Venezoela: Governemanta vs. Tambajotra Sosialy, mitohy ny ady.

Tamin'ny herinandro lasa, ny Filohan'ny kaomisiona Media ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Manuel Villalba, dia nanambara fa rahampitso 21 Septambra, dia hametraka fitoriana tranonkala maromaro eo anoloan'ny mpampanoa lalàna  izy (rohy: ES). Ny antony: tamin'ireo famoizan-kavana nifanesy nahazo ireo olona manodidina ny mpikambana ao amin'ny  governemanta dia maro ny olona naneho hafaliana noho ny fahafatesana tany anaty tambajotra sosialy sy resaka ifanakalozana samihafa tany. Momba io olana io dia nanambara ny mpampanoa lalàna, Gustavo Capella fa ity fanadihadiana ity dia tokony koa hahatafiditra ny twitter sy ny facebook.

Mety ho tsaroanao angamba, tsy vao voalohany izao no nisy solontenan'ny governemanta Venezoeliana milaza imasom-bahoaka ny ady ataony amin'ny tambajotra sosialy. Fa koa, andro vitsy lasa izao,  injeniera iray miasa amin'ny orinasam-panjakana mamokatra herinaratra (Corpoelec) no nosamborina satria nampangaina ho  “mandriska ny olona hankany amin'ny fankahalàna” (rohy: ES), tamin'ny fandefasana hafatra tamin'ny twitter niaraka tamin'ny sarin'ny Filoha, ahitàna azy maratra eo amin'ny tarehiny, toa maneho hoe ahoana ny fomba mety hahafaty azy. Andro maro taorian'izay, nafàhana nombàna fepetra izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.