Iran: Nihen-danja ve ny fitorahana blaogy hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena?

Iraniana iraikambinifolo mpitoraka blaogy sy matihanina amin'ny fampahalalam-baovao mahasolotena ny firehana politika rehetra no namaly ny andiam-panontaniana mikasika ny fivoaran'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny Iraniana olon-tsotra Iran hatramin’ny fifidianana.

Talohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny volana jona 2009 dia ny YouTube sy ny blaogy no tena andrin'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny olon-tsotra tao Iran. Ny fifidianana sy ny krizy nanaraka azy no nampiditra ny Facebook sy Twitter ho lasa toy ny fantsona roa  vaovao fampitan-kevitra avy amin”olon-tsotra eo anivon'ny aterineto.  Fotoana fohy nandritra ny fifidianana, ny governemanta Iraniana dia nisakana ny fahazoana mifandray amin’ny Facebook, YouTube, Twitter sy tranonkala maro samihafa. Ny sasany, isan'izany ny  silamo iray mpitoraka blaogy manana ny maha-izy azy[fa], nilaza an’io ho tetikady diso fipetraka  manampy ny mpanohitra Iraniana hibahan-toerana eo amin'ny fahaiza-mifehy ny virtoaly. Manoloana ny ezaka ataon’ny mpitondra hametraka sivana eo amin’ny tranonkala ara-tsosialy, nanjary seha-pifandraisana matanjaka ho an'ny Hetsika Maitso izy ireny.

Ka moa nanova ny fampiasana ireo fantsona sy fitaovana median'olon-tsotra ve ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana ? Ny Facebook sy Twitter ve no mpisehatra misongadina? Lasa tsikelikely ho rantsana faharoa amin'ny fantsona fizarana hevitra ve ny blaogy?  Inona avy ireo fantsona tena ampiasain'ireo mafana fo ara-politika?

Nangataka  mpitoraka blaogy Islamista iray manana ny maha-izy azy aho; mpitoraka blaogy maitso telo; iray mpitoraka blaogy manana ny maha-izy azy mikasika ny tontolo iainana; dimy mpilaza vaovaom-bahoaka; ary iray mpitoraka blaogy mafana fo, mba handray anjara amina fanadihadiana miendrika andiam-panontaniana vitsivitsy. Tsy hahasolo tena velively ny tontolon'ny fitorahana blaogy Iraniana rha izay iraikambinifolo, nefa kosa efa dingana kely hirosoana hahalalana ny fijeriny.

1-Inona avy ireo Tranonkala fitsidikao hatramin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena?

Facebook no be mpifidy nahazo isa 6, Twtter no mamarana amin'ny isa tokana. Ny Blaogy nahazo isa roa ary ny FriendFeed sy YouTube samy telo avy.

survey1

2-Araka ny hevitrao, Tranonkala toy inona no ampiasain'ny mpanao politika sy ny ireo mafana fo avy amin'ny fiarahamonin'olon-tsotra?

Ny blaogy no mbola mpanjaka nahazo isa enina, Facebook nahazo isa telo, YouTube isa roa, FriendFeed tokana, Twitter aotra, ary ‘Na iray aza’ nahazo isa iray.

survey2

Enina avy amin'ireo mponin'ny aterineton-tsika ireo no mihevitra fa tsy nihena ny lanjan'ny blaogy taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, roa no mihevitra fa niakatra ny lanjan'ny blaogy, ary telo no mihevitra fa nihena ny lanjan'ireo blaogy.

Anatin'ity andiany farany, roa no mihevitra fa nanjary tsy dia nanan-danja intsony ny blaogy noho ny fiakaran'ny lazan'ny  Facebook, ary iray mihevitra fa anton'izany ny fihenan'ny faharisihan'ireo mpitoraka blaogy.

3-Tranonkala toy inona no tena tianao iresahana ireo lohahevitra mampientanentana anao:

in'efatra voatonona ny blaogy, ny Facebook in'enina, FriendFeed in-teloary Twitter tokana monja.

Raha aravona, ny famakiana an'io fanadihadiana io dia mampiseho fa taorian’ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana, dia nanjary hita kokoa ireo mponin'ny aterineto, ary Facebook dia nanjary kianja ho an'ny maro amin'izy ireny ka isan'izany ireo mpitarika ara-politika.  Io fanadihadiana io koa dia mampiseho fa izay nantsoina tamin'ny hoe ‘twitter revolution’ (farafaharatsiny araka ireo 11 mpandray anjara) dia  mety ho tandindon'ny media tandrefana fotsiny ihany fa tsy dia hisy fiantraikany maharitra eo amin'ny tontolo virtoaly Iraniana.  Mbola manana ny toerany ihany ny blaogy saingy  tsy dia mahazo kianja amin'ireo mpampiasa vaovao vao tonga.  Azo vinaniana fa misy zavatra tokana azo antoka, taorian'nyfifidianana filoham-pirenena, tsy ho toy ny teo aloha intsony ny fiarahamonina Iraniana, na ny virtoaly, na ny hita maso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.