Rosia: Fipoahana volokano niteraka fifanampiana sy hanihany

Roa andro izay dia naneho ny heriny Ramatoa Natiora tamin'ny alalan'ny fipoahan'ny volokano tany Islande nomena anarana tsy fantatra hoe “Eyjafjallajökull” ary nameno setroka be ny lanitry Eoropa. Arakaraky ny hikisahan'ny rahona miantsinanana dia seranam-piaramanidina maro no mikatona, mitarika any amin'ny fitotonganan'ny zotra rehetra manerana an'i Eoropa. Ny mpitoraka bilaogy rosiana – voakasik'ity loza voajanahary ity koa – no maneho hevitra samy hafa: manadrohadro, mizara vaovao, maneho fahasamihafana, ary manolo-tanana hifanampy.

Ny resaka tena mafana dia ny tao amin'ny Livejournal ru_travel (eo ho eo amin'ny mpamaky 30,000 eo). Voatery nametraka tag manokana hoe “volcano” ny tompon'andraikitra hanamorana ny fidirana an-tserasera mailaka mikasika ity volokano ity. Mifanampy ny mpitoraka bilaogy amin'ny fanomezana ny zon'ny mpandeha, ny fomba fanaon'ny zotram-piaramanidina, ny trano fandraisam-bahiny sy ireo lalana an-tanety.

Mpitoraka bilaogy manokana no manolotra fanampiana amin'ny fizarana vaovao fotsiny. Lacrizza manolo-tanana [RUS] haka olona vitsivitsy eny amin'ny seranana Sheremetyevo any Moscou ary manome azy ireo vahaolana vonjy maika.  Nata_vasilisa manao toy izany koa any Krakow, Poland [RUS]:

Если у вас кто-то застрял в Кракове в связи с вулканом, и негде переждать облако – я могу приютить.

Raha misy aminareo mikatso ao Cravocie vokatry ny volokano ary tsy mahita toerana aleha dia afaka mampiantrano aho.

Tafiditra ao anatin'ny resaka koa ny filokana. Lj-user asy nanolotra [RUS] folokana ny amin'ny daty hifaranan'ny fanafoanana ny sidina any Eoropa. Indro ny tena niavaka tamin'izany:

так как наш рейс на завтра с вероятностью 99,999% отменят, то сделаю ставку, что именно полное снятие ограничений будет в районе 3-4 мая. Правда к тому времени большинство а/к обанкротятся в виду возвратов денег за полеты 🙂

Satria mety ho foana ny sidina amin'ny 99% ny vintana, dia hataoko ny filokana fa ho foana tanteraka ny fanafoanana sidina amin'ny 3 na 4 may. (Azo antoka fa ho banky ihany ny ankamaroan'ny zotram-pitanterana mandrapahatongan'izay).

elena_w1:

У меня билеты в Париж на 9 мая. шансы к тому времени 50/50. но я вообще думаю что конец света наступает- так что….думаю что больше ничего летать не будет

Manana tapakila ho any Paris aho amin'ny 9 may. Hataoko fa manam-bitana 50% aho amin'izay. Hataoko anefa fa efa tonga ny faran'izao tontolo izao – noho izany… heveriko fa tsy misy na inona na inona hanidina intsony.

Allevtinka mamaly somary masiaka:

вот кстати да! прошлый раз этот вулкан пыхал 2 года подряд. (200 лет назад). Если к 2010+2=2012 🙂 как всё просто, однако!

Izany mihitsy! Ny farany nipoahan'ny volokano indroa nifanesy tanatin'ny 2 taona (200 taona lasa izay. Raha 2010 +2 = 2012) dia mora kely izany!

ingushetiya_ru mitanisa ny voalazan'ny Coran ny amin'ny fifaranan'izao tontolo izao:

Ho tonga ny Andro raha misy setroka mandrakotra ny lanitra.

Yuri-yum milaza [RUS] fa ity fipoahana volokano ity dia mbola “Sodoma” aloha fa tsy mbola ny Fitsarana Farany. Mamely ambadika ny praiministra islandais Johanna Sigurdardottir izy amin'izany, mpitondra fanjakana pelka voalohany [ENG].

Tena resabe ao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny Fara andro. Mizara sary navoakan'i Vladimir Manyukhin [RUS] ny sasany izay maneho an'i Moscou aorian'ny “ririnina nokleary”:

Apocalyptic Red Square, photo by Vladimir ManyukhinNy Kianja Mena Apokalyptika, sarin'i Vladimir Manyukhin

dmitrivrubel manoratra [RUS]:

Летайте самолётами компании “Эйяфьятлайокудль”! Почему до сих пор не придумали шлягера, мультика, нет ни одного сувенира? Ведь какой замечательный персонаж – м-р Эйяфьятлайокудль. И его супруга Мирдальсйёкюдль, которая ещё не проснулась.

Miaraha amin'ny zotram-piaramanidina “Eyjafjallajökull”! Nahoana no mbola tsy nisy mozika ihany, tsy nisy sary ahetsika, na farafaharatsiny fahatsiarovana? Toa an'ilay tsy lehibe tsy manam-paharoa – Andriamatoa Eyjafjallajökull. Miaraka amin'ny vadiny Mirdal'sjekjudl’, izay mbola tsy taitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.