Iran: Mitohy ny fisamborana mpitoraka blaogy hafa

babak_biggerNy vohikala Iraniana mpanome vaovao, Irna [fa] sy ny gazety “ultra-conservateur’ Keyhan [fa] dia nanambara fa nosamborina ireo mpikambana ao amin'ny Iran Proxy, vondrona miady amin'ny sivana sy ny fanavakavahana. Milaza ihany koa io vohikalam-baovao io ao anatina fanambaràna fa ravan'ny governemanta Iraniana ny “tambajotra maro amin'ny aterineto notohanan'i Etazonia” ka olona 30 no voasambotra. Tsy nolazain'ireo vohikalam-baovao ireo kosa olona hoe firy amin'ny nosinambotra no mpikambana ao amin'ny vondrona Iran Proxy.

Nampiasa twitter sy ny vohikalany ny Iran Proxy nentiny miady amin'ny fanatantavanana [sivana] amin'ny aterineto. Tao amina fanadihadiana niarahana tamin'ny Radio Farda no nilazan'ny solotenan'ny vondrona fa enintaona no niadian'izy ireo tany ‘ambanin'ny tany’ tamin'ny sivana.

Telo volana lasa izay, nambaran'ny ny vondrona tao amin'ny vohikalany [fa] fa noho ny tsy fahaterena ara-bola dia mitsahatra tamin'ny asany izy ireo.

nitatitra i Keyhan fa mpitoraka blaogy antsoina hoe “Seyed Hussein Ronaghi Melki” manana ny anarana maha-mpanoratra azy ho Babak Khoramdin na Babak blogger no mpitarika ity vondrona ity. Nanambara ilay gazety fa mipetraka any Tabriz io mpitoraka blaogy io ary mandray anjara amina hetsika momba ny zon'olombelona. Araka i Keyhan dia nosamborin'ireo manam-pahefàna izy ity.

Babak Khoramdin dia nampiasa [fa] ilay sary etsy ambony ao amin'ny Twitter sy ny blaoginy [fa] nizaràny ny hevitra momba ny zon'olombelona sy ny adihevitra politika.

Mandritra izany, nanambara ilay vohikalan'ny fanavaozana Iraniana [fa] fa nosamborina koa i Mehdi Aboutorabi, mpamorona ny Persian Blog, mpampiantrano blaogy malaza any min'ny firenena. Mpanohana ny iray amin'ireo mpanohitra matanjaka any Iran, Mir Hussein Mousavi i Aboutorabi nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena. Hatramin'ny nisian'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona, dia nisambotra mpanao gazety sy mpikatroka politika an-jatony, ary koa mpitoraka blaogy maro, ireo manam-pahefàna Iraniana. Tsy misy hifandaisany amin'ny vondrona Iran Proxy ny fisamborana an'i Aboutorabi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.