ireo toeram-pivarotana goavambe, mipongatra kosa ny adihevitra mivaivay ao Korea,  na io anaty aterineto na ety ivelany. Ny alin'ny 28 Oktobra, raha tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Fahitalavitra lehibe iray ny fifanakalozan-dresaka mikasika ny  SSM (Super SuperMarket), mpifanandrina roa goavana , ny iray misolo tena ireo mpiombon'antoka goavana ary ny iray mpiaro ny tompona fandraharahàna madinika, no nifamaky ady tao amin'ny Twitter.

Chung sy Moon dia endrika roa fantatry ny maro tsara fa mipetraka amin'ny tendro roa mifanohitra (mifanao atsimo sy avaratra) raha resaka momba ny SSM. Filoha lefitry ny vondrona Shinsegye i Chung Yong-jin, tompon'ny E-mart, dika mitovin'ny Walmart ho an'ny Koreana, ary zafikelin'ilay niara-nanangana ny Samsung. Ny mpifanandrina aminy, Moon Yong-sik, indray dia olona miteraka resa-be. Raha maro amin'ny olona no mandray an'i Moon ho mpitongilana amin'ny hery ankavia, ireo mpomba azy kosa indray dia mahita azy ho ilay mpiady manohitra amin-kerim-po ny governemanta. i Moon dia misolo tena ny Nowcom, tompon'ny Africa.TV, fahitalavitra iray anaty aterineto izay nanjary fanta-bahoaka taorian'ny nandefasany mivantana ny hetsi-panoherana tamin'ny 2008 nitarika ny fampidirana an'i Moon tany am-ponja noho ny resaka fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona.

Ny fifanandrinana dia nanomboka niaraka tamin'ny fandranitana tsy  nampoizina nataon'i Moon momba ny fanamarihana nentin'i Chung mikasika ny tombontsoa azon'ireo mpiasany. I Chung, tohina tamin'ilay famelezana tampoka nataon'i Moon, dia nihevitra tany amboalohany fa nisy diso tsipelina ny tweet. Niresaka olana ara-tsosialy tanaty tweets roa na telo i  Moon, ary isan'izy ireny ny fanakianana ny fivarotana pizza ataon'ny E-mart, izay nitarika fikatonan'ireo trano fivarotana pizza teo an-toerana. Nivadika ho lelafo midedaka ireo pitik'afo kely rehefa nofongarin'i  Chung ny resaka famonjàna an'i Moon ary kely foana matetika no tsy niantsoany an'i Moon ho “elatra-ankavia”. Ito ambany ito ny famintinana an'ireo fifanandrinana tao amin'ny Twitter:

정용진(@yjchung68) : 지난 19일 신문에 게재된 저희 회사 임직원 복지혜택 확대관련 내용입니다.직원들이 사랑하는 회사가 될수 있도록 앞으로도 계속 전진^^

문용식(@green-mun) : 수퍼개점해서 구멍가게 울리는 짓이나 하지말기를..그게 대기업이 할일이니?”

정용진 : 나우콤 문용식 대표님이 저에게 보내신 트윗입니다 마지막 반말하신건 오타겠죠?

문용식 : 오타는 아니구여.중소기업 입장에서 순간 화가나서 한말이지여. 피자팔아 동네피자가게 망하게하는 것이 대기업이 할일이냐구여? 주변상권은 다 붕괴시키면서 회사직원복지만 챙기면 되는거냐구여?

정용진 : 이분 분노가 참 많으시네요 반말도 의도적으로 하셨다네요 네이버에 이분 검색해보니 그럴만도 하세요

문용식 : 분노없이 지금 이 사회를 어찌 살겠어요? 정부회장도 좀더 안목을 키우시길. 달을 가리키면 달을 봐야지, 손가락끝만 쳐다보면 되나여? 대기업의 바람직한 상생의자세를 살펴봐야지, 반말들은것만 가슴에 담아두나여? 쯪쯪. […]

