Maraoka: Mpitoraka bilaogy maharay fandrahonana ho faty

Lahatsoratr'i Hisham nivoaka tao amin'ny Advocacy ny 10  Sep 2010

Kacem dia Maraokana iray mpitoraka bilaogy sady mafana fo, nahitàna fampahafantarana toy izao tamin'ny tranonkalany, Bahmout, mivaky hoe: “tsy manaiky izay mety hambaranao aho, nefa kosa hiady ho an'ny zonao hilaza azy,” mitanisa an'i Voltaire, Filozofy Frantsay . Kacem, izay milaza fa izy dia  “mitoraka bilaogy ho amin'ny fanovàna” dia karazan'irony mpitoraka bilaogy milaza malalaka ny ao an-tsainy irony, mahatonga ny tsy finoany ny fisian'Andriamanitra ho lohahevitra ivon'ny fandranitana azy, matetika dia asa soratra mahabe adihevitra. Tany ampiandohan'ity volana ity dia  nilaza ilay mpitoraka bilaogy fa naharay fandrahonana ho faty tao amin'ny toerana fandraisany hafatra ao amin'ny Facebook. Na izany aza, tsy vao izao no voalohany naharaisan'i  Kacem hafatra fandrahonana, fa tamin'ity indray mitoraka ity ny hafatra, hoy izy, dia tena resaka tsy vazivazy. Manazava izy :

Hafatra roa no voaraiko tao amin'ny toerana fandraisako hafatra ao amin'ny Facebook, tanatin'ny hafatra voalohany, ny mpandefa dia nandrahona ny hamono ahy toy ny famonoana ondry! tao anatin'ny hafatra faharoa mitondra ny lohateny hoe ” fotoana ifanomezana” , ilay mpandefa dia niteny tamiko: “ any Elhajeb izay toerana hisy ny famonoana anao isika no mihaona!”  Elhajeb, anefa,  15 km miala ny tanàna misy ahy, no toerana akaiky indrindra falehako matetika tokoa isak'izay mihetsika  hatreto! Io dia maneho fa tena nifofotra niezaka mafy nanao izay hahitàna ny misy ahy ireo mpampihorohoro!

Kacem

Anatina video iray miaty antso fohy nampakarina tao amin'ny bilaoginy dia miteny i  Kacem fa tsy miady amin'ny Silamo izy ary manohana ny fahalalahana ara-pinoana, ka mangataka koa mba ho hajàina ny fahalalahan'ny fieritreretany.

Kacem koa dia milaza ireo tatitra naverimberiny mikasika ireo hafatra manafintohina sy fandrahonana mahazo ireo mpampiasa nefa tsy nahazoam-baliny hatramin'izao avy amin'ny Facebook izay, lazain'ilay mpitoraka bilaogy,  tokony handray ireny fitarainana ireny amin'ny fomba matotra kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.