Soudan: web ampiasaina hampadio fifidianana, fahamarinana ary ny demokrasia

Eo am-piandrasana ny vokatra farany tamin'ny fifidianana manan-tantara tany Soudan isika dia andeha hojerena ny fandaminana sy ireo hetsika hita any amin'ny web nampanjakana ny fahamarinana, ny fahafahana sy ny demokrasia any Soudan.

Sudan Sham Elections 2010 no tambajotra anankiray manohana ny fandriam-pahalemana maharitra any Soudan.

Hoy ity tambajotra ity, “tsy ho mpitondra ara-dalana na oviana na oviana ny mpamono olona an'ady, tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'olona an-tapitrisany”:

Teratany manara-dalàna avy amin'ny fanjakana 50 mandrafitra an'i Etazonia manodidina an'i DC izahay, no mijoro miaraka amin'ny vahoaka Soudanais — nailikilika, noverezin-jo, nohararaotina — mitady ny marina sy ny rariny. tsy ho mpitondra ara-dalana na oviana na oviana ny mpamono olona an'ady, tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'olona an-tapitrisany.

Indro ny takelaka twitter an'i Sudan Sham Election 2010.

Niditra dingana vaovao tamin'ny fampielezan-keviny antsoina hoe i On Sudan i Sudan Sham Elections 2010 :

Sehatra manangona sy mampiely ny loharanom-baovao samihafa ny iOnSudan, anisan'izany ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny, ireo mpanao gazety fantatr'i I On Sudan, ary ireo mpampiely vaovao fanta-daza. Tsy afa-mmanamarina ny maha-azo antoka sy mahamarina ny vaovao tsirairay ny I On Sudan . Ny tombondahiny lehibe ho an'ity sehatra ity dia ireo sary maro mandrakotra azy izay voangona tamin'ireo fitrandraham-baovao azo hatramin'izay. Satria mitombo sy mivelatra ny I On Sudan, noho ny fahamatoram-pihavanana eo amin'ny mpanao gazety, mpisolo vava, ary ny mpiara-miasa iray manontolo dia miha-azo antoka kokoa ny vaovao.

i On Sudan dia manome vaovao mikasika ny herisetra, fanararaotana ary ny zavatra maro samihafa amin'ireo fikambanana [mpiaro ny zon'olombelona] any Etazonia sy manerana ny tany.

Afaka ho mpitati-baovaon'i I On Sudan avokoa izay Soudanais rehetra monina any an-toerana:

- Mipetraka any Soudan ve ianao?
– Mpifandray tsy tapaka amin'ny Soudanais ve ianao?
– Fikambanana avy amin'nyfiaraha-monim-pirenena miorina any Soudan ve ianao?
– Mpikambana amin'ny ONG iraisam-pirenena ve ianao?

iOnSudan dia miankina amin'ny tatitra ataon'ireo manana vaovao mari-pototra mikasika an'i Soudan. Avy amin'ny alalan'ny tatitra avy aminao na ny fikambanana misy anao no hanampianao amin'ny fanentanana an'izao tontolo izao hijery ny zava-misy any Soudan. Manampy amin'ny fampiakarana ny feo sy mahamafy orina ny fisoloana vava hampivaingana ny asa ianao.

i On Sudan dia mampiasa Ushahidi hahafahan'ny olom-pirenena mandefa vaovao mikasika ny fifidianana. Sudan VoteMonitor koa dia manangom-baovao amin'ny alalan'ny SMS sy ny seramailaka ary maneho izany amin'ny sary.

i On Sudan koa dia ao amin'ny Twitter sy Facebook.

Save Darfur (Vonjeo Darfour) dia fivoriana nampiakatra ny fanentanana ary nilaza ny marina momba ireo mponina any Darfour. Manana Save Darfur has pejy fifidianana sy bilaogy koa ny Save Darfur.

Robert Lawrence manangom-baovao mikasika ny fifidianana ao amin'ny bilaogy:

Tato anatin'ny 5 andron'ny fifidianana tany Soudan dia maro ireo vaovao voaray manerana ny firenena mahakasika ny olana ara-teknika, ny tsy fanarahan-dalàna, ary tao koa ny hery setra sy ny fanalam-baraka.

Mibahana ao anatin'ireny vaovao ireny ny filazana fa mpikambana 9 ao amin'ny antokon'ny filoha Omar Al Bashir, NCP : National Congress Party, no nisy namono tany atsimon'i Soudan 3 andro lasa izay. Manondro ny SPLA (Sudan People's Liberation Army) ho tompokeloka tamin'izany famonoana izany ny NCP – kanefa mandà izany ireo mpitarika ao amin'ny SPLA ary manambara fa aferan'izy samy izy izany, vono olona nataon'ny miaramilany ihany angamba. Any amin'ny vaovao hafa indray no milaza any amin'ny vohikalany i Girifna fa mpanao gazety 2 no voatazona any Karthoum omaly. Miantso ny fanjakana Soudanais ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety hanaisotra ny fanenjehana hatao amin'ny mpanao gazety sy ilay mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra Al-Haj Ali Warrag. Manondro ity mpanohitra ity ho “miady amin'ny fanjakana” ny tompon'andraikitra raha ny lahatsoratra navoaka ny 6 aprily teo no jerena .

Indro zavatra hafa koa mbola nangonin'i Robert Lawrence ihany 3 andron'ny fifidianana:

Hafa noho ny niseho tamin'ny 2 andro efa lasa izay ity andro fahatelo ity. Araka ny efa nambara omaly, nitarin'ny NEC 2 andro ny fifidianana raha tokony ho nifarana amin'ny alakamisy 15 aprily ny fanadihadihana. Vaovao maro mikasika ny tsy fetezana goavana amin'ny fizotran'ny fifidianana no voaray, hita izany indrindra amin'ny lisitry ny mpifidy, izay ahitana mpifidy marobe manana olana amin'ny fitadiavana ny biraom-pifidianana araka ny voasoratra ao amin'ny rejistra. Voamarina izany any amin'ny faritra atsimon'i Soudan satria misy ireo birao fandatsaham-bato tsy nahitana afa-tsy 10% ny mpifidy ihany. Araka ny vaovao nampitain'ny mpanao gazetin'ny Reuters, dia nahitana birao fandatsaham-bato iray tany atsimon'i Torit izay misy mpifidy voasoratra anarana 1 323 kanefa 29 (2%) monja no tonga nanefa ny adidiny tamin'ny voalohany.

Milaza ireo mpiatrika amin'ny antoko mpanohitra toa an'i Sadiq al-Mahdi ao amin'ny antoko Umma fa “zava-doza ” izao miseho izao, ary mametraka fa ity fifidianana ity dia ohatry ny fotoam-pandevenana. Ao amin'ity soratra ity ihany, Yasir Arman, izay niala tao amin'ny antokon'ny filoha ka nifindra ao amin'ny SPLM no miantso amin'ny fandevonana ny NEC satria manao “fahadisoana goavana”.

Sudan365 dia fikambanana naorina tamin'ny 9 janoary 2010. Fikambanan'ny avaram-pianarana any Soudan izy ity. naorina 365 andro hatramin'ny nisian'ny fitsapan-kevi-bahoaka hamaritana ny ho avin'i Soudan atsimo.

Sudan365 niresadresaka tamin'i Alsarah, mpihira teraka tany Soudan, mpamoron-kira sady mpanao mozika ho an'ny vahoaka. Namorona hira mikasika ny fifidianana any Soudan i Alsarah.

Afaka miaraka aminay ao amin'ny Facebook ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.