정용진 : 결국 이분 수퍼마켓과 피자얘기에서 불법상속 비자금얘기 까지 하시네요. 그래도 말투는 맘에 듭니다 ^^

Chung (@yjchung68): “Ity dia ampahan-dahatsoratra iray nivoaka tamin'ny faha-19n-ny volana lasa iny mikasika ny ezaka nataon'ny orinasanay hantsaràna ny tombontsoa ara-tsosialin'ny mpiasanay. Ma hahatonga azy ho orinasa ankamamian'ny mpiasa ao aminy, hitohy hiroso foana izahay:)

Moon (@green_mun): “Mitsahara amin'ny fanaovana izay mapikaikaika an'ireny ‘supermarkets’ madinika ireny amin'ny alalan'ny fanokafana toeram-pivarotana goavambe… Sa izany no tena antom-pisianareo fikambanam-barotra lehibe eto?”
Chung (Retweeting Moon's tweet): “Ity ny tweet nalefan'i Rep. Moon solotenan'ny Nowcom tamiko. Mety ho nanao tsipelina diso ianao, Rep.Moon, ilay teny farany-ilay fitenim-boto.”

Moon: “Tsia. Tsy nisy hadisoana mihitsy. Nampiasaiko ireny teny ireny satria tsy tanako ny foko fony aho niaro ireo tompona fandraharahàna madinika. Ny fivarotana pizza ao aminareo [E-mart no resahana eto] dia mitondra mankany amin'ny fikatonam-baravarana ho an'ireo mpivarotra pizza madinika ao an-toerana. Sa izany mihitsy no ataonareo vaventy mpiombom-barotra? Mba mandeha ilalany ve ny hoe mandray an-tànana ny ara-tsosialin'ny olonareo ianareo, raha ny manodidina anareo kosa potika ireo tsena madinika ?”

Chung: “Hatezerana no mameno anao. Ary dia ninianao mihitsy ny nampiasa tenim-boto [Fanamarihana: Tsy dia mpitranga loatra ny toy ity eo amin'ireo samy mpanao fandraharahana efa feno efapolo na dimampolo taona, indrindra moa fa hoe ao amina olon-droa diso fanta-bahoaka loatra ]. Raha ny voalaza  ao amin'ny Naver.com mombamomba ny tenanao, sarotra be ny tsy hino an'izay (ianao ilay miteny mahery.”

Moon: “ Amin'ny fomba ahoana no hiainana ao anaty fiarahamonina toy izany ka tsy ho tezitra. Atoa Filoha lefitra Chung, mila mijery tsara ny fiarahamonina ianao. Raha misy fanondro manitsy ny volana, ny volana no tokony hojerenao, fa tsy ilay fanondro manitsy ny volana akory. Nilaza taminao aho ny tsy maintsy hanananao ny foto-pisainan'ny fiaraha-mitoetra aminy maha-orinasa goavana, nefa ianao, raha ny votoatin'izay nambarako no tokony ho nohenoinao, tsy nisy afa-tsy ny teny mahery no mba voatananao. Aiza re izany e” […]

Chung: “Hay, navoakanao daholo ny resaka lehibe toy ny fandovàna tsy ara-dalàna sy ny famantsiam-bola tsy hita fototry ny fikambanam-barotra na dia  resaka pizza sy ‘supermarché’ aza no niaingàna. Tiako ihany na dia izany aza ilay fombanao.”

Taoriana kely dia nisaotra an'i Chung i Moon —niharo fanesoana— tamin'ny namerenany nandefa ny tweet masiatsiakany tamin'ireo mpanaraka azy an'arivony ary ny nanamarihany ny resaka famonjàna nahazo an'i Moon noho ny tsy fanajàna ny lalàna mikasika ny fandrakofam-baovao mandritra ny hetsi-panoherana, satria ireny fihetsika rehetra ireny dia nanampy an'i Moon  hahazo olona 200 vaovao hanaraka azy indray tao anatin'ny alina iray monja. Taitaitra tokoa ireo mpampiasa Twitter sy mpitoraka bilaogy satria vavolombelona nanatri-maso mivantana ny fifandonana iray imasom-bahoaka, indrindra indrindra fa nikasika iray tamin'ireo olana mahamay tao Korea.

