Kolombia: Ny Arepas, fomba fanao isaky ny tolakandro

Raha misy hivahiny any Colombia, dia efa sambasambao sahady ny mety hanasana anao hiara-hihinana “zavatra kely” eo anelanelan'ny amin'ny 3 hatramin'ny 6 ora hariva. Ny fandrosoana fangarona kafe sy sôkôla mafana miaraka amina tsakitsaky maro samihafa namboarin'ny tao an-trano ihany dia fomba amam-panao efa zary mahazatra ny ankamaroan'ireo fianakaviana Kolombiana maro rehefa mody masoandro iny.

Photo by Lozbot and used under a Creative Commons licenseSary avy amin'i  Lozbot ary ampiasana ny  Creative Commons license

Ao amin'ny  Reticente [es], blaogin'i  Juan David Escobar, manoratra izy momba io fomba amam-panao io izay nifandovan'ny taranaka maro nifandimby:

Mis abuelas nos enseñaron que a eso de las 3pm, se debe parar la vida para comer algo caliente con parva, o lo que te encuentres, pero comer “algo”.

Nolazain'ny renibeko anay fa manodidina ny amin'ny 3 ora tolakandro eo dia tokony hatsahatra daholo ny raharaha rehetra mba hihinanana zavatra mafana miaraka amina mofo  na izay zavatra hita eo, fa dia mihinana “zavatra”.

Matetika no tsy izay, fa arepa  io  “zavatra” io. Nandritry ny tolakandro iray namirifiry, nandray anjara tamin'ny fanomanana ireo arepa misy “chócolo” (misy koban-katsaka malefaka) i Escobar [Avy amin'ny mpandika: ny arepa dia karazana biskoitra fanaon-dry zareo], izay lasa anton-dresaka koa any anaty blaogy Kolombiana hafa any.  Ny Blog de Colombia [es] dia mitondra fanazavana momba ny lalan-kizorana raha hanamboatra arepa:

La arepa es una de las comidas más típicas en Colombia. Para hacerlas, los ingredientes son muy básicos: harina de diferentes tipos de maíz, agua, aceite y sal. Luego está el relleno, que cada uno puede hacer de lo que quiera, pero la arepa pura es lo importante. Aunque todavía no se pongan de acuerdo sobre qué país es el originario, la arepa colombiana tiene su propia tradición y forma de elaboración.

Isan'ny sakafo iray tena mampahalaza ny any Kolombia ny arepa. Raha hanao azy, tsotra daholo ny zavatra ilaina: koba avy amin'ny katsaka, rano, menaka, ary sira. Manaraka izay ny sesika, azon'ny tsirairay fidiana izay tiany hasesika ao anatiny, saingy ny tena manana ny lanjany dia arepa tsy misy fangaro. Na dia tsy mpifanara-tsaina loatra aza ry zareo ny amin'ny firenena mety ho niaviany [ ny arepa], ny arepa Kolombiana dia manana ny tantarany manokana sy ny fomba fanaovana azy.

Ny arepa misy  chócolo dia vita avy amin'ny katsaka voatoto , araka izay ilazana azy ao amin'ny blaogy Recetas de Cocina, Colombia Turística [es]:

Se desgranan los chócolos, y se muelen. Debe quedar una masa suave. Se arman las arepas y se ponen a asar sobre una hoja de plátano, luego se voltean sobre una hoja nueva, hasta que queden bien asados por ambos lados.

Torotoroina ny chócolo (katsaka maitso),  avy eo hosihosena halemy tsara. Tokony hahazo koba faran'izay malemy avy amin'io. Volavolaina hahazo endrika amin'izay ny arepa ary apetraka eo ambony ravin'akondro mba homasahana, avy eo dia avadika sy afindra ambony ravina vaovao indray, mandra-pahamasany tsara amin'ny lafiny roa.

Arahana fromagy ny fihinanana [es] ny arepa of chócolo:

Si quiere puede hacer dos cosas con el queso: cortarlo en lajitas, cortar la arepa por el borde e introducir el queso en la mitad y asarlas de nuevo por un minuto o rallar el queso y mezclarlo, con la masa, antes de armarlas.

Araka izay tiana, zavatra roa no azo anaovana ilay fromazy: tetehana madinika, zaraina roa avy amin'ny sisiny ny arepa,  atao ao anatiny ny fromazy, ary dia averina masahana kely indray ireo mandritry ny iray minitra eo ho eo, na kikisana ny fromazy, dia afangaro amin'ilay koba alohan'ny hamolavolana ny arepa.

Carlos Múnera, mpitoraka blaogy ao amin'ny  Somos Iguales [es] dia manamafy fa:

Qué cosa más rica es ese binomio culinario de la arepa de chócolo* con quesito y mejor cuando se forma aquel triángulo amoroso a la llegada de un espumoso chocolate en leche. Sí señores, ah fríos que nos ha quitado ese trinomio de sabor. Ah tardes que nos han acompañado paralelo a una buena visita parviada*. Cuán sencillos y humanos nos sentimos cuando comemos del fruto de la tierra cocido al calor del fuego.

Tena tsy misy toa azy ity nahandro ity, ny arepa misy chócolo miaraka amin'ny fromazy ary mbola tsara lavitra aza rehefa ampivadiana ka tonga ao aminy ny sôkôla misy ronono mandroatra. Eny tompoko, io fangaron-tsiro  telo  io dia nanosika tokoa ny hatsiaka tamin'ireny tolakandro nandrosoana azy miaraka amina mofo  nandritra ny  nivahiniananay ireny. Toy inona izay fahatsiarovanay ny fahatsorana sy ny maha-olona rehefa mihinana ny vokatry ny tany nokarakaraina tamin'ny hafanan'ny afo.
Photo by Juan David Escobar and used with permission.Sary avy amin'i Juan David Escobar ary nahazoana alàlana ny fampiasàana azy.

Farany, i Escobar avy amin'ny blaogy El Reticente [es] dia mamehy ny lahatsorany amin'ny hoe:

Mientras los ordenes económicos y de seguridad se mueven y la ciudad crece y se moderniza, todavía por aquí tenemos las tradiciones más clásicas, a pesar de que de las abuelas ni los huesos quedan.

Raha ny Toekarena sy ny Tafika mihetsika any ambadika any ary ny tanàna mitombo sy mivoatra, izahay kosa mbola mahatazona ny ankamaroan'ireo fomba amam-panao faran'izay tsotra, eny fa na dia efa tsy ho hita intsony hatramin'ny taolan'ireo nenibe aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.