Teknolojia ho an'ny Fangaraharahana : lesona dimy azo notsoahina

Niara-niasa mikasika ny rindra tsaratsara kokoa ho amin'ny fanasokajiana sy fitsinjarana ireo fikambanana ampolony hita amin'ny tranonkalantsika izaho sy i Renata Avila raha niroso tamin'ny dingana faharoa amin'ny Teknolojia ho an'ny Tambajotra mangarahara isika. Iray amin'ny tanjona napetrakay ny mba ho mora ho an'ireo mpampiasa ny hahita ireo tetikasa izay tsy miorina fotsiny eo amin'ny firenena misy azy fa eo amin'ny sehatra manokana na ny olana izay mahaliana azy ihany koa — satria koa anie isika mikatsaka ny Teknolojia ho an'ny Tambajotra Mangaharaha e — ireo fitaovana samihafa izay ampiasain'izy ireo .

Ao anatin'ity fandaharan'asa ity, vao haingana izahay no nanao fampahafantarana ho an'ny vondron'ny mpikaroka ny mangarahara mikasika ireo lesona dimy azonay hatreto mikasika ny fampiasana ny aterineto sy ny finday hanapariahana ny fangaraharana sy ny andraikitra miaraka amin'izany.  Zavatra iray tena mora miova haingana ny teknolojia ho an'ny fangaraharahana — teo anelanelan'ny fotoana nanaovanay ny fampahafantarana hatramin'izao anio izao, nandefa ny Crowdmap ( sarintany ifandrimbonana) fitaovana fanaovana sarintany Ushahidi izahay, izay mamela ny tsirairay ho afaka hiditra ao amin'ny Ushahidi nefa tsy mila mampiditra ny Ushahidi ao amin'ny solosaina lohamilin-dry zareo akory. Ny dikan'izany dia hoe ireo lesona sy teknolojia izay faritantsika eto ambany dia asa mivoatra, ary isaorana mialoha ireo kiana sy fanontaniana avy aminareo. Aorian'ny famoahanay ny dingana manaraka mikasika ny tranga nohalalininay, dia mihevitra ny hiverina hijery ireo lesona ireo izahay ary hijery hoe inona no niova .

Lesona #1: teknolojia manampy amin'ny fanangonana ny soratra fototra (données)

Any amin'ny toerana tsy ahafahana na tsy tian'ny governemanta sy ireo fikambanana hizaràna vaovao ( na tsy famoahana an'izany amin'ny endrika mora vakiana), dia matetika no ny mponina no loharano tsara indrindra ahazoana vaovao mikasika ny asa ataon'ny governemanta sy fikambanana tsy miankina . Misy maro ireo fitaovana hanamorana ny fanangonana io soratra fototra io, na avy amin'ny tetikasa ifandrimbonana izany, ka ao ny vondron'olona manokana voaofana mpilatsaka an-tsitrapo na ny mpiasa ( izay antsoina matetika hoe mpifarimbona fanampiny na “bounded crowdsourcing”), na avy amin'ny fitambaran'izy roa. Azo ampiasaina hanampy ny angona efa misy ireo vaovao voaangona avy amin'ny olona ao amin'ny aterineto na avy amin'ny alalan'ny finday ( ohatra ny fanampiana amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana ) na amin'ny fanazavana hafa vaovao ny fomban'ny fahefana na ny rafi-pahefana ( ohatra amin'ny alalan'ny fandalinana ny vokatry ny tetikasa fampivoarana ) .

Azo apetraka amin'ny fitaovana na firaketana isan-karazany, miankina amin'ny vokatra tadiavina sy ny tontolo iasàna, ny angona. Misy ny tolotra sasany toy ny Frontline SMS izay mampiasa ny somaiso tsotra amin'ny ankapobeny, fa ny hafa tahaka ny Ushahidi kosa mampiasa fomba maro hafa anisan'izany ny Simaiso , ny Twitter, mailaka ary ireo endrika hafa ao amin'ny tranonkala.

Ohatra: Ny Tambajotran'ireo mpanara-maso ny fifidianana amin'ny alalan'ny finday ao Nizeria

Natao hanaraha-maso ny fifidianana ny filoham-pirenena tamin'ny taona 2007 tany amin'ny firenena ny Tambajotran'ireo mpanara-maso ny fifidianana amin'ny finday tao Nizeria (Network of Mobile Election Monitors ) (NMEM). Matetika no voafetran'ny fotoana sy ny toerana ireo mpanaramaso ofisialy ny fifidianana, eny fa na dia eo  noho ny satany ofisialy aza — mety hampihena ireo tsy fanarahan-dalàna ka handiso ireo valin'ny fanaraha-maso mety hitranga any amin'ireo biraom-pifidianana ny fametrahana azy amin'ny toerana talaky maso ao amin'io toerana manokana io. Niara-niasa tamin'ny Frontline SMS ny NMEM mba hananganana ny rafitra fanaraha-maso ny fifidianana izay mety hanampy ny vahoaka hanaraka kokoa ny fitsipika ara-politika raha toa izany ka difotry ny olana niaraka tamin'ny ezak'ireo  mpanaramaso ny fifidianana teo aloha. Mpiara-miasa voasoratra anarana, voaofana avy amin'ny faritra isan'isany ao Nizeria no nanara-maso ny fifidianana raha nanaparitaka ny akon'ny ezaka nataon-dry zareo tamin'ireo mpifidy, izay namporisihana ihany koa mba handefa vaovao .