Sarin'ny Homeplus ao Korea

Ireo SSM maro-rantsana, na manerantany io na avy eo an-toerana, dia samy hita any amin'ny distrika rehetra amin'ny tanàna faran'izay madinika indrina any Korea avokoa. E-mart, Lotte Super, GS Supermarket (zana-tsampan'ny vondrona LG) ary Homeplus ( tsena goavambe tantanin'ny Samsung-Tesco) no SSM goavana mibahan-toerana any an-tanàna rehetra any, na tanan-dehibe io na vohitra kely. Miatrika fifaninanana henjana ireo mpivarotra efa eo an-toerana sy ireo tompona fandraharahana madinika manoloana ireny mpaninjara afaka manome tolotra mora vidy, toeram-pivarotana midadasika kokoa sy ahitana tolotra misimisy kokoa ireny.

Ny Hetsika ho Fanomezana Aina indray ireo Tompona Fandraharahana madinika(Sajangnim240 Cafe), dia iray amin'ireo vondrona miady ny tombontsoan'ireo mpivarotra madinika. Mponina iray ao amin'ny aterineto no nitatitra tao amin'ny tranonkalan'ilay vondrona fa misy toeram-pivarotana goavana be iray eo amin'ny manodidina azy nisokatra mangingina ary tsy nisy nahamarika izany ny olona raha tsy efa tamin'ny fotoam-panokànana ilay toerana. Heverin'ny olona ho fomba nataon'ilay toeram-pivarotana goavana izany mba tsy hanànan'ny mpitaraina fotoana handrafetana ny fanakànany ka mety hiteraka fisintonana ny fanomezan-dàlana hananganana ilay SSM eo amin'ilay toerana natao ho an'ny tsena ao an-toerana.

Na dia efa misy aza ny tondrozotra mamepetra ny toerana azo asiana ireny SSM ireny, ary manery ireo orinasa hamoaka fampahafantarana mialoha alohan'ny hangànana ilay SSM alefa ho an'ny faritra aloha, tolo-dalàna iray henjana mety hibahana na hametra ny fipetrahan'ilay SSM rahateo no hita ao amin'ny savaranonandon'izy io. Koa satria mbola mihitsoka any amin'ny Antenimieram-pirenena io tolo-dalàna io, marobe ny olona no velom-panahiana. Fanadihadiana iray nataon'ny Korea Small Business Institute (Ivon-toerana Koreana ho an'ny Fandraharahana Madinika) tamin'ny Aogositra 2010 (navoakan'ny tranonkala Sajangnim240) no mampiseho fa nahatsinjovana fitotongany ny varotr'ireo fandraharahàna madinika noho ny firoboroboan'ny fitsanganan'ireny SSM ireny. (Ny tatitra etsy ambany dia nampiasa ny teny hoe ‘SSM’ hanondroana ireo toeram-pivarotana maro-rantsana manerantany. Ny teny hoe ‘toeram-pivarotana maro-rantsana’ dia noraisina koa hilazàna ireo nitsangana avy ao Korea ihany)

대형마트 및 SSM 진출전 3년과 진출 당해년을 포함한 진출이후 3년간 매출액을 비교해본 결과 점포당 월평균 4,132천원의 매출이 하락하였으며, 그 비율은 28.0%가 감소한 것으로 나타났다…보다 심각한 사실은 대형마트•SSM 진출후 매출액의 감소폭이 점점 커진다는 사실인데, 시간이 지남에 따라 피해의 누적효과가 발생하여 회복이 점점 어려워진다는 것을 의미한다…고객의 변화를 보면, 대형마트•SSM 진출시점을 기준으로 급격히 고객 감소한 것으로 나타났는데, 점포별 일평균 22명의 고객이 감소하였으며, 감소율은 37%에 달하는 것으로 나타났다.

Rehefa atao ny fampitahàna ny varotra nataon'ireo fandraharahana madinika telo taona taloha sy taorian'ny nahatongavan'ireo SSM sy toeram-pivarotana goavana be ireo (enin-taona no nanaovana ny fanadihadiana), ny vokatra dia namoaka fa nitotongana  4.132.000 won (USD$3,600) ny varotra isam-bolana amin'ny ankapobeny taorian'ny nahatongavan'ireo foeram-pivarotana goavana, izay midika fatiantoka  28 % amin'ny varotra isam-bolana… Mbola ratsy noho izay, mihazakazaka be ny fitotongan'ny varotra, midika izany fa manao tohivakana ny fahavoazana aterak'ireo toeram-pivarotana goavana ary toa sarotra inona ny hahafahana mivoaka amin'izany… Raha jerentsika ny fiovaovan'ny isan'ny mpanjifa, ireo toeram-pivarotana madinika dia very mpanjifa 22 isan'andro, na ny 37% amin'ny mpitsidika azy isan'andro.

Lee Sang-hoon dia nandefa lahatsoratra iray tao amin'ny tranonkala Daum Agora, nanipika fa zava-poana ny fandrindràna ny SSM hatreto, ny tsena Koreana rahateo efa tsentsin'izy ireny. Raha ny filazan'i Lee, ireo tompona fandraharahana madinika dia mila manavo-tena ary ny anjara andraikitry ny governemanta dia ny manohana azy ireo hivoaka velona miaraka amina fampianàrana fototra momba ny fahaizana mitantana fandraharahana sy ny tolotra natao ho an'ny daholobe:

동네 소매시장은 이미 SSM이 있건 없건 간에 완전경쟁시장이다. 편의점은 몇걸음 가기도 전에 연달아 나오고 목좋은 곳마다 이미 동네 유지들이 기업형 대형 마트를 열어 영업하고 있다. 그외에 후미진 골목들은 영세한 구멍가게들이 다닥 다닥 붙어 있다 싶이 하며 서로 경쟁하고 있다. 이미 우리 자영업시장은 미국이나 일본에 비해 경쟁이 매우 치열하고 소득의 양극화가 상당한 수준이다…우리가 진짜 해야 할 일은 메이저 리거들이라 할 수 있는 편의점, 동네 대형 수퍼마켓, SSM들의 경쟁에 끼어드는 것이 아니라, 실업 대신 어쩔 수 없이 장사를 선택한 영세 소상공인을 돕는 것이다.

Na misy ireo SSM na tsia, fifaninànana tonga lafatra no tafatsangantsika. Misy toeram-pivarotana antonontonony sy akaiky antsika isika ary ry zareo mpanankarena dia efa nanangana toeram-pivarotana goavana amin'ny toerana mety amin'izany. Mifanety loatra toy ny trondro anaty vifotsy ireo toeram-pivarotana madinika any amin'ireo làlana vitsy mpandeha no sady mifamely an-toerana eo. Any Korea, henjana be ny fifaninanana eo amin'ny tsena ary mivaingana mihitsy (araky ny tanjaky ny tsena) ny fametrahana tsena mitodika amina vokatra voafaritra, raha mitaha amin'ny zava-misy eo amin'ny tsena any Etazonia sy Japana… Ny tsy maintsy hataontsika dia, tsy ny hanàpaka ny ady eo amin'ireo mpandray anjara fototra izay tsy iza fa ireo toeram-pivarotana antonontonony, ny toeram-pivarotana lehibe eo an-toerana ary ny SSM akory, fa ny hanampy ireo mpitantana tsena madinika misafidy ny hanokatra toeram-pivarotana toy izay hitoetra ho tsy an'asa (mba hivoka velona amin'ilay fifaninanana).

Tsy an-kitsitsy ny fiainana: samy mandeha samy mitady ny rehetra. Saingy anjaran'ny governemanta ny manindry ny tsindrihisatra rehefa misy tsena goavana manitsakitsaka ny anjara faritany efa an'ireo tompona fandraharahana madinika, na farahafahakeliny dia mba manome fotoana an'ireto farany hiomànany hiatrika ady mangotraka. Fahalalam-pomba faran'izay kely omena ny kely hery mandritra ny fifaninanana izany, nefa indrisy fa very mian-dàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.