Sina: Endrika marobe isehoan'ny fanivànana aterineto

Ny 12 Martsa no Andro manerantany Hiadiana amin'ny Sivana amin'ny Aterineto ka namoaka ny lisitra farany avy aminy  “Ireo fahavalon'ny Aterineto” ny Reporter without Border [Reporters sans frontières] izay manondro mivantana an'i Sina [China], anatin'ireo firenena maro hafa tsy refesimandidy.

Jason Ng from Kenengba dia manandrana manatavy resaka amin'ny fanehoana ireo rehetra endriky ny Sivana ataon'ny sinoa amin'ny Aterineto.

censor 1

1. Sivana tsy mangarahara

A. Avy aiza ny fisokafana?

Alohan'ny zava-drehetra, avoitran'ny mpitoraka blaogy fa isaky ny maneho hevitra ny governemanta sinoa momba ny resaka aterineto, dia matetika no ametrahana fa hoe “tena midanadana be ny aterineto ao Sina” ary avy eo dia tohanana ilay fanambarana amin'ny fanolorana antontanisa toy ny hoe “maherin'ny 3,800 tapitrisa ny mpampiasa aterineto eto Sina”. Na izany aza, tsy misy fifandraisana mazava ireo fanambarana roa ireo.

B. Sivana tsy mitombina

Faharoa, tondroiny fa ny tena anton'ny ankahalan'ny olona ny Sivana atao amin'ny Aterineto ao Sina dia satria tsy ampy ny mangarahara amin'izy ity:

我曾经在新浪微博发布了关于“群众抗议番禺建立垃圾焚烧厂”一条信息,然后我收到新浪微博的管理员发的邮件说我这条信息含 有非法内容,所以被删除了。然后我问,这条信息违反了具体哪条法律,新浪的审核人猿没有给我回复。同样的事情也发生在中国最大的SNS人人网。

Indray maka dia nandefa lahatsoratra momba ny fanoherana ny fananganana toeram-pandoroana tany Panyu tao amin'ny Sina micro blog aho. Avy eo aho nahazo hafatra avy amin'ny webmaster nilaza fa nofafana ny lahatsoratro satria miaty zavatra tsy ara-dalàna. Nanontany aho hoe ny lalàna manao ahoana no nodikain'ilay hafatra, tsy nahazo valinteny aho. Mitranga koa ny zavatra toy izany any amin'ny SNS  goavana  any Sina.

网站审查人员之所以进行不透明的审查,是因为他们收到了政府部门不透明的规章。…
没有一个透明的规章,人们就不能去遵守所谓的制度。政府部门高兴的时候可以说“我爱共产党”这句话是褒义的,在不高兴的时候可以说你在讽刺它。你只能无奈 地对着屏幕喊草泥马。

Ny antony tsy mampangarahara ny mpametraka sivana amin'ny aterineto amin'ny asan'izy ireo dia satria tsy mangarahara koa ny fepetra fandrindràn'ny governemanta…Raha vao maizimazina ny fandrindràna, dia tsy ho afaka mihetsika ny olona raha ny fisainan'ny rafitra. Afaka manome ako miabo ny sampandraharaham-pitantanana ao amin'ny governemanta amin'ny hoe “Tiako ny CCP” rehefa ao anatin'ny fotoana mahafalifaly azy. Rehefa tonga indray ny fotoana mahasorena azy , dia raisiny ho toy ny fandrabirabiana izany. Ary ny hany azonao dradraina sisa dia ny manompa ny fàfan'ny solosainao ho soavaly mihinam-bozaka sy fotaka” .

C. Fandàvan'ny Google

Vinavinain'ny mpitoraka blaogy fa anton'ny nahatonga ny Google tsy ho faly tamin'ny sivana tao Sina ny olan'ny fangaharahana:

而Google在中国,每天都收到通知要屏蔽这个网站屏蔽那个网站、屏蔽这个关键词屏蔽那个关键词,这些通知是没有规律可 寻的,也没有法例列明。你要细问法例,得到的回答只会是“依法屏蔽”。

Tany Sina, naharay fampahatsiahivana maro ny  Google.cn mikasika ny fanakànana ireo vohikala na resaka mafampàna, ary tsy afaka mihitsy ianao hahita lasitra momba ireny fampahatsiahivana ireny, na fanazavàna araka ny lalàna. Fa ny ambàran-dry zareo dia ny hoe “fanakanana araka ny lalàna”.

2. Ny milin'ny Sivana

Nahatsikaritra fomba maromaro fanaovana sivana ao Sina ny mpitoraka blaogy.

A. Sivana ataon'ny tena

中国网民由于长期生活在信息审查之中,他们意识到很多文字用直接发送的方式会发送失败或很快被删除,于是他们在发布信息之 前就对信息做了修改,要么将较为敏感的部分替换成意思相近的词语,要么删掉了这部分内容。

Tonga saina amin'ny fanakanana ireo teny mafampana ireo sinoa mpampiasa aterineto. Rehefa mandefa hafatra iray ry zareo, fomba hafa no mety hanehoan-dry zareo ny lohahevitra na fafany ny votoatiny mafampana.

B. Sivana ataon'ny milina

Amin'ny tranga hoe ny milina indray no manivana, anjaran'ny mpampiasa no mieritreritra hoe inona avy no lohahevitra mafampana isak'izay mandefa lahatsoratra ry zareo. Toy ity no hitsena ireo mpampiasa aterineto:

1)假设你输入了10000字,其中第100、101两字是敏感词。你点击了发布。
(2)然后你发现自己只发布了99个字,第100个字和后面9900个字都不见了。
(3)你在任何地方都找不到这丢失的9900个字,你需要重新敲打一次。
(4)你意识到第100、101个字是敏感词,于是你替换成其它字了,接着你重新发布一次。
(5)然后你又发现,发布出去后只剩下200个字,因为第201个字又是敏感词。

1. Raha nanoratra teny miisa  10,000 eo ianao, ka ny 100 na 101 amin'ireo teny mafampana, ary navoakanao ilay izy.
2. ho hitanao fa ny 99 ihany no hany mba azonao navoaka ary ny ambiny rehetra eo anelanelan'ny 99-9900 dia hanjavona avokoa.
3. tsy afaka ny hanavotra ireo teny miisa 9900 indray ianao fa dia tsy maintsy mamerina mitendry azy ireo.
4. avy eo ianao tonga saina fa ny laharana faha 100 sy 101 dia mafampana, ovanao ny filaza ary dia averinao alefa indray iny.
5. Avy eo ianao mahita fa teny 200 ihany no tafavoakanao satria ny laharana 201 dia mbola teny mafampana indray…

Ohatra hafa amin'ny milina mpanivana ny Sàkana Maitso [Green Dam] :

当你的浏览器开了10多个标签,其中一个有一张肉色比较多的照片时,全部浏览器进程就会被绿坝结束。或许你在其中一个标签 正在工作,不好意思,都没了。

Rehefa avy nanokatra takelaka 10 tamin'ny browser-nao ianao, ka ny sary iray anatin'ny maro dia manana loko somary lokon-koditra. Dia izay! mikatona tampoka daholo  ny takelakao rehetra. Raha niasa mivantana tamin'ny aterineto tamin'ny iray tamin'ireny takelaka ireny ianao, miala tsiny, very daholo ny zava-drehetra.
C. Sivana ho an'ny fiboridanana

中国很多网站,尤其是门户网站都有一个专门的人工审查团队。饭否由于没有审查团队,“非法”信息泛滥,最终被死亡。据我所 知,像新浪这样的网站,审查人员是数以百计的。
一个曾经在腾讯负责做审查的朋友告诉我,每当敏感日子,比如两会,他们的工作量就非常大,他们不但需要审查论坛、博客,就连用户的邮件他们都要随机抽查。 在中国,邮件不算是隐私。
人肉审查团队在判断非法信息的时候没有一定的标准,在很多时候,他们只是根据自己或上级临时下发的文件去判断一条信息是否被屏蔽。对于他们来说,宁可杀错 1000条,绝对不能放过1条。

Vohikala maro, indrindra ireo fanolorana vohikala, no manana ekipa mpanivana. Ny antony tsy maintsy nanakatonana an'i Fanfou dia ny tsy fananany ekipa mpanivana. Ireo vohikala toa an'i Sina dia manana tompon'andraikitra maherin'ny zato miasa amin'ny fanasivanana. Misy namana izay efa niasa tao amin'ny Tencent niteny tamiko fa isaky ny  fotoana mafampana, ohatra mandritra ny Kongresy Nasionalin'ny Vahoaka isan-taona, dia nitombo ny asan'izy ireo. Tsy maintsy sivanin-dry zareo ny BBS, blaogy, ary ny mailaky ny mpampiasa voasarika. Any Sina, tsy misy miafina ny fifandraisana amin'ny mailaka.

Tsy manana lalàna loatra ny mpanivana ny fiboridànana amin'ny fanaovany izany. Matetika izy ireo no mitsara araky ny toromariky ny lehibeny. Ary aleon'izy ireo mamafa hafatra 1000 toy izay mamoaka hafatra iray manelingelina.

D. Ny tarika mpanivana

在中国,大多数网站底部都会有一个备案号,通过这个备案号,政府的审查人员可以很方便地联系到站长。
一般来说,当网管发现某网站上有“非法”信息的时候,他们首先会打电话给服务器的托管商,托管商再打电话联系站长删除所谓的“非法”信息。

Ny ankamaroan'ny vohikala dia manana laharam-pamantarana daholo   [license number] ka dia mora amin'ny governemanta ny mifandray amin'ny webmaster amin'ny fotoana rehetra ilan-dry zareo an'izany. Na rahoviana na rahoviana ny Sampandraharaham-panjakana mpanara-maso ny Aterineto no mahita vaovao ‘tsy ara-dalàna’ amin'ny aterineto, dia mety hiantso ny foiben'ny données ry zareo ary ny foiben'ny données indray no miantso ny webmaster mba hamafa ny hafatra “tsy ara-dalàna”.

E. Ny tariky ny Red Head document

有时候,审查不仅仅是要求网站删掉某些内容,还包括统一转载某些稿件、统一将搜索结果指向官方网站。这种通知称之为红头文 件,一般由网管办或新闻办下发。

Matetika, ny mpanivana ny aterineto dia mangataka ny vohikala hamafa ny votoatiny, nefa koa mangataka azy ireo mba hamerina handefa any aminy na handefa mivantana ny valin'ny fikarohana ho any amin'ny vohikala ofisialy sasantsasany. Ny fampahatsiahivana toy izany no antsoina mandrakariva amin'ny hoe  Red Head paper. Na izy ireny avoakan'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny aterineto na avy amin'ny biraon'ny fampahalalam-baovaon'ny governemanta.

censor 2

门户网站每天都会收到网管办下发的通知,这些通知的类型一般包括:
(1)不能报道什么
(2)应该报道什么
(3)头条应该放什么
(4)哪些新闻需要引导讨论
(5)哪些搜索关键词应该屏蔽或指向指定的结果
(6)哪些新闻必须统一采用新华网、人民网的稿件

Ho an'ireo vavahadin-tserasera dia mahazo fampahatsiahivana avy amin'ny Sampan-draharaha mpanara-maso ny aterineto isan'andro ry zareo. Matetika ny fampahatsiahivana dia mikasika ny :
1. ny tsy azo tantaraina
2. ny tokony ho tantaraina
3. ny tokony ho lohateny lehibe
4. ny vaovao tokony havoitra any anaty resaka ifanakalozana
5. ny teny fototra tokony hosakanana na havantana any amina vohikala efa voafaritra mialoaha
6. ny vaovao tokony ho anjaran'ny  Xinhua sy ny People's Daily news  irery ihany no mamoaka azy

F. Ny mpitsara avy amin'ny Reny

censor 3

妈妈评审团的成员来自各行各业,有些人之前几乎没有接触过互联网。她们一边接受政府的培训,一边按要求每月提交一定数量的 不适合儿童观看的内容。

Avy amin'ny lafim-piainana samihafa ny mpikambana ao amin'ny  “Mpitsara avy amin'ny Reny”. Betsaka amin'izy ireo no tsy dia manana ny fahalalana momba ny aterineto. Mahazo fanofanana avy amin'ny governemanta ry zareo ary dia manome tsy tapaka votoatina vohikala tsy dia sahaza loatra ho an'ny ankizy any amin'ny mpitantana.

G. Misotro dite sady miresaka

如果你一直在网上发布政府不愿意看到的言论,或者支持一些民间的运动,例如散步或者维权,你将会被邀请喝茶。
去年国庆前夕,一位北京的初中生在博客和Twitter表达了对国庆彩排的不满,认为这是浪费时间没有意义的。不久之后,他被国家报卫队的人邀请“喝 茶”,他们威胁他,如果再在网上发布这些言论,他将不能在理想的高中念书。
在那之后,这位初中生在Twitter上安静了很长的时间。

Raha manohy mamoaka vaovao tsy dia mahafaly loatra ny governemanta ianao, na raha toa ianao manohana hetsi-bahoaka toy ny filaharana na fanentanana momba ny zon'olombelona, dia mety hahazo fanasana hiara-misotro dite. Tamin'ny taona lasa talohan'ny fetim-pirenena, nisy kolejiana iray nanakiana ny fandehan'ny fikarakarana ny fety ho toy ny fandaniam-potoana fotsiny tao amin'ny Twitter-any. Tsy ela, nasain'ny polisim-pirenena misahana ny filaminana mba hiara-misotro dite taminy izy. Norahonan-dry zareo izy fa raha mbola manohy manoratra toy izany dia tsy ho afaka manantena ny ho tafiditra hianatra any amina Lisea lehibe.Nandritry ny fotoana maharitra, nisafidy fahanginana io mpianatra io tao amin'ny twitter.

H. Ilay rindrina goavam-be

Sary iray mahalaza teny an'arivony maro:

censor 4

I. Ny Tariky ny 50 Cent

在多年的探索过程中,中国政府意识到光做减法是不行的,有时要做一做加法,要占领舆论高地。于是中国就出现了一种解决就业 问题的职业–网络评论员,俗称五毛党。

当政府需要引导舆论的时候,五毛党就会成群出没。他们会在论坛、博客、门户甚至是报纸、电视等媒体发布一边倒的支持政府的言论。他们一般都是成群结 队出动,很少单独行动…

Taorian'ny traikefa an-taona maro nanaovana sivana, tonga saina ny governemanta Sinoa fa tokony hotefena hanaraka làlan-jotra voafaritra ny fisainan'ny olona. Izany no antony nananganana ny mpamela hafatra amin'ny aterineto [Internet commentator] izay sady manampy koa amin'ny famahana ny olan'ny tsy fananana asa. Matetika fantatra amin'ny hoe Tariky ny 50 cent ireny mpamela hafatra ireny. Isaky ny mila manefy ny fisainan'ny olona ny governemanta, dia mirotsaka an-tsehatra ny Tariky ny 50 cent. Ry zareo no manoratra sy manely ny hevitry ny governemanta  any amin'ny BBS, blaogy, ireo vavahadin-tserasera na hatrany amin'ireo fampitam-baovao tranainy toy ny gazety an-tsoratra sy ny T.V. Miara-mirotsaka an-tsehatra daholo izy rehetra mazàna, indraindray tadiavina vao mandeha irery.

Na eo aza anefa ny hamaroana sy ny endrika saro-bahana ananan'ireo fomba fanivànana samihafa ireo, ity mpitoraka blaogy ity dia mbola manantena fa tsy maintsy ho tonga ny demokrasia ka hisolo toerana ny fanaraha-masomivatravatra mahazo ny fitenenana sy ny fanehoan-kevitra.

(hitanao koa ity lahatsoratra ity ao amin'ny Global Voices Advocacy)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.