Maherin'ny 10,000 ny hafatra voaray sy voaporofo fa marina. Nanakoako ny vaovao farany mikasika ny fahombiazana teo amin'ny fanaraha-maso iraisam-pirenena nefa koa nanome fitaovana misimisy kokoa ho an'ny Nizeriana izany ao amin'ny fomba fiasa ara-politika . Ho fanampim-baovao, jereo ny tatitra faran'ny NMEM (PDF).

Lesona#2: Manampy ny mponin'ny aterineto hitety& hahalala ny angona (soratra fototra) ny teknolojia

Maro ny governemanta sy ny orinasa izay mametraka ny angona azony ao amin'ny aterineto no mametraka izany amin'ny fandikana hosary (scanner) ireo antontan-taratasy goavana sy sarotra ary mamoaka izany ho failo PDF sarotra kirakiraina. Amin'ireo tranga hafa, diso betsaka sy diso manahirana loatra ho an'ny ankamaroan'ny olona ny mahazo ireo raki-tahiry ireo. Fitaovana maro karazana no misy mba hanamoràna ny fnmpakarana ireny angona ireny ho ao amin'ny aterineto , lalana mora aleha hitetezana mba hahitan'ny olona ny zava-misy sy ny olona tena manan-danja. Afaka manakiana kokoa ny governemanta sy ny fikambanana avy amin'ny sehatra tsy miankina  ho tompon'andraikitra ny olona manam-pahafahana miditra sy mahalala ny zava-misy amin'ny zava-miseho amin'izay fotoana izay.

Ohatra : Sarintanin'ny fanampiana an'i Haiti

Manome vaovao amin'ny antsipiriany mikasika ny fanampiana amin'ny maha-olombelona sy ny ezaka fanampiana ao Haiti ny Sarintanin'ny fanampiana an'i Haiti . Azon'ny mpitsidika ilay tranonkala atao ny misafidy ny vaovao, na ny fandrindrana ny fanampiana, na ireo vondrona sy sehatra manampy na ny toerana.  Mihoatra ny iray lavitrisa dolara no hetsika fanampiana hita ao amin'ilay sarintany izay manamora ny fijerena hoe iza no manao inona ary aiza.

Lesona#3: Mba hahazoana olona betsaka indrindra, dia mila mandehandeha ianao

Eran-tany, in-telo avo heny amin'ireo olona maro manana finday ny olona tafiditra amin'ny aterineto (PDF). Mitombo ho avo dimy heny kosa izany any amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana — izay ny vahoakany no mameno 64 isan-jaton'ireo mpampiasa finday eran-tany . Noadinoin'ireo fitaovana izay miasa manokana amin'ny aterineto ny fisian'ny vondron'olona lehibe mpampiasa azy io, nefa soa ihany fa misy ireo seha-pifaneraserana maro sy rindrambaiko amin'ny finday izay manampy ny fikambanana hanatratra io vondrona io . Na dia lahatsoratra tsotra indrindra -sy-resaka fotsiny amin'ny finday aza, dia afaka manampy ny olona hitatitra ny olana sy hahazo vaovao.

Ohatra: Fitaovana fanaraha-maso ny vola (Budget Tracking Tool) any Kenya

Miisa 4 tapitrisa fotsiny any Kenya ny mpampiasa aterineto raha  maherin'ny 19 tapitrisa kosa ny mpampiasa finday (loharano: Banky Iraisam-pirenena ). Mamela ny vahoaka hahazo vaovao mikasika ny vola izay natokana ho an'ny tetikasa fampandrosona ny faritra misy azy amin'ny alalan'ny fandefasana hafatra tsotra an-tsoratra fotsiny ny Fitaovana fanaraha-maso ny tetibola (Budget Tracking Tool) . Mahangona simaiso-manontany eo amin'ny 4000 hatramin'ny 4500 isam-bolana eo ny tranonkala ary mampiasa ireo vaovao voarainy ny vahoaka hamakiany bantsilana ny kolikoly misy any amin'ny faritra hatrany anivon'ny governemantam-pirenena .

