China: Fanentanana ny mba hampiasàna ny tena anarana eo anivon'ny aterineto

Ho an'ny maro amin'ny mafana fo amin'ny fampielezam-baovao, ny fametrahana ny tena anarana eo anivon'ny aterineto dia fanitsakitsahana ny fiainana manokana, kanefa, ao  China, misy sasantsasany amin'ireo olon-tsotra mafana fo no manentana ny hametrahana ny tena anaran'ny tena amin'izay rehetra atao eo anivon'ny aterineto mba hioharana ny tahotra.

Tamin'ny volana Marsa lasa iny, Zhan Lifan mponina iray amin'ny aterineto  dia nanoratra lahatsoratra iray, “ Fibabohan'ny mpiondana aterineto iray mihanjahanja” ho fiarovana ny filazana ny fahamarinana amin'ny fampiasana ny tena anarana.

Io Alahady io (13 Jona), Ai Weiwei dia nandefa fanentanana iray amin'ny hampiasana ny tena anarana amin'ny Twitter. Ninoany fa ny fisehoana masoandro amin'ny tena anarana no dingana voalohany ho ody tahotra (via voa):

“这是必要的一步。当然你不走这一步,你可以永远地匿名。但我认为一个人如果只指责当局,只指责政府是不够的。每个人的回避,每个人的掩盖,和这种怯懦, 才造成极权的傲慢。我们都需要公开地谈话,透明地执政,透明地来谈话。如果我们不鼓励这些东西,仅仅生活在某种恐惧,而且很多时候我认为这种恐惧被夸张, 那么这将是无济于事的。”

Dingana iray ilaina io. Mazava loatra fa afaka mijanona tsy mitonona anarana mandritry ny fiainanao manontolo ianao. Kanefa, tsy ampy ny fitsikerana fotsiny ny governemanta.  Ny fiezahantsika manafina foana ny maha isika antsika sy ny tahotra ananantsika noho izay nambarantsika dia vao maika manome hery ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Mila miteny imasom-bahoaka amin'ny fomba mangarahara isika sy mangataka ny governemanta mba hanao toy izany koa. Raha tsy manana herimpo hanao izany isika ka manohy miaina anaty tahotra, ho tafahoatra izany tahotra izany ary ty hisy zavatra ho azontsika ovàna.

“当局怎么可能抓每一个人呢?这是不可能的嘛。如果说每个人都公开说出自己的观点,怎么可能(都抓)呢? 我觉得当局不是铁板一块吧。我觉得任何人,当他看到大多数人都有这个意图的时候,他也会尊重民意一些。”

Sarotra ho an'ny manampahefana ny hisambotra antsika rehetra. Ho sarotra fotsiny rehefa ny tsirairay no afaka hidradradradra ny fahatsapany ho ren-tany ho ren-danitra. Tsy vita tamin'ny vy be tsy azo ahontsona akory ny manampahefana, rehefa tsapan'izy ireo fa manao zavatra mitovy amin'ny faharesen-dahatra mitovy ny olon-drehetra, tsy maintsy hanaja ny fomba fijerin'ny vahoka ry zareo.

Tsy nisy iray andro akory, anjatony ireo Sinoa mpampiasa aterineto nirotsaka tamin'ilay ezaka ary namoaka ny tena anaran'izy ireo.

Ilay mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona, Pu Zhiqiang, dia nanasongadina fa raha mampiasa ny tena maha izy azy ny olona, hanohana azy ireo bebe kokoa ny vahoaka (via voa).

“你不用真名,谁都不知道你,但是政府想知道你的时候还是一下子就能知道你,你防备不了公安的网监。它会找到你。更重要的是,你因为不用真名,你不太容易得到民众或者网友的关注和支持,因为大家不知道你是谁。”

Raha tsy mampiasa ny tena anaranao ianao, tsy misy hahalala hoe iza ianao nefa ny governemanta afaka mahafantatra ny mombamomba anao toy ny singana mofomamy iray. Tsy misy fomba mihitsy hahafahanao midify ny fanarahamason'ny mpitandro filaminana sy ny polisin'ny aterineto. Fanampin'izany, raha tsy mampiasa ny tena anarana, sarotra ho anao ny hisarika ny sain'ny olona, ny olona te-hahalala hoe iza marina ianao.
Lahatsoratr'i Oiwan Lam nivoaka tao amin'ny Global Voices Advocacy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.