Kirzistan: Taorian'ny fihetseham-bahoaka tany

Tamin'ny herinandro lasa teo dia nifantoka tanteraka tamin'ny tranga politika tany amin'ity repoblika any Azia Afovoany ity ny bilaogy Kirzistana. Manerana ny firenena manontolo dia nisy ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin'ny fifandonana teo amin'ny fitondrana sy ny mpanohitra nitranga ny 7 sy 8 aprily lasa teo.

Sergei Vysotsky, ilay loharanom-baovao tsy mety sasatra ao amin'ny faritra Issyl Koul afovoan'ny firenena, no nilaza fa misy fanangonana vola atao ao amin'ny sekoly n°6 Tchekov any Karakol. Ireo vola ireo dia natao hanampiana ireo fianakaviana enina nanana zokiolona maty nandritra ny savorovoro[ru]:

“Tena tsotra sady marina ny alahelonay, tena miara-miory amin'ireo fianakaviana niharam-pahoriana izahay”, hoy ny talen'ny sekoly, Raïssa Karimova, tamin'ny mpitoraka bilaogy sy ilay mpanao gazety Vyssotsky. “Ny ekipanay no nanapan-kevitra handrotsaka ny karama indray andron'ny tsirairay ao amin'ny vola angonina hanampiana ireo zaza kamboty tsy fidiny”, hoy izy nanohy” . “Angamba tahaka ny rano indray mitete anatin'ny ranomasimbe ny fanampiana ataonay, kanefa raha tsy misy izany rano indray mitete izany dia tsy hisy ranomasina”

Efa tafakatra 7 000 soms (160 dôlara) ny vola voaangona.

Mpikirakira hafa, manana fahatokiana no mamehy ny fihetseham-po nanaraka iny fanoherana iny ao amin'ny soratra fohy kanefa manan-danja[ru]:

“Betsaka ny zavatra tiako horesahana mikasika ny zava-niseho teto amin'ny fireneko. kanefa tsy mety ho tonga fehezanteny ireo teny tiako ambara: korontana, hetsika, fandrobana, vono olona, fihantsiana, valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, fanasohasoana, lainga, fitiavan-tanindrazana, ra, hery setra, ranomaso, hamamoana, fitsitokotokoana, fiarovana, hikiakam-bahoaka, sary, tanàna, tahotra, tifitra, vola, miaramila, saina, orana, twitter, sisin-tany, alina, tsy fahatokisana, fanantenana …”

Ny fanantenana mazava ho azy no tena lehibe, na dia miezaka miverina amin'ny fiainana andavanandro aza ireo mpitoraka bilaogy eo ambany fitondran'ny governemanta vonjy maika vao napetraka hitondra ny firenena.

Mbola manankiana ny fiainana politika any Kirzistan kosa anefa ny mpitoraka bilaogy sasany. Theseabiscuit no manameloka ny governemanta vonjy maika ho niray tsikombakomba tamin'ny korontana sy ny fandrobana izay niteraka tsy filaminana tany Kirzistan [ru]:

“tsy ny vahoaka mihitsy no omena tsiny tamin'ireny zav-niseho ireny”, araka ny fijerin'ny Theseabiscuit. “Amin'ny lafiny rehetra dia ny lehibe foana no kitro ifaharan'ny fanoherana. alohan'ny hiovan'ireo lehibe, na amin'ny endrika izany na amin'ny fangarony, dia tsy hisy na inona na inona hande eto.”

Ao amin'ny soratra mitondra ny lohanteny hoe “Marary ny atiko ho an'i Kirzistan tanindrazako”, Adilets no mamerina ny niandohan'ny fitondran'i Biekev teo antenantenan'ny taona 2009, ary milaza ny “fahatokisana goavana” taorian'iny fotoana iny. Adilets afa-po tamin'ny fanesorana ny haba 60 tiyin amin'ny saram-piantsoana finday, marika tsy tian'ny olona tamin'ny fitondran'ny filoha teo aloha.

Ny bilaogy miteny anglisy Thespektator no nanoratra ny fifandraisana hafahafa teo amin'i Biekev sy ny tarika mpanao baolina kitra anglisy Blackpool FC, ary aidea kosa mananihany ny amin'ny maharatsy ny zava-misy, ary mindrana ilay ohabolana sovietika mamaritra ny fanoherana ho toy ny fahazarana iainanana ao amin'ny firenena:

“Ny olona rehetra Kirzizy”, hoy ity mpitoraka bilaogy manoratra, “dia tsy maintsy, ao anatin'ny fiainany, manangana trano, mamboly hazo, mamelon-janaka ary miditra ao amin'ny Maison Blanche.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.