Vazo miteny – Lahatsarin-kira vaovao avy any Tibet

Mitodika any amin'ny “vazo miteny” indray ny bolongana manana tetikasa fandikan-teny High Peaks Pure Earth amin'ny fandikana ny tononkira Tibetana hita amin'ny lahatsarin-kira Tibetana misy mamoaka amin'ny aterineto.

Tamin'ny faha-10 ny volana marsa tamin'ity taona ity dia nampiseho lahatsary hip hop mitondra ny lohateny hoe “Taranaka vaovao” [New Generation] avy amin'ny tarika malaza any an-toerana antsoina “Yudrug” amin'ny Tibetana (”Dragona Maitso” amin'ny teny Malagasy) ny bolongana. Yudrug no namoaka voalohany ny lahatsary ao amin'ny bolongany ny volana mialoha. Araka ny voalazan'ny High Peaks Pure Earth:

Nampiady hevitra ny tontolon-tserasera Tibetana ity gadona vaovao heno ao amin'ny “Taranaka Vaovao” ity satria misy ireo mpamaham-bolongana midera ny Yudrug noho ny tononkirany sahisahy fa ny sasany kosa mitsikera fa lasa “tandrefana loatra” ny tarika Yudrug. Na ahoana na ahoana ny fironana an-kira anananao dia tsy azo lavina kosa kosa ny lanja sy ny tanjany miaraka amin'ireo mpiredona:

Ny hatanorana no fanavotan'ny taranaka vaovao
Ny fitokisantena no reharehan'ny taranaka vaovao
Ny fahamiramiranana no endriky ny taranaka vaovao
Ny fahafahana no fakampanahin'ny taranaka vaovao

Mazava loatra fa fanaporofoana ny fitroaran'ny fiavahana Tibetana an-tserasera ny “Taranaka Vaovao”n'ny Yudrug, araka ny famahavahan'ny High Peaks Pure Earth teo aloha. Feno fireharehana sy fitokisantena ny mozika. Ity ny lahatsary misy tonony teny anglisy ity:


“Taranaka Vaovao”  Yudrug (Dragona maitso) avy amin'ny HPeaks ao amin'ny Vimeo

Ankoatra ny Yudrug, dia nampiditra mpihira Tibetana tanora, Tashi Dhondup, hojeren'ny mpamaky azy ny High Peaks Pure Earth. Avy any Amdo faritra iray any Tibet i Tashi Dhondup izay ary [voasazy] “sasana ati-doha” mandritra ny 15 volana noho ny “heloka” voalaza ao anatin'ny hira. An'arivony ny rakikira amin'ny Kapila manjelatra lafony tamin'ny 2008 “Fampijaliana Tsy Hita Fery”. Ireto ambany ireto ny lahatsarin-kirany:


“1958 – 2008? an'i Tashi Dhondup tao amin'ny HPeaks ao amin'ny Vimeo.

“Tsy afa-mihaona” an'i Tashi Dhondup tao amin'ny HPeaks ao amin'ny Vimeo.

“Narotsako ny ranomasoko noho izany” an'i Tashi Dhondup tao amin'ny HPeaks ao amin'ny Vimeo.

“Fampijaliana Tsy Hita Fery” an'i Tashi Dhondup tao amin'ny HPeaks ao amin'ny Vimeo.

“Tsy misy anenenana” an'i Tashi Dhondup tao amin'ny HPeaks ao amin'ny Vimeo.

Dechen Pemba

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.