Siria: Tal al-Molouhi, vehivavy iray 19 taona, mpitoraka blaogy, no any am-ponja efa ho herintaona maninjihinjy izao

Tal al-Molouhi

Tal al-Molouhi

Tal al-Molouhi,  , dia nosamborin'ny olon'ny Sampan-draharaham-panjakana Siriana miandraikitra ny fandriampahalemana noho izy namoaka tononkalo momba an'i Palestina tao amin'ny blaoginy.

Tal, mpianatra amin'ny ambaratonga ambony, 19 taona, dia nosamborin'ny olon'ny Sampan-draharaham-panjakana Siriana miandraikitra ny fandriampahalemana tamin'ny  27 Desambra 2009,  nogiazan-dry zareo ny solosainy. Hatramin'izao izy dia mbola voatàna tsy misy fitsarana sy tsy misy vesatra iampangana, tsy fantatra koa izay momba azy, ka mahatonga an-dreniny nanao antso ho an'ny filoha Siriana mba hamotsorana azy.

Nisy  video iray nataona mafana fo Siriana mangataka ny fanafahana azy:

Vide iray hafa koa ao amin'ny Youtube mirary Eid Sambatra ho azy na aiza no misy azy na aiza.

Maro ny no miombom-peo 

Ireo mafana fo manerana ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ny teny Arabo dia samy miantso fanohanana ho azy amin'ny alalan'ny fanaovana sonia ity , sy fandefasana mailaka ho an'ny Masoivoho Siriana any Washington, Imad Moustapha, ary efa amperin'asa ihany koa izao ilay blaogim-panentanana iray mitondra ny anarana hoe ao amin'ny Facebook group mba ho fanafahana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.