Tonizia: WAT.TV, fahatelo amin'ny tranonkala fifampizaràna video voasakana!

Andro vitsy lasa izay, nosakanan'ny fanjakana Toniziana ny fidirana ho ao amin'ny  WAT.TV, tambajotran-tserasera sosialy iray sady tranonkala fifampizaràna media, izay heverina ho ny  laharana faha-3 amin'ireo mpandefa video amin'ny aterineto ao Frantsa.

Io ihany koa no fahatelo amin'ny tranonkala fizaràna video voasakana teto amin'ny Firenena. Voalohany indrindra dia nosakanan-dry zareo ny Dailymotion tamin'ny 3  Septambra 2007, avy eo indray dia anjaran'ny Youtube no voasakana teo anivon'ny aterineto teto amin'ny firenena, tamin'ny 2  Novambra 2007.

Saingy raha voasivana ny  Youtube sy Dailymotion noho ny video  maniratsira ny Filoha Ben Ali ary maneho ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona eto amin'ny firenena, WAT.TV kosa nosakanana noho ny fandefasana ny asan'ny Hetsika Ettajdid avy amin'ny mpanohitra (ara-dalàna, antoko kaomionista taloha).  Mazava loatra, ny Hetsika Ettajdid dia nisafidy ny Aterineto nandritra sy taorian'ny fifidiana izay ho filoham-pirenena sy mpikambana ao amin'ny antenimiera tamin'ny 2009, izay ny filohany, Ahmed Brahim, dia nirotsaka hofidiana ho filohan'i Tonizia (nahazo 1.57%, araka ny fanambaràn'ny ministeran'ny atitany). Ny fantson'i Ahmed Brahim ao amin'ny WAT.TV dia misy video ampolony mahery avy amin'ny fampielezan-keviny sy ireo mpanohana azy.

wat-TV-tuisia.jpg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.