Iran: Mpitoraka blaogy mety ho voaheloka ho ‘manangana ady amin'Andriamanitra’

Misonga ny ahiahy fa hoe i  Shiva Nazar Ahari, mafana fo iray amin'ny fiarovana zon'olombelona nofonjàna, mpitoraka blaogy, ary tonian'ny famoahana ao amin'ny tanonkalan'ny Komitin'ny Mpitatitra momba ny Zon'Olombelona  [Committee of Human Rights Reporters] ao Iran, dia mety hohelohina noho ny  resaka  moharbeh ( fananganana ady amin'Andriamanitra/fankahalàna an'Andriamanitra) amin'ny fitsarana ho avy atsy ho atsy.

Any Iran, mitondra any amin'ny fanamelohana ho faty ny toy izany.

Ny mpisolovava an'i Shiva Nazar Ahari, Mohammad Sharif, dia naneho ahiahy manodidina ny fitsarana ny olona arovany hatao atsy ho atsy noho ny fiheverany ny mety hisian'ny vesatra goavana momba ny  moharebeh amin'ny tranga mahazo azy.

Nazar Ahari dia nosamborina tamin'ny  14 Jona 2009 tao amin'ny biraony. Rehefa nahavita  102 andro tany amponja, dia navotsotra izy tamin'ny 23 Septambra 2009 rehefa nandoa onitra $200,000. Nandany 33 andro tamina toerana mitoka-monina izy nandritra ireo fotoana nitazonana azy. Nosamborina fanindroany indray izy tamin'ny  20 Desambra 2009, ary naverina amponja tsy nisy alaharo alaharo sy fanazavana avy amin'ny manampahefana momba ny antony famonjàna azy.

Ny fihodinana faharoa amin'ny fitsarana azy dia voalaza hatao amin'ny  4 Septambra 2010.

“Tsy hiala eto Iran aho”

Ao anatin'ity video fohy ity, maneho an'i  Nazar Ahari taorian'ny namotsorana azy avy tany amponja, dia niteny izy fa nanapa-kevitra ny hijanona eto Iran ihany na inon-kidona na inon-kihatra. Milaza izy fa tsapany ho ao no tena misy ilàna ny asany.

Ity sary iray misy an'i Nazar Ahari mirotsaka antsitra-po miasa ho ana fikambanana tsy miankina iray  manohana ireo ankizy eny an-dalam-be sy ireo ankizy miasa.

Arman Sabz, Iraniana iray mpitoraka blaogy dia manoratra [fa]

Raha tondroin-dry zareo ho fahavaloln'Andriamanitra izy, iza indray no hanaraka avy eo… Indray andro any dia mety hataony amintsika koa ny toy izany… Raha miandrandra  “super hero” ho avy hanova ny anjarantsika ianao, izy ireo kosa mety haka antsika na ny iray amin'ireo malalantsika hofonjàna.

Mpitoraka blaogy iray hafa, Azad Bashim, no manoratra [fa] fa tandindonin-doza Shiva, na dia tsy misy fototra aza ny fiampangana ary mahatohitra ny terisetra izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.