GlobalPulse 2010: Fanasana hiresaka an-tserasera amin'ny mpanapa-kevitra

global_pulseHatramin'ny 29 ka hatramin'ny 31 mars no ikendren'ny Global Pulse 2010 hamoriana an-tserasera olona sy solontenan'ny fifandaminana [ naotin'ny mpandika teny: tenin'ny akademia, ilay antsointsika mahazatra hoe fikambanana] mihoatra ny 20.000 hiresadresaka lohahevitra tahaka ny fampandrosoana ny mahaolona ka hatramin'ny haihay [siansa] sy ny teknolojia.

Tohanan'ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), ary ny tanjony dia ny hahafahan'ny olontsotra manerantany haneho ny heviny sy hizara hevi-panavaozana hamahana ny olana ara-piaraha-monina. Niainga tamin'ny kabarin'ny filoha Barack Obama tany Le Caire tamin'ny Jona 2009 araka ny nolazain'ny USAID izay nilazany fa te-hampiroborobo ny fiaraha-miasa miaraka amin'izao tontolo izao izy.

Lohahevitra folo iadian-kevitra

Hitohy 72 ora tsy tapaka ny fotoana, ary afaka manaraka sy maneho hevitra amin'ny “fivoriana” samihafa mandeha amin'ny fotoana iray ny mpandray anjara rehetra. Hotarihan'ny olona mpaneho hevitra,  mpanapa-kevitra ary mpikambana amin'ny ONG avokoa ny adihevitra rehetra, ka anisan'izany i Youssou N'Dour [fr], mpihira Senegaley malaza, tafiditra lalina amin'ny ady amin'ny tazo, Iqbal Z. Quadir, mpanorina ny Grameenphone any Bangladesh, eny fa na dia i Ethan Zuckerman, mpiara-nanorina an'i Global Voices Online.

Avy amin'ny firenena 128 raha kely indrindra ny mpandray anjara izay hifampizara sy hiady hevitra amina lohahevitra lehibe folo, izay halahatro etoana :

  • Fanomezan-kevitra ny taranaka vaovao
  • Fampizakantena ny vehivavy sy ny zatovovavy
  • Fanomezana fanabeazana fototra
  • Fanorenana fiaraha-miasa matotra
  • Fampizakana ny zo politika
  • Fampiroboroboana ny fahasalamana ankapobeny
  • Fampandrosoana ny fananganana orinasa, fampivelarana ny fifanakalozana sy ny fihariankarena
  • Fanomezana vahana ny Siansa, Teknolojia & fanavaozana
  • Fanohanana ny fampandrosoana maharitra ny planeta
  • Fanarahana [fanatanterahana] fanamby lehibe

Teknolojia manavao

Mety “mitady raharaha” izany mamory olona an'aliny anatin'ny fotoana iray an-tserasera izany. Soa ihany fa efa nanaovana fanandramana nandritra ny fotoana nisy teo aloha ny teknolojian'ny dinika, IBM Jam, hampiasaina amin'io fotoana io.

Efa nandray anjara tamin'ny fivoriana an-tserasera telo andro tsy ankiato tamin'ny Habitat Jam i Bill Tipton tamin'ny 2005 haka hevitra momba ny fampandrosoana maharitra ny tontolo an-drenivohitra. Ao amin'ny bolongan'ny Global Dialogue Center [ivotoeran'ny Fifampiresahana ankapobeny] no izarany ny niainany:

Fantatro fa mety [hahomby] ny fandraisana anjara amina fivoriana tahaka itony tamin'ny 2005 […] olona an'aliny  – ahitana mpikambana amin'ny governemanta sy fanta-daza amin'ny fandraharahana, ONG sy manam-pahaizana manokana — miara-miady hevitra amina lohahevitra mivaingana iatrehana ny fanamby miandry ny tontolo an-tanan-dehibe manerantany.

[…]

Mbola misy ny olona nifanena tamiko tamin'io Jam miavaka io no mifanerasera sy iarahako miasa mandraka ankehitriny ary manantena aho ny ho tafahoana amin'olona tsongoin'olombolo hafa mandritra ny Global Pulse 2010.

Fandraisana anjara

Raha te-handray anjara amin'ny Global Pulse ianao, ny hany ilainao dia solosaina sy fahafahana miditra aterineto – fa mila misoratra anarana maimai-poana mialoha ihany koa. Mialoha ny 29 Marsa no ahafahanao manaraka ny @globalpulse2010 ao amin'ny Twitter sy ny hashtag #gp2010 ihany koa. misy ihany koa ny Takelaka Facebook manana manaraka 700, izay efa ahitana soso-kevitra sahady.

Hevitra iray an'i Oliver Mupila:

Fangatahana: Afaka manome torolalana manokana ve ny Global Pulse ahafahana manaraka ny fandrosoan'ny fanadihadiana ataon'ny sampan-draharaha misahana izany ireo kolikoly goavana, mandalo any amin'ny lehiben'ny fampanoavana, any amin'ny fitsarana sy ny fandehany ao anatin'ny raharaham-pitsarana nefa tsy manohintohina ny zon'ny tsirairay sy ny lazany mandra-pahatonga any amin'ny fanamelohana azy? Inona ny fomba tsara any amin'io tontolo io ary misy ve ny firenena tena mampihatra izany tsara tokoa? Ary nahoana moa ny mpanoratra ny vaovao any Afrika no tsy azoazon'ny fitondrana loatra?

Araka ny Dr. Rajiv Shah, mpitantana ao amin'ny USAID, hamoriana ireo “olona raha ny tokony ho izy dia tsy ho afa-miara-mipetraka amin'ireo olobe mpanapa-kevitra” ity vovonana ity. Mety ho lalana mankany amin'ny demaokrasia ve ity? Farafaharatsiny tokony hahaliana ny hamantatra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.