Blackberry misedra tsindry any amin'ny Golfa sy India noho ny ‘code’ fanafenana [Encryption code]

Ny ’ Sampan-draharaha Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra [Telecommunications Regulation Authority (TRA)] any amin'ny Emira Arabo Mitambatra sy ny  Kaomisiona Saodiana misahana ny Teknolojian'ny Fampitam-baovao sy Fifandraisan-davitra [Communications and Information Technology Commission (CITC)]  dia nanambara, ny 1 Aogositra ho an'ny voalohany ary ny 5 Aogositra 2010 ho an'itsy faharoa, fa hosakanan'izy ireo ny tolotra sasantsasany amin'ny fampiasàna  Blackberry noho izy tsy mifanindran-dàlana amin'ny làlana ifampifehezana ao amin'ireo firenena roa ireo.

Ary raha hanapaka ny tolotra sasany miasa amin'ny BlackBerry ny Emira Arabo Mitambatra, toy ny Fifampiresahana mivantana amin'ny BlackBerry Messenger, ny fandefasana mailaka amin'ny  BlackBerry E-mail ary fijerena aterineto amin'ny BlackBerry amin'ny 11 Oktobra 2010, i Arabia Saodita kosa nanome baiko ireo orinasa telo mpivarotra tolotra amin'ny finday eo amin'ny firenena, Etihad Etisalat-Mobily, Saudi Telecom Company (STC) sy ny Zain Saudi Arabia, mba hisakana ny tolotra rehetra azo atao amin'ny  BlackBerry, isan'izany ny mailaka, ny hafatra eo noho eo, manomboka rahampitso Zoma 6 Aogositra 2010.

Ity fanakànana ity, izay araka ny nambaran'ireto firenena roa ireto, dia hitoetra foana mandra-pahatongan'ny rindrambaiko rehetra ao amin'ny Blackberry hifanaraka manontolo amin'ireo lalàna mifehy ao an-toerana, ary mety hahakasika  mpampiasa Blackberry 500,000 mahery any amin'ny Emira Arabo Mitambatra sy mpampiasa 700,000 any Arabia  Saodita.

Ny tena fototra ijoroan'ilay fandraràna dia ny fomba fikirakiràna ny zavatra rehetra mandalo amin'ny BlackBerry ary ny resaka ara-pitsarana sy filaminana noho ireo vaovao ‘crypté’ (Avy amin'ny mpandika : tsara hafina) alefa mankany amina solosaina atidoha-milina any ivelan'ireo firenena roa ireo. Hatramin'ny nandefasana ireo hafatra avy amin'ny Blackberry amina endrika tsara hafina  mandalo amina solosaina atidoha-milina any Kanada, izay tantànan'ilay mpamorona Research in Motion (RIM), dia sahirana tokoa ireo sampana mpandrindra/mpanara-mason'ireo firenena roa ao amin'ny Golfa ireo fa tsy afaka mijery intsony ny votoatin'ny fifanakalozana amin'ny finday  BlackBerry ry zareo.

Ny  Sampan-draharaha mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra nilaza fa “amin'ny endriny amin'izao fotoana, ny sasany amin'ireo tolotry ny Blackberry dia mamela ny olona hanao zavatra tsy mifanaraka amin'ny andraikiny manoloana ny lalàna, miteraka olana ara-pitsaràna, sosialy ary ho an'ny filaminan'ny firenena.

Na izany aza, araka ny fanazavàn'i Danny O'Brien, CPJ Advocacy Coordinator :

Miaraka amina fampiasam-bola hanaovana foto-drafitrasa teknika hanaraha-maso ny aterineto eo anivon'ny firenena, dia ho afaka hanaboraka ny votoatin'ny fifanakalozana atao amin'ny Blackberry i Emira Arabo Mitambatra, tsy ilany akory izay fanampian'ny RIM. Raha vao resaka fiarovana izany, fifandraisana tsara hafina, na io RIM na io mpanome tolotra ara-pifandraisan-davitra hafa dia samy tsy misy afaka ny hanampy an-dry zareo handràva ny fanafenana ka hitsikilo ny mpanao gazetiny sy ny mpamaky izay azy manokana. Tsy eo an-tànan'ny RIM velively ny fahefana manoloana ny safidin'ireo mpampiasa Net efa galy fantsy haka  izay fitaovana mifanandrify.

Raha ny filàzan'i Dr. Christopher M. Davidson, manampahaizana manokana momba ny Golfa sady mpanoratra ny  “Dubai: Ny halemen'ny fahombiazana [The Vulnerability of Success]“, ny fanakànan'ny Emira Arabo Mitambatra ny mailaka sy resaka mivantana ao amin'ny  BlackBerry dia  “voalohany indrindra ho valinkafatra amin'ny fisongan'ny politikan'ny mpanohitra“:

Fampahatsiahivana amin'ny fomba mivatravatra ny toe-tsaina tsy mendrika anànan'ny mpitondra amin'izao fotoana izany, ny fomba fanaony amin'ny sivana manitsakitsaka, sy ny fanamafisany ny fanaraha-maso ny fivezivezen'ny vaovao eo amin'ny samy olona ao anatin'ny firenena, ireo mpiasa mpila ravinahitra ao aminy, sy ireo rehetra mpifandray amin-dry zareo any amin'ny tontolo ivelany. Tsy mba toy ireo  smartphones hafa, toy ny iPhone an'ny Apple, fa tena sarotra ho an'ny olona ivelan'izay ifaneraserana ny misambotra sy manara-maso ireo votoatin-javatra ampitaina amin'ny alalan'ny BlackBerry, isan'ireny ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fiarovana ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra sy ireo lava sofina hafa koa.

Toa manamarina ity filazàna ity ny fisamborana tsy ela akory izay natao an'ireo olona maro mpampiasa BlackBerry tany amin'ny Emira Arabo Mitambatra noho ny fitorohana ho manandrana “mikarakara hetsika iray ho fanoherana ny fisondrotam-bidin'ny solika” ary nampiasàna ny hafatra ifandefasana amin'ny Blackberry:

Badr Ali Saiwad Al Dhohori, mpampiasa BBM, tanora 18 taona monina ao Ras Al Khaimah, no voalaza fa voatàna  any Abu Dhabi hatramin'ny 15 Jolay. Mora tamin'ireo manampahefana ny namantatra ilay mpikarakara, fantatra amin'ny hoe “Saud,” satria napetrany tao anatin'ny hafatra nalefany miantso fanoherana ny laharan'ny PIN an'ny  BlackBerry-ny. Notànan-dry zareo nandritry ny herinandro i Saud ary nanontaniany hoe iza avy ireo nandefasany hafatra. Voampanga ho niantso fanoherana governemanta, ary voaroaka tamin'ny asany izy. Raha kely indrindra dia dimy ireo mpikambana ao amin'ilay vondrona no voalaza fa voatazona na mbola karohan'ny polisy.

Mandritra ny fotoana rehetra, mitombo hatrany ireo tsindry ataon’ ireo manampahefana avy amin'ny governemanta manerantany amin'ny mpamorona ny Blackberry, ilay Kanadiana Research In Motion, mba hahazoana miditra amin'ireo tahirin'ny Blackberry. Anatin'ny ezaka ho fisorohana ny fanakànana tsotra izao fotsiny any India, tsy ela akory izay dia nanaiky ny RIM hamela  ny masoivoho indiana misahana ny fiarovana ho afaka mijery ny tolotra  BlackBerry any aminy:

Ilay kaompania dia nanaiky hizara amin'ireo masoivoho misahana fiarovana ireo ‘codes’ teknikany mikasika ny mailaka avy amina orinasa, ny fidiran'ireo mpampiasa mailaka rehetra ao anatin'ny 15 andro ary koa hanamboatra rindrambaiko, ato anatin'ny 6 hatramin'ny 8 volana, hahafahana manara-maso ireo resaka mivantana (chats)

Any Kaoety, avy amin'ny fangatahan'ny ministeran'ny serasera Kaoetiana, ny RIM dia  voalaza fa nanaiky hanàkana tranonkala vetaveta miisa  3000 hatramin'ny faran'ny taona, ary miara-miasa amin'i Kaoety amin'ny “fanaraha-maso araka ny lalàna afaka hiantohana ny filaminam-pirenena amin'ny lafiny iray, ary ny zon'ny tsirairay amin'ny lafiny ilàny…mampiasa ny tolotr'io fitaovana io mahakasika  ny hafa.”

Any Bahrain, ireo vondrona ifampiresahana mivantana (chat groups) be mpampiasa indrindra dia voasakana nanomboka tamin'ny Aprily 2010 noho ny  “fikorontanana  sy fisavoritahan-tsaina” mety hateraky ny fizaràna sy fanelezana ny vaovao avy eo an-toerana amin'ny alàlan'ireny vondrona ireny.

Raha iverenana ny tany amin'ny taona  2007, ny  RIM dia  voalaza fa nanome ny lakilen'ny fanafenana hafatra ho an'ny Russian Mobile TeleSystems (MTS) “izay, ho tambiny, nanome azy kosa ny fahafahana miditra amin'ny  Federal Security Service (FSB)“.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.