Ejipta: Mafana fo nosamborina noho ny famoronana vondrona Facebook

Dr. Ashraf Wagdy, Ejiptiana iray mafana fo avy amin'ny elatra havia, dia nosamborina omaly tamin'ny  7 ora hariva ora iraisam-pirenena. Nanangana vondrona Facebook iray izy mba ho tosika ho an'i Mohamed ElBaradie amin'ny hazakazaka ho amin'ny Fitondrana (Prezidansa).

Manao fitokonana tsy mihinan-kanina izy izao mba ho fanerena amin'ny hamotsorana azy,  hatramin'ny fanamparam-pahefana nataon'ny Polisy Ejiptiana nitondra azy manoloana ny fitsarana, mitazona azy tsy misy fanamelohana.

Vondrona  Facebook iray hafa no niforona mitaky ny famotsorana azy. Teo aloha dia mpitsabo marary saina i Dr. Ashraf Wagdy, ary lehiben'ny tranomboky Books&Beans, foibe ara-tsaina lehibe iray ao amin'ny tanànan'i Mansoura, 120 Km avaratra andrefan'i  Cairo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.