Shina sy Google: Raha hifandao isika izao

Ho tohin'ny fanakatonan‘ny Google ao amin'ny tanibe androany maraina ao amin'ny mili-karoka Google.cn, izay mamindra ny rohy ho an'ny amin'ny setriny miorina any Hong Kong, dia nirotsaka nankany foiben'ny Google ao Beijing indray nandritra ny tontolo andro ny mpanohana hametraka mari-panajana.

Koa satria moa efa niomankomana (ihany) ho amin'ny fandehanany ny Google dia maro ny fanontaniana tsy voavaly, na izany avy amin”ny fitondram-panjakana Shinoa na araka izay nomarihin'i Bill Bishop ao amin'ny DigiCha, avy amin'ny Google ihany koa.

Nanararaotra nanontany ny maro tamin'ireo ireo izay hanana fahabangana tamin'ny tolotra nomen'ny Google, sady nivory manodidina ny marika rahateo, ny mpiserasera Gao Ming tao anivon'ireo mpankasitraka ny Google (sy ireo mpitsikiko miafin'ny polisy).

Taorian'izay nandritra ny filentehan'ny masoandro, