Jordania: Mpianatra Jordaniana iray voaheloka higadra an-tranomaizina roa taona noho ny IM

Araka ny voalazan'ny Next Web – Middle East, manonona ny vohikala Ammannet, dia voasambotra ny mpianatra Jordaniana iray miofana momba ny solosaina, mitondra ny anarana hoe Imad Al-Ash, nanomboka ny volana Febroary 2010, ary nosazian'ny fitsarana mpiaro ny fiandrianam-pirenena ny 13 Jolay 2010 teo ho tazonina an-tranomaizina mandritry ny roa taona noho ny fiampangana azy ho naniratsira ny mpanjaka tamin'ny fandefasana IM (Hafatra Mailaka) tamin'ny namany:

Ny mailaka voalaza ho nalefan'i Al-Ash dia nahitàna teny izay “naniratsira ireo ambaratonga avo amin'ny fitondrana” (nadika avy amin'ny teny Arabo) fantatry ny hafa amin'ny anarana hoe Mpanjaka Abdullah any Jordana. Anisan'ireo anton'ny fiampangana azy ihany koa ny filazàna fa nandray anjara tamina forums amin'ny aterineto nanehoany ‘hevitra mampisavoritaka mikasika ny ara-pinoana ’ , izay tsy nisy nananàn'ny fitsarana porofo, raha ny nambaran'ny mpisolovava azy.

Araka ny fanambarana nalefan'ny rainy tao amin'ny Ammannet, dia nampijaliana ity mpianatra ity nandritra ireo dimy volana nanaovan'ny Sampandraharahan'ny Fiarovana ny famotorana azy ary noterena hiaiky ireo heloka tsy nataony akory.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.