Madagasikara: Ny feon'ny tanora iray mpitoraka blaogy sady mpandika teny

Nandritra ny Vovonana Iraisam-pirenen'ny Gloval Voices 2010 tany Chile, nisy tovovavy iray avy any Madagasikara nanontany ahy raha tena avy any Japana tokoa aho, firenena izay tena ankafiziny tokoa na ny tenim-pirenena, ny kolontsaina, ary indrindra ny “sushi”. Gaga aho raha nahita fa mbola mahay miteny Japoney tsara lavitra noho izaho izy na dia efa roa taona aza aho no nipetraka tany Japana.

Izy no Radifera Felana Candy, mpandika tenin'ny Global Voices Lingua Malagasy. Vao 15 taona monja, Candy angamba no mpikambana tanora indrindra ao amin'ny ekipan'ny Global Voices. Tsy ny fahaizany tenim-pirenena ihany no nihatsara noho ny fandraisany anjara amin'ny Global Voices, fa nahafahany nanaparitaka ny tenim-pireneny koa izany, dia ny Malagasy. Candy, izay mpianatra any amin'ny lisea amin'izao fotoana izao, dia te-hahalala bebe kokoa momba ny “infographie” any amin'ny fianarana ambony ary manantena izy ny ho afaka hampiasa ny blaoginy ho fitaovana amin'ny fifanakalozana ara-sosialy. Mendri-piderana izany fanetsiketsehana amin'ny alalan'ny fitoraham-blaogy izany.

Candy miaraka amin'ny rainy, Maminirina Radifera Ranaivoson (ankavia); Leonard Chien, Talen'ny Global Voices Lingua; ary ny “archeveque” John Baptist Odama avy any Ouganda, iray tamin'ireo nandresy tamin'ny fifaninana Breaking Borders

Nanadihady an'i Candy tamin'ny mailaka aho ny mombamomba ny fiainany manokana sy ny fitoraham-blaogy ataony:

1. Lazalazao anay ny momba anao:

Izaho no RADIFERA Felana Candy, 15 taona, ary teraka tany Madagascar. Taona faharoa (classe de première) any amin'ny lisea aho izao. Nianatra teny Japoney aho nandritra ny taona voalohany (classe de seconde) saingy tamin'izany fotoana izany dia naka lesona tetsy sy teroa tamin'ny aterineto fotsiny aho. Herintaona taty aoriana aho vao nanapa-kevitra ny hianatra any an-dakilasy.

2. Hafiriana izao ianao no nitoraka blaogy? Nahoana?

Tamin'ny alalan'ny tetikasa “Foko Madagascar” no nahalalako ny momba ny fitorahana blaogy. Nandray anjara tamin'ny fampiofanana fitoraham-blaogy nokarakarain-dry zareo aho. Nanomboka tamin'ny taona 2007 aho no niblaogy, saingy tamin'izany fotoana izany aho mbola tsy dia navitrika loatra. Tsy nanana aterineto aho tany an-trano ary tsy dia hitako loatra izay hosoratana. Nanomboka niblaogy aho satria efa hatramin'ny mbola kely no tia nanoratsoratra tantara.

3. Karazam-blaogy inona no nosoratanao voalohany?

Nanoratra momba ny fiainana andavanandro aho, momba ireo zavatra nanaitra ahy, nahaliana ahy, na nahatezitra ahy.

4. Misokatra amin'ny fivoarana ara-teknolojia ve ny ankohonanao? Mankasitraka ny fahavitrihanao amin'ny aterineto ve izy ireo?

Eny, satria ireo raiamandreniko dia samy miasa amin'ny solosaina avokoa, indrindra ny raiko izay tena mankafy ny fakàna sary. Mpitoraka blaogy mavitrika ihany koa izy. Rehefa tsy miresaka momba ny politika aho dia tsy maninona, satria aty Madagasikara, indrindra mandritra ny fotoanan'ny krizy, lohahevitra saro-pady ny politika.

