Rosia: Fampihomehezana amin'ny aterineto tamin'ny andron'ny lainga

Na dia nosembanin'ny voina sy ny alahelo [RUS] aza ny fiandohan'iny herinandro iny, niezaka ny nanome toerana ho an'ny tsikitsiky teo amin'ny fiainany ihany ireo mpitoraka blaogy Rosiana sy ireo adalan'ny solosaina. Ireto misy fampihomehezana vitsivitsy natolotr'ireo mpitoraka blaogy sy orinasa maro mpanao rindrambaiko .

Ilay mpitoraka blaogy Smoking Observer dia namoaka ny sarin'ilay tank T-90 “Haingam-pandeha” antsoina hoe “Matoatoa”:

T-90 "Ghost", collage by Smoking ObserverT-90 “Matoatoa”, saripetak'i Smoking Observer

Ny fitaovam-pikarohana Rosiana lehibe iray indray, Yandex, dia nanatsimbadika ny sariny rehetra. Ny mpitoraka blaogy sasany dia nieritreritra [RUS] fa tsy fahatomombanan'ny fitaovana tany aminy izany, nefa niteny ho azy ny daty nanaovana ity “fanasongadinana” ity.

Yandex upside-down pictures, screenshot by PchelSary mivadika tao amin'ny Yandex, dika avy amin'ny fàfana nalain'i Pchel

Ilay orinasana rindrambaiko ABBYY izay miasa manokana momba ny famatsiana fandikana teny elektronika dia nanambara [RUS] fa hanisy rakibolan'ny fiteny Na'vi amin'ny famoahana manaraka, ary manohana izany fanambaràna izany miaraka amin'ny sary Na'vi – n'ny iray amin'ireo lehibe mpandrindra sy mpitarika:

Naavi-like picture of Alexander Rylov, photo by ABBYYsary Naavi-an'i Alexander Rylov, nalain'i ABBYY

Ny vohikala-na hatsikana malaza bash.org.ru dia nanova ny endriny ho amin'ny fitenin'ny ‘Empire’ Rosiana (nisy talohan'ny 1917 io fomba fanoratra io):

Bashorg Empire-Russian interface, screenshot by Mithgolendriky ny Bashorg amin'ny fiteny ‘Empire’ Rosiana,  nalain'i Mithgol

Niteraka adihevitra mafana [RUS] teo amin'ireo mpitoraka blaogy ireo diso tsipelina tao amin'ny fomba fanoratra ny Rosiana taloha.

Israelinfo.ru, vohikala Israeliana mampiasa ny teny Rosiana, dia namoaka vaovao [RUS] momba ny saran'ny mailaka atsy ho atsy, naroson'ny Knesset.

Nefa ny tena nanintona saina (sy mora inoana kokoa) dia ny fampihomehezana nataon'ilay vohikala malaza “Novy Region” tamin'ny sarin'ilay mpandefa bala afomanga  S-300 tsy afa-nihetsika teo amin'ny fotaka:

S-300 in the puddle of mud, collage by Novy RegionS-300 teo amin'ny ranom-potaka, saripetaka avy amin'i Novy Region

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.