Egipta: Mitohy ny resa-pady momba ny mpivarotena sy ny setrasetran-dehilahy

Namoaka lahatsoratra maromaro momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiaraha-monina Egyptiana ny mpitoraka blaogy vaovao, ho an'ny tetikasa “Manadihady ny fady” any le Caire. Mahakasika ireo mpivarotena sy ny setrasetra ataon-dehilahy amin'ny vehivavy ny sasany amin'ny lahatsoratra. Vao haingana ny sasany tamin'ireo mpitoraka blaogy no nivoaka ny firenena ka nahafahan'izy ireo nampitaha sy nanavaka ny tranga misy any an-tanindrazana sy ny tany amin'ny firenena notsidihany.

Truecolors

Manoratra momba ny henatra omena matetika an'ireo mpivarotena any Egipta ilay mpitoraka blaogy mitondra ny solon'anarana hoe “Just a Human” :

الحقيقة هى ان المصطلح قد يبدو جديدا و لكن مضمونه ليس جديد .

هذا المصطلح اصبح يطلق فى الدول المهتمة بحقوق الانسان و فى اوساط العاملين على هذه القضايا ..حيث نستخدمه لوصف هؤلاء الذين اعتاد المجتمع بتسميتهم “عاهرات و فتيات ليل”

Mety ho toa vaovao ihany ity teny ity, nefa tsy vaovao mihitsy ny dikany, noho izy manondro ireo “mpivarotena”. Nampiasaina tany amin'ireo firenena mandala bebe kokoa ny zon'olombelona sy ireo vondrona miaro ny zo io voambolana io.

Nanao ity fanamarihana ity ilay mpitoraka blaogy mialoha ny nanehoany ny heviny:

فى رأيى الشخصى انهم بالفعل يقدمون خدمة من حقهم ان تكون مدفوعة الاجر طالما ان احدا لم يجبرهم على تقديمها او يجبرك على قبولها فالمسألة فى النهاية عرض و طلب

انهم فى النهاية عاملين مثلهم مثل العاملين فى اى مجال اخر كل ما فى الامر انهم يعملون فى مجال شائك جدا اعتدنا التعامل معه بحذر شديد ..

Raha ny hevitro manokana dia manao raharaha tokony haloa vola ireo mpivarotena ireo, raha toa ka tsy terena hanao izany izy ary ianao koa tsy voatery hanaiky izany, lalànan'ny tolotra sy tinady ihany io

… Ary alohan'ny zava-drehetra, tahaka ny asa any amin'ny sehatra hafa rehetra ihany izany, ka manana zo izy na dia miasa amina sehatra somary manahirankirana ihany aza….

freedomf

Mandritra izany ny mpitoraka blaogy miteny tenim-pirenena roa, mitondra ny solon'anarana hoe “Freedom Fighter” dia niresaka momba ny fanaovana setrasetra eo ampanaovana firaisana noho izy ity sady ataon'ny lehilahy no ataon'ny vehivavy ary mahazo ny roa tonta ihany koa :

الذكورية طبعا بتتمارس طول الوقت على المرأة بنسبة كبيرة جدا في المجتمعات الأبوية زي مصر كدا والشرق الأوسط والدول الإسلامية بالأخص وفي دول معينة في أفريقيا، لكن برضو الذكورية بتتمارس ضد الرجل في أحيان كتيرة ومش الرجالة بس اللي ذكوريين في ستات نفسهم ذكوريين بشكل أو بآخر
Matetika dia ny vehivavy foana no iharan'ny setrasetra (eo am-panaovana firaisana ara-nofo), indrindra any amin'ireo fiarahamonina anjakan'ny lehilahy, tahaka an'i Egipta, “Moyent Orient”, ireo firenena Silamo, ary ireo faritra sasany any Afrika. Na izany aza dia mety iharan'izany ihany koa ny lehilahy, satria mety ho hampiharin'ny vehivavy ihany koa na izany na tsy izany.

Na dia inoan'ny maro aza fa ny vehivavy no tena lasibatry ny setrasetra, nanazava ny mety hiharan'ny karazana setrasetra mahazo ny lehilahy ihany koa izy:

يعني الراجل اللي مش بيقمع المرأة يبقى لا مؤاخذة الراجل لازم يكون ناشف وقاسي وذكوري ورجعى عشنا يبقى راجل أصيل حاجة خلاص تجنن!!!!!
Raha tsy mampijaly vehivavy ny lehilahy dia tsy “lehilahy” izy izany! Midika izany fa tokony tsy misy fiantràna, misetrasetra, ary bontolo saina ny lehilahy vao tena “lehilahy”!!!

Nampanantena ny hanohy hanoratra momba ny setrasetra eo ampanaovana firaisana ihany koa izy, nefa lohahevitra hafa ny lahatsorany taorian'io, noho izy tsy afa-miaritra ny tsy hiblaogy momba ny Londres, ambohipihaonan'ireo teratany vahiny, toerana anatrehany fandaharam-pianarana momba ny fanaovan-gazety. Ny tena tiany dia ny maha-be fandeferana manjaka amin'ity tanàna ity, izay mitondra fifankahazoana betsaka eo amin'ny mponina ao aminy. Mampitaha an'i Londres amin'i Egipta i “Freedom Fighter” ao amin'ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Fahitàko ny diako tany Londres’:

Eny Egipta somary misy fandeferena kely ihany, nefa tsy betsaka tahaka ny any Londres, maro ireo vondrom-piarahamonina vahiny no monina any Egipta, nefa mbola lavitra ny lalany vao ho tonga amin'ny fenitry ny fanekena kolontsaina maro izy, sy ny fanajàna ny fahalalahan'ny tsirairay, ny fanajàna ny safidin'ny tsirairay amin'ny fomba fiaina, fivavahana, sy ny sisa rehetra.

Any le Caire tsy dia maninona loatra, nefa mbola tsarain'ny olona amin'ny fihetsikao ianao, na ny fitafy, fivavahana na ny fironana ara-politika sy ara-pananahana, ary mbola mila fanovàna ireo lalàna mba haha-tena fitondràna sivily azy, izay misy fa sarintsariny ihany.

Nawara Bilal koa dia vao haingana no tany ampitan-dranomasina, nefa niverina taty Egipta ka zavatra hafa no niainany amin'ny fomba fijeriny amin'ny maha-vehivavy azy, izay zarainy ao amin'ny blaoginy Nooning:

Tany ivelan'i Egipta aho nandritra ny herinandro vitsivitsy farany teo…Kenya sy Canada.

Nanomboka nahatsapa tena ho velona aho, nanomboka nahatsapa ny tenako ho vehivavy aho ary nanomboka hitoetra ho zavaboary ara-pananahana…sady izaho manana namana manokana izay mandray ahy ho tena vehivavy, izay mila ahy ary mihaino ny hetahetako, izay velona, manintona eo amin'ny nofo sy ny ra.

Manaiky ilay mpitoraka blaogy fa tsy ‘zavaboarin'ny fananahana’ izy; apetrany ao amin'ny lahatsoratry ny blaoginy mihitsy aza ny famborahany:

Marina fa nanana olana amin'ny fananahako aho…nefa tsy biby tsy manana fananahana aho.. nanana olana amin'ny fahafantarana ny filàko, nanana olana tamin'ny fieritreretana ny antony hilàko lehilahy amin'ny fiainako…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.