Hanoi dia nisambotra ilay mpitoraka bilaogy Pham Minh Hoang noho ny fanehoany am-pilaminana ny fijery politika ananany

Lahatsoratra nosoratan'i Trinh Nguyen ary nivoaka tao amin'ny Advocacy tamin'ny 29 Septambra 2010.

Fampidirana avy amina fanasana bilaogy iray an'i Trinh Nguyen , mpikambana ao amin'ny Viet Tan izy ity. Viet Tan dia vondrona iray mpandàla ny demokrasia ahitana mpikambana avy ao Vietnam sy maneran-tany. Viet Tan dia mametraka ho tanjona ny hitondra fiovana ara-demokratika ao Vietnam amin'ny alalan'ny fomba tsy mampiasa herisetra sy fampandraisana anjara ny tsirairay.

Pham_Minh_Hoang.jpgPham Minh Hoang, mpitoraka bilaogy sy mpampianatra mpanao kaonferansa ao amin'ny Ho Chi Minh City Polytechnic Institute, dia nosamborina tamin'ny 13 Aogositra 2010 noho ny fitorahana bilaogy momba ny demokrasia sy ny rariny ara-tsosialy ao Vietnam .

Tany am-boalohany, somary nafempenin'ny governemanta Vietnamiana ihany ny fihazonana azy saingy tato aoriana kely dia nambara ihany ny fisamborana azy. Taorian'ilay fihazonana azy vao nampahafantatra an'izao tontolo izao ny Viet Tan.

Mitohy amin'ny fahanginany ireo manampahefana rehetra mikasika ny fihazonana ireo mpikambana telo hafa avy ao amin'ny Viet Tan: Pastora Duong Kim Khai, Ramatoa Tran Thi Thuy sy Andriamatoa Nguyen Thanh Tam.

Noho ny fahatokisany ny otrik'harena ao anatin'ireo tanora mpitarika ao Vietnam, nolavin'i Profesora Hoang ny hamela rafi-pampianarana matoritory handetika ny toe-tsaina liam-pivoaran'ireo mpianany ary nikatsaka isy làlam-baovao handrisihana sy hampaherezana ny fandraisana anjara avy amin'ny mpianany tamin'ny alalan'ny atrik'asa momba ny fahaiza-mitarika. Fantatra amin'ny anarany eo amin'ny sehatry ny fanoratana hoe Phan Kien Quoc, Hoang dia mpitoraka bilaogy mpivoy ny ara-politika, ka ireo lahatsorany miresaka kolikoly, tontolo iainana, sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenen'i Vietnam dia niparitaka lavitra tokoa teo anivon'ny aterineto.

Actuellement détenu au ministère de la Sécurité publique Center détention à 238 Nguyen Van Cu, district 1, à Saïgon, Hoang a été officiellement inculpé le 29 Septembre 2010, sous l'article 79 du code pénal, qui interdit «la réalisation d'activités avec l'intention de renverser le socialisme gouvernement. “Cette accusation de subversion d'une peine maximale de la peine capitale.Amin'izao fihazonana azy izao, ao amin'ny Fobe Famonjan'ny Ministera misahana ny Filaminam- Bahoaka , 238 Nguyen Van Cu, District 1, Saigon, i Hoang dia voampanga tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 29 Septambra 2010 araka ny Artikla 79 amin'ny lalàna famaizana, izay mandràra “fanaovana zavatra mikendry ny hanongana ny governemanta sosialista.” Mety hitondra hatrany amin'ny sazy faran'izay henjana ity fiampangana fihokoana ity

Ny manampahefana Vietnamiana ihany no mandika ny lalàna nataony hiadiana amin'ny heloka bevava tamin'ny fihazonana an'i Pham Minh Hoang mihoatra noho ny fe-potoana noferan'ny lalàna nefa tsy nisy didy ara-dalàna na fampahafantarana ny fianakaviany akory. Amin'ny fisamborana azy an-tsokosoko sy tsy famelana azy hanan-jo haka mpiaro ara-dalàna, dia manome vahana ny manampahefana hampiasa teritery ara-batana sy hanery azy hiaky.

Ny fahalalahana miteny dia iray amin'ireo zo fototra marobe amin'ny maha-olombelona voalaza ao anatin'ny Fanambaràna Iombonana momba ny Zon'Olombelona izay isan'ny nanao sonia azy i Vietnam.

Azonao atao ny manampy an'i Pham Minh Hoang amin'ny alalan'ny fanaovana sonia fanangonan-tsonia iray hangatahana ny fanafahana azy sy ireo mafana hafa. Azonareo atao ihany koa ny mifandray mivantana amin'ny masoivoho/kaonsilinareo ao Vietnam ka mangataka azy ireny hirotsaka ho mpanelanelana hangataka ny famotsorana an'ireo mafana fo tony fihetsika ireo. Ho an'ny fanampim-panazavàna bebe kokoa, azonareo atao ny mitsidika ny bilaogy fanentanana Free Pham Minh Hoàng (Afaho i Pham Minh Hoàng) na ny Free Them Now (Afaho izao dieny izao ry zareo).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.