Repoblika Dominikana : fepetra hiadiana amin'ny kolera

Maherin'ny 270 no matin'ny kolera tany Haïti ary manodidina ny 3000 no tratry ny aretina. Ny fipariahan'ny valanaretina, izay tao amin'ny tanànan'i Saint Marc no niantomboka, dia niitatra hatrany amin'ny renivohitra haitiana, Port-au-Prince, izay nahitàna tranga iray voamarina omaly. Ireo manampahaizana avy amin'ny OPS [Organisation panaméricaine de la Santé] nilaza fa fotoana sisa no isaina dia ho tonga any amin'ny tany dominikana ny kolera, ary ho amin'izany indrindra no nandraisan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka fanapahan-kevitra maromaro, tamin'ny nanekeny ny tondrozotra avy amin'io sampan-draharaha iraisam-pirenena io,  mba ho fifehezana sy ho fanaraha-maso ny mety ho fidiran'ny valanaretina. Ity ny fomba fijerin'ny manampahaizana iray, taterin'ny Duarte 101:

Jon Andrus, Tale lefitry ny OPS, niteny hoe, na dia tsy mbola nisy tranga voalaza aza any amin'ny Repoblika Dominikana, dia efa mivonona ny amin'ny mety hisian'izany ny biraony, “satria makarakara be mihitsy ity sisintany ity. Mba hiresahana ny famongorana aretina iray amin'ny fomba espaniola (à La Española), tsy maintsy mila miresaka tetikady mahasàhana ny nosy iray manontolo isika”.

Iray amin'ireo fepetra sava-ranonando noraisin'ny Fahasalamam-Bahoaka ny fametrahana ivon-toerana fandraisana vonjitaitra, indrindra fa ho an'ireo faritra akaiky sisintany, izay nampitomboina ny isan'ny mpiasan'ny fahasalamana nalefa any mba hiatrehana amin'ny tokony ho izy ny mety ho fahatongavan'ny tranga-na kolera avy any Haiti na mipoitra eo amin'ny tany dominikana. Efa nanomboka tamin'ny Alatsinainy dia nametraka fifanomezan-tànana ara-pahasalamana koa ny governemanta  ho fisorohana sy fiarahana miasa amin'i Haiti, izay nahatsapa tsara ny anton'ny nandefasana klaoro aman-taoniny any amin'io firenena io ho fandiovana rano,  sy ny fampielezana ny vaovao tsara ho fantatra mikasika ny kolera amin'ny teny espanioila sy kiriolona (créole), mifanindran-dàlana amin'ny fandefasana doka amin'ny fampielezam-peo amin'ireo teny roa ireo. Ny boky kely nozaraina tany amin'ny sisintany dia miantomboka amina fanontaniana manao hoe  “Inona moa ny kolera?”  (“Kisa kolera -a ye?” amin'ny teny kiriolona) ary manasongadina ireo soritraretina fototra, ny antony sy ny fomba tsara indrindra tokony hatao hisorohana ny aretina.

Sisintany manasaraka an'i Haïti sy ny Repoblika Dominikana. Sary ho an'ny "Inside Disaster".*

Fepetra iray hafa noraisin'ny manampahefana dominikana ny fanakatonana vonjimaika ny tsena iray iraisan'ny roa tonta, ka nitarika hetsi-panoherana tao Haïti, izay anjakan'ny fifanjevoana tokoa raha ny ara-pahasalamana no asian-dresaka.  Rull Fernández, avy amin'ny Duarte 101, dia nanely ny akon'ity zava-mitranga ity tamin'ny famoahana ireo fanambaràn'ilay ramatoa mpitsabo, Angie Serrano, zendana tamin'ny fahitàna ny tsy fahampian'ny fampahafantàrana ho an'ny Haitiana:

Ny tena naha-zendana anay, mazava loatra, dia ry zareo manontany tena hoe fa inona no anton'izao fanaraha-maso izao ary  nahoana no naato ny fifanakalozana. Ambaranay azy ireo noho izany fa betsaka ny matin'ny kolera ary dia milaza ho tsy mahalala na inona na inona mikasika izany ry zareo. Toa tsy manana fomba hanarahana vaovao ireto olona ireto.

Ny fanehoan-kevitra faritan'i  Angie Serrano dia miainga avy amin'ireo fepetra fisorohana napetraka tany amin'ny sisintany, izay voaràra aloha hatreto ny fampidirana sakafo masaka avy any Haiti ary tsy mamela hiditra afa-tsy ireo Haitiana mitondra fahazoan-dàlana sy manaiky hanaovana fanaraha-maso ara-pahasalamana atao eny amin'ny sisintany, izay ny voalohany indrindra takiana eo dia ny fanasàna tànana.

Niharatsy tsikelikely ny zavamisy ara-pahasalamana ao Haiti nanomboka tamin'ny 12 Janoary tamin'ity taona ity, raha nandràva ny renivohitra ny horohorontany iray nanana hery nahatratra 7 tamin'ny maridrefy Richter, nahafaty olona maherin'ny   300 000 sy nampihitsoka ny firenena ho ao anatin'ny filàna vonjy lalina. Na teo aza ny vola nampanantenain'ny fiombonambe iraisampirenena sy ireo fihaonana maro nokarakaraina mba hamahàna ity olana ity, tsy mbola naharay azy ireny aloha i Haïti, ary vokatr'izay ho an'ireo rava trano fonenana dia any amin'ireo toby fialokalofana no mitoetra, toerana izay anjakan'ny fivangongoan'olona sy ny tsy fahampian'ny fikarakarana ny resaka ara-pahadiovana. Fepetra roa isan'ny mahatonga ny firongatry ny kolera.

Manoloana ny fanoherana nateraky ny fanakatonana ny tsena iraisana, ny Ministera dominikana misahana ny Fahasalamam-bahoaka dia nanamafy omaly fa fepetra vonjimaika io ary amin'izao fotoana dia efa azo atao ny mamerina manokatra azy io, raha toa ka arahana antsakany sy andavany ny fepetra ara-pahadiovana sy ny fanaraha-maso angatahan'ny manampahefana.

Na dia tsy mbola misy tranga-na kolera tsikaritra aza aloha izao ao amin'ny tany dominikana, dia mitohy amafisina ireo fepetra, àry noraisin'ny vahoaka ho tena zava-dehibe tokoa ny zava-misy. Amin'ny alalan'ny  Twitter, Al Momento.net dia mampahafantatra fa ireo fepetra fitandroana dia efa tonga hatrany amin'ny faritra misy fizahantany, raha toa kosa i Elaine Nivar miantso ireo Dominikana mba hiandry sy handray fepetra hitandrina. Ho an'i Julissa María indray kosa, dia mangataka izy ny mba hivavahana ho an'ireo mararin'ny kolera any Haiti, izay tsy dia manome fanantenana loatra raha ny vivavina: raha ny filazan'ny Organisation Mondiale de la Santé (OMS) – Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana, dia tsy mbola mahatratra ny fetra farany ambony akory ny kolera ao Haiti, ary ho sarotra ny hamongotra azy.

*Sary nalaina tao amin'ny tahirin-tsary Inside Disaster tao amin'ny Flickr. Naverina navoaka eo ambany fiarovan'ny Licencia CC Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.