Lesona #4: Aza mamorona indray ny zavatra efa misy

Mba tena hampahomby ny fampiasana ny teknolojia, dia mila ianao mahita ny olona any amin'ny toerana izay misy azy . Raha toa ny olona ka efa mampiasa ny vondrona Facebook hanoherana hetsika iray manokana ataon'ny governemanta, dia mety hoe tsy ilaina intsony ny manangana seha-pifaneraserana vaovao mitovitovy tanjona amin'izany sady mandany fotoana manandrana ny hitarika ny olona ho any. Na dia tsy vita tamin'ny fomba mangarahara sy ny ezaka ho fampandraisana andraikitra araka ny fisainana loatra aza ny Facebook, YouTube ary ny Twitter , dia azo ampiasaina tsara ihany izy ireo ho fitaovana tena mahomby, ary hanjary ho tena fitaovana mahomby miaraka amin'ireo mpijery .

Raha manangana fandaharan'asa iray miorina amina fitaovana efa misy ianao, dia ilaina foana ny mahatadidy fa mety tsy ho azon'ny hafa idirana ny fitaovana nasiana fomba fiteny iray monja na amin'ny faritra iray monja . Ohatra , iray amin'ireo vohikala tena malaza indrindra any Brezila sy Inde ny Orkut ary mety hahatratra mihoatra ireo mpampiasa Facebook any amin'ireo firenena ireo .

Ohatra: Mitsongo dia ny fiaramanidin'ny Filoha Toniziana

Tamin'ny taona 2007, nahasarika ny sain'ireo mpitoraka bilaogy ny isan'ny dia  izay nataon'ny fiaramanidin'ny Filoha Toniziana, izay manontany tena hoe nahoana, oviana ny Filoha no tany Tonizia ary ny fiaramanidiny any Parisy . Nasehon'ny mpitoraka bilaogy iray ny sarin'ireo vohikala ahitana ny  fiaramanidin'ny Filoha. Narahany ny lalan'ny fiaramanidina eran'i Eoropa ary hitany fa ny vady andefimandrin'ny filoha no mampiasa ny fiaramanidina hanampy azy amin'ny diany miantsena — fampiasana tsy mety sy tena mazava ny volam-panjakana izany. Google Earth no nampiasainy hamaritana ny lalan'ny fiaramanidina , ny sary izay ao anaty sarintany , YouTube sy Vimeo hamoahana ny horonantsarin'ny zava-mitranga .

Lesona #5:Mba mandefera

Rehefa mampiasa fitaovana nomerika , tandremo tsy ho “latsa-pitia amin'ny zavatra namboarinao .” Afaka mandany andro sy vola ianao manamboatra ny seha-pifaneraserana nomerika tsara indrindra eran-tany, nefa kosa ny tanjonao sao dia eo amin'ny mpanaraka mampiasa kokoa ny fampielezam-peo noho ny solosaina, ka ho kely ny fiantraikan'izany amin'izy ireo. Manambatra ireo fitaovana nentim-paharazana sy nomerika ny sasany amin'ireo tetikasa tena mahomby indrindra hanatratrarana ny vahoaka tsy anavahana na inona ny teknolojia ampiasaina na inona. Manaiky ny fikambanana fa ny fitaovana tsara indrindra hanaparitahana ny fangaraharana sy ny fifampatokisana dia ny iray amin'ireo izay tena ampiasain'ny mponina. Mety tsy ho tena raitra na manaitra noho ny seha-pifaneraserana nomerika ny fampielezam-peo, gazety, fahitalavitra, ivotoerana fiantsoana sy ny fihaonam-bahoaka, nefa amin'ny toerana sasany, mety hahomby kokoa mihitsy izy ireo .

Ohatra : Freedom Fone

Rafitra saika miorina amin'ny fero ny Freedom Fone . Afaka maka ny rindrambaiko amin'ny aterineto maimaipoana ny fikambanana ary mividy ny fitaovana ilaina amin'izany amin'ny vidiny latsaky ny 100 Euro/126 Dolara Amerikana . Tsy mila solosaina ireo mpampiasa farany ary tsy mila mampiasa Simaiso ihany koa – mila miantso fotsiny izy ireo. Alefan'ny Freedom Fone ao amin'ny seha-pifaneraserana fihainoana io” vaovao nalefa io ary tonga amin'ny faritra mampiaraka ny litera sy ny fomba fiteny ary manome alalana ny mpampiasa hanoratra mihoatra ny litera miisa 160, fetra farany raha amin'ny simaiso “. Afaka mampiasa io rafitra io ny fikambanana hanaparitahana ny vaovao, hitarihana ny biraom-pifidianana, na hanangonana ny vaovao avy amin'ny mponina izay afaka marihina sy arahany amin'ny fampiasana ny rindram-baikon’ ny Freedom Fone .

Ohatra: Guatemala Visible

Manaraka ny fitsipika fanivanana ho an'ny mpitsara, ho an'ny mpampanoa lalàna, ny manam-pahaizana manokana amin'ny fanisana vola, ny mpiaro ny vahoaka, ary ny masoivoho nasionaly any Goatemala ny Guatemala Visible izay manaparitaka fanazavana mikasika ny fandehany izay efa nentina tao ambadiky ny rindrin'ny tsiambaratelo. Ankoatry ny fametrahana ireo fanampim-panazavana ho hita eo amin'ny aterineto, mampiasa petan-drindrina ihany koa ny tetikasa, apetaka amin'ny toerana fijanonan'ny fiara fitateram-bahoaka, fandaharana amin'ny fampielezam-peo sy amin'ny fahitalavitra amin'ny fomba fitenin'ny fiaraha-monina eo an-toerana hanandratana ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay .

Famaranana: lakile ny tontolo manodidina, ary angano ny bala mahagaga

Miankina amin'ny zavatra tiana ahatongavana ny fomba fampiasa tsara indrindra ny fitaovana, ny teorana, ny fomba fiteny, ary ny tontolo ara-teknolojia, ankoatr'ireo zavatra hafa. Ohatra, mety hoe hampiseho malalaka ny volany ny governemanta sy ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, manao ny vinavina ary ny fandehanana amin'ny données izay tena zava-dehibe kokoa noho ny tatitra avy amin'ny vahoaka mikasika ny tetikasa izay mifantoka amin'ny vola sy ny fanampiana avy amin'ny malala-tanana . Fa raha toa koasa ny tanjona ka ny hampitaha ny zavatra nampanantenaina amin'ny zavatra voaray, dia ny vaovao avy amin'ny tatitry ny vahoaka mikasika ny zava-miseho eny an-toerana no tena mahomby indrindra hanaparitahana ny fanisana . Amin'ny toerana sasany, azo lazaina ihany hoe midika ho fampandrosoana ny fitaovana iPhone miaraka amin'ny sary manaitra sy ny fahafaha-mizara vaovao amin'ny Facebook ny lalana tsara indrindra hahafahana manamora ny vaovao ho eo am-pela-tanan'ny mponina . Any an-kafa, mety ho fanontaniana amin'ny alalan'ny simaiso tsotra sy fandaharana amin'ny alalan'ny fampielezam-peo fotsiny izany .

Na dia misafidy ny fitaovana ara-teknolojia tena mety amin'ny tontolo manokana iray aza ianao, dia tsy ho vahaolana mahagaga ho anao foana akory ny teknolojia amin'ny aterineto sy amin'ny finday . Manamafy mihitsy ny mpamorona ny Ushahidi fa seha-pifaneraserana izy io, fa tsy fomba fiasa . Tena mila ekipa mpanohana mahomby ny mametraka azy — na fitaovana ara-teknolojia izay mety — izay tena efa zatra amin'ny tontolo isehoany izay ampiasana azy ary afaka ny hitady zavatra maro, hampanao fanofanana, fanamarinana ny vaovao, ary ireo asa hafa maro karazana. Mora ny mamafa ao anatin'ny zava-baovao amin'ny teknolojia , fa tsy hamaha olana mihitsy raha ny teknolojia amin'ny tenany fotsiny. Milaza i Philip Thigo ao amin'ny Budget Tracking Tool any Kenya fa raha tsy mahita ny lanjan'ny fitaovana ampiasainao ny fiarahamonina izay ezahanao ampiana, na izy ireo tsy manampy anao amin'izany, dia, ny tena mahagaga, hanjary “hobihobiana ery ary maty avy eo ” ny seha-pifaneraserana izay tena lasa lavitra amin'ny teknolojia izay natsanganao.

Any amin'ny tontolo hafa, zava-dehibe kokoa ny manomboka amin'ny fijerena ireo fitaovana efa misy eo amin'ny vahoaka izay tianao iasana. Mety tsy hahomby ny teknolojia avo lenta raha toa ny vahoaka ka tsy zatra azy, ary tsy hanana fahefa-mividy ho amin'izany, na mety tsy ho tratra ny tanjona. Midika izany amin'ny fahavononana ny hiala amin'ny teknolojia manahirana raha toa ny filan'ny fiarahamonina ka ezaka amin'ny simaiso sy amin'ny fampielezam-peo. Midika izany fa voafetra ny fanaovana lahatsoratra tsotra amin'ny vohikala . Na izany na tsy izany, midika izany fa mila jerena tsara ny tontolo manodidina ny tetikasa sy ny fametrahana ny teknolojia any amin'ny toerana izay tena ilana azy ihany .

Niarahana nanoratra tamin'i Renata Avila ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.