Sina: Uighur mpitoraka blaogy voaheloka hifonja 15 taona an-tranomaizina

Lahatsoratra nosoratan'i Oiwan Lam nivoaka tao amin'ny Advocacy

Araka ny voalazan'ny uighurbiz.net, ilay Uighur mpanao gazety mpanadihady sady mpitoraka blaogy, Gheyret Niyaz(海來特.尼亞孜) dia voaheloka higadra  15 taona an-tranomaizina tamin'ny  23 Jolay teo noho izy voapanga ho  “manohintohina ny filaminana anatin'ny firenena” tao Urumqi, Xinjiang. Ny tena fototry ny fanenjehana azy dia ny resadresaka nifanaovany tamin'ireo mpampahalala vaovao vahiny mikasika ny korontana  Xinjiang 7.5 tamin'ny taona lasa. Voasambotra izy ary notànana am-ponja nanomboka ny 1 Oktobra 2009.

Gheyret Niyaz dia nanitrikitrika ny maha-tsy manantsiny azy sy ny hoe tamin'ny maha-olom-pirenena tsotra sy mpanao gazety mpanadihady azy no niresahany tamin'ireo mpampita vaovao vahiny ireo fa tsy nisy eritreritra ratsy velively. Hampàkatra fitsarana ambony izy.

han4

Tamin'ny Jolay 2009, nilaza tamin'ilay mpanao gazety mpanadihady avy amin'ny  Asia Weekly na Ya Zhou Zhou Kan izy fa nanao antso avo tamin'ny governemanta ao  Xinjiang mba handray fepetra mikasika ny korontana  7.5. Toy izao ny soso-keviny tamin'izany fotoana:

1. Ny governora, Nur Bekri, dia tokony hiteny ampahibemaso mba hampitony ny vahoaka, alohan'ny mitataovovonan'ny 5 Jolay.

2. Tokony hanainga ireo trano fivarotana ao Han hanakatom-baravarana amin'io andro io ny governemanta.

3. tokony handefa mpitandro filaminana sy tafika hifehy ny faritra ao  Uighur.

Navoitrany ihany koa fa ny korontana dia mifandray amin'ny fampidirana politika roa – fampiasàna tenim-pirenena roa ho enti-mampianatra sy ny fanondrànana ireo mpiasa Uighur ho any atsimon'i Sina. Ary ny fikambanana ao ambadik'ity raharaha ity dia ny  Hizb ut-Tahrir, fikambanana iraisam-pirenen'ireo Ismalista.

Tanatinà resadresaka iray niarahana tamin'ny Deutsche Welle, Ilham Tohti, Uighur iray manampahaizana malaza sady webmaster ao amin'ny Uighurbiz.net, dia nanabaribary fa  Gheyret Niyaz dia mpikambana ao amin'ny  CCP  ary ny toerana misy azy ao amin'ny Xinjiang Economic Daily dia mitovy laharana amin'ny Lehibena Departmenta iray. Samy nokianiny na i  Rabiye Qadir, Filohan'ny Kongresy Iraisam-pirenena  Uyghur Congress na i Wang Lequan, lehiben'antokon'ny Xinjiang tao anatin'ny lahatsorany.

Na dia mpitantana tranonkala ao Uighurbiz aza izy, tsy dia fanta-bahoaka loatra ao  Uighur – be ny mihevitra fa mitongilana loatra mankamin'ny Han ny fomba fijeriny. Ilham mihevitra fa ny fanamelohana henjana hafa rehetra dia hampitombo ho mafimafy kokoa ny fihenjanan'ny fifandraisana eo amin'ny  Han sy ny Uighur.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.