Mamaly ireo mafàna fo ny Facebook

Lahatsoratr'i Jillian C.York nivoaka tao amin'ny Global Voices Advocacy.

Nivoaka voalohany tao amin'ny jilliancyork.com ity lahatsoratra ity  ary manao randra-mitarika amin'ireo maro hafa mikasika ny fomba fitondràna ampiharin'ny mpandrindra ny Facebook amin'ireo mafàna fo. Ho fampahatsiahivana, amporisihana ny hamakiana ireto manaraka ireto : On Facebook Deactivations [Manodidina ny Fanakatonana Kaonty Facebook], Facebook will reinstate your content, but only if you're Sarah Palin [Haverin'ny Facebook ny votoatin-javatrao rehetra, saingy fotsiny raha i Saraha Palin ianao] , ary Facebook Deactivations: No Appeals [Fanakatonana Kaonty Facebook: Tsy misy fitarainana azo atao].

Nanoratra mikasika ny tsy fahafaliana ateraky Faceebok aho efa ho efa-bolana eo ho eo izao, araka izany, alaivo an-tsaina ny hagagàko omaly raha naharay mailaka avy amin'ny mpitantana ny Facebook ho setrin'ireo lahatsoratra navoakako tamin'ny blaogiko. Satria tsy nahazo ny fanomezan-dàlana mazava avy amin'ilay mpitantana aho mba hampiasako ny anarany na hamerenako mamoaka manontolo ny mailaka avy aminy, dia singantsingany misongadina avy amin'izay fanamarihana noraisiko ihany no havoakako ho solony.

Araka ny lahatsoratrao tena tsy ela akory izay miresaka ny fanakànana ny teny hoe ‘Palestinian’ amin'ireo pejin'nyFacebook, dia naniry tokoa aho ny hifandray manokana taminao ary manamafy aminao fa iny dia vokatry ny tsy fahatomombanana tao anatin'ny rafitra iray mibaiko tena. Io rafitra io dia natao hanamarina sy hanamafy ireo anarana manokana (Profile names) ary nisy ‘bug’ izay mbola tsy fahita hatramin'io nampiasa koa ireo fepetra ireo tamin'ny pejy. Eo an-dalam-panitsiana io ‘bug’ io izahay, raha tsy efa vita tsabo  sahady aza angamba amin'izao fotoana.

Araka ny nahamarihako azy omaly maraina, tena haingana be tokoa no nivahan'ilay olana. Tsy azoko antoka velively ary inoako fa tsy resaka “bug” izany io, indrindra raha jerena fa io dia tsy nampiharina afa-tsy tamin'ny  “Nazi,” “Palestinian,” ary “Al Qaeda,” , ravo aho fa notsaboin-dry zareo ilay izy. Nahazendana, ilay filazana indray koa fa hoe misy antony avy amin'ny rafitra mibaiko tena ilay izy. Ny tsoa-kevitra azoko alaina avy amin'ireo rehetra ireo dia ny hoe, sahala amin'izay tatitra nataona mpampiasa maro, tsy dia mendrika loatra ho an'ny pejy Facebook ny teny hoe “Palestinian” .

Fanampin'izany, takatray tsara fa ny vokatra arosonay dia loharano sarobidy ho an'ireo mafàna fo maro miaro ny zon'olombelona sy ho an'ny fiarahamonina mpisolovava amin'ny ankapobeny, ka miangavy, aza misalasala manoratra mailaka mivantana ho ahy amin'ny hoavy momba izay olana  mety mahazo ireo mafàna fo tsara sitrapo sy ireo mpikarakara hetsika.

Tena mahafaly izany. Antenaiko fa tena nosaininy tokoa izany, tsy ho toy ilay namany mpandrindra ao amin'ny Facebook  Barry Schnitt, izay namela fanamarihana iray tao amin'ny blaogin'i Rebecca MacKinnon ka nametraka fanasana sahala amin'izay koa, avy eo tsy namaly akory ireo mailaka marobe nalefan'ireo mpampiasa maro sendra ny olana.

Tsara ny hanipihana eto fa mitovy tsy misy valaka ny fomba fitondràna ataon'ireo tambajotra ara-tsosialy hafa hijerena malaky ny olan'ireo mafàna fo. Nisy tranga marobe hafa izay nifandraisan'ireo mafàna fo tamiko matetika, na olon-kafa teny an-kianja, ary ny tsirairay taminay dia samy nampiasa izay olom-pantany mba hanairana malaky olona iray ao anatin'ilay orinasa-na gazety sosialy hanitsiana ny olana. Azonay tsara anefa fa sady tsy pratika loatra no sarotra tantanina izy ity.

Tanatin'ilay mailaka, ilay mpandrindra dia nilaza ihany koa fa namaky ny blaogiko ary efa mahafantatra ny fikasako atsy ho atsy hanoratra momba ny politika mikasika ny votoaty amin'ireny tontolo ireny. Ravo aho– ny tanjoko tamin'ny fanoràtana ireny lahatsoratra ireny dia ny hisarika ny sain'ny Facebook, ary toa nandaitra tokoa ilay izy. Ny dingana manaraka, mazava loatra, dia ny fahazoana antoka fa tena nahasarika ny sain-dry zareo tokoa isika ary ny fahazoana antoka fa tsy voatohintohina ireo mafàna fo mampiasa ilay sehatra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.