5. Inona no tena tianao amin'ny fitorahana blaogy?

Ny fitorahana  blaogy dia ahafahako mizara ny hevitro amin'ny hafa, mampahafantatra azy ireo izay mitranga amin'ny fiainako sy ny fiaraha-moniko. Mavesa-danja amiko izany fahafahako mizara ny momba ahy amin'ny hafa izany, sy ny fifaneraserana amn'ireo mpamaky. Anisan'ny làlana ahafahana mifandray amin'ny hafa izany. Fa ankoatry ny fanoratana, tiako koa ny mamorona ny “bannière”-n'ny blaogiko, tiako ny mamoaka sary, na dia tsy mbola mahay loatra aza aho.

6. Ahoana no fahitànao ny fitorahana blaogy any Madagasikara?

Tena voafetra ny fahafahana mitoraka blaogy any Madagasikara satria 1 na 2 isan-jaton'ny mponina ihany no manana aterineto noho ny vidiny. Fa fantatro fa maro ireo olona te-hitoraka blaogy. Raha afaka hatsaraintsika ny fahafahana miditra amin'ny aterineto, mino aho fa afaka mandray anjara amin'ny fanovàna/fanatsaràna ny fomba fiainan'ny Malagasy ny fitorahana blaogy.

7. Inona no antenainao amin'ny fitorahana blaogy ho an'ny tenanao sy ny fiaraha-moninao?

Manantena aho fa afaka ny hisarika olona maromaro kokoa hitoraka blaogy, na mety afaka hanova ny fomba fijerin'ny sasany aho amin'ny fizaràko ny fomba fijeriko, indrindra momba ny fitorahana blaogy. Tadidiko indray andro raha niresaka tamin'ireo namako sasantsasany aho momba ny fitorahana blaogy, dia niteny tamiko izy ireo fa fandaniam-potoana izany.

8. Mpandika teny ho an'ny Global Voices Lingua Malagasy ianao. Manao ahoana ny fitiavanao ny andraikitrao eo anivon'ny GV amin'izao fotoana izao?

GV dia fiaraha-monina lehibe, vohikala goavana, ary mahàlana ny vohikala toy izany no adika amin'ny teny Malagasy. tena tsy mbola malaza eran-tany ny teny Malagasy, ka voninahitra ho ahy ny mandika ireo lahatsoratry ny GV amin'ny tenim-pireneko. Fomba ahafahako manatsara ny fitenenako teny Anglisy sy Malagasy koa izany. Ary ankehitriny rehefa avy nanatrika ny Vovonana Iraisam-pirenena aho dia mahatsapa ho mavitrika kokoa handika teny. Tiako ny manao izany. Nanjary zava-dehibe eo amin'ny fiainako ny GV, ary reharehako ny maha-mpikambana ahy ao amin'ny fiaraha-monin'ny GV.

9. Ahoana no fieritreretanao ny hoavinao?

Aorian'ny lisea dia mieritreritra ny hianatra informatika aho, na infografia. Manantena koa aho fa handray anjara bebe kokoa amin'ny GV.

10. Inona no hafatrao ho an'ireo tanora hafa mpampiasa aterineto?

Misokafa bebe kokoa amin'izao tontolo izao. Ny fitorahana blaogy dia fomba tsotra hizarànao ny hevitrao. Tsy fandaniam-potoana mihitsy izany, indrindra raha manoratra zava-mahaliana sy tena ilaina ianao. Amin'ny alalan'ny fitoraham-blaogy, mety afaka hahita mpitoraka blaogy hafa isika, izay mihombon-kevitra amintsika, sy mahatakatra ary afaka manampy antsika amin'ny fiainana. Raha nandray anjara tamin'ny fiofanana mitoraka blaogy voalohany nokarakarain'ny Foko aho dia nanontany azy ireo hoe inona no mety hosoratako amin'ny blaogiko. Iray tamin'ny valiny ny hoe afaka ampiasainao toy ny diary ny blaogy. Marina izany nefa mitandrema ihany tsy hizara zavatra saro-pady “intime” ao amin'ny blaoginao, satria afaka ahodin'ny sasany iny hanoherana anao (na “hamelezana” anao)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.