Sina: Mpi-tweet maromaro nanjavona talohan'ny 4 Jona

Sinoa mpi-tweet maromaro no voasambotra sy voatana amponja hatramin'ny fiandohan'ny  Jona tany – volana iray saro-pady noho ny fitsingerenan'ny datin'ny 4 Jona.

Araka  ny voalazan'i @tengbiao, mafana fo iray mpiaro ny zon'olombelona mipetraka any Beijing, dia enina raha kely indrindra ny mpi-tweet voasambotra hatramin'ny 1 Jona 2010.  Dia ry @suyutong, @jason5ng32, @wangyi09, @yanglicai, @wuyuren, @nwz8964  sy @gonewater

@suyutong, mpirotsaka antsitrapo iray avy amina ONG ao  Beijing, izy dia nosamborina tao  Tiananmen tamin'ny 10 ora maraina ny 4 Jona noho izy nitazona fehezan-draozy fotsy. Notanana nandritry ny ora vitsy tany amin'ny biraon'ny polisy izy. (loharanom-baovao CRD)

@jason5ng32, mpitoraka blaogy iray isan'ny be mpanaraka, nanangana ny tranonkala Kenengba. Nisy nisovoka ny kaonty tweeter fampiasany ny 3 Jona ary novaina ho @userhyq. Araka ny tweets marobe, dia natosika niditra tanaty fiarana polisy iray izy ary nanjavona nandritry ny ora roa teo ho eo  tamin'ny 4 Jona. Ny vadiny @maoz niteny fa hoe salama tsara i Jason saingy tsy maintsy mipirimpirina kely mandra-paha… Ny fanomezam-baovao farany avy amin'i @mranti halina dia hoe efa nody an-trano i Jason saingy mila mitoetra irery mandritry ny andro vitsivitsy.

@wangyi09 tsy nampiasa tweet intsony efa hatramin'ny 31 May. Araka ny nambaran'i @mynamexu, naterina any Henan narahana mpiabina izy.

@nwz8964 dia gadra politika fahiny. Nosamborina izy tamin'ny 2009 ary nohelohina herintaona hanao asa fanarenana noho ny zavatra nosoratany momba ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny 4 Jona tany anaty forum aterineto. Tsy nanome fanampim-baovao tamin'ny tweet-ny intsony izy hatramin'ny 31 May.

@yanglicai dia mpitoraka blaogy  sady olon-tsotra mpanadihady. Tsy nanome fanampim-baovao tamin'ny tweet-ny intsony izy hatramin'ny 3 Jona ary raha ny nambaran'ny fanampim-baovao avy amin'i @xiuchangguato, dia nosamborina izy ary navotsotra ny  11 Jona.

@wuyuren, mpanakanto iray mafana fo ary nandray anjara tamin'ny hetsika fanehoan-kery nataon'ny mpanakanto hanoherana ny famotehana ny tananan'ny artista tao Beijing tamin'ny Febroary tamin'ity taona ity, no tsy nandefa nampiasa ny tweet-ny intsony hatramin'ny 30 May. Tsy misy intsony fanampim-baovao mombamomba azy.

@gonewater dia nosamborina ny alin'ny 3 Jona. Raha araka izay ambaran'i  @mranti dia nentin'ny polisy ny solosainy, dika mitovin'ny fitanana an-tsoratr'i Li Peng ary t-shirt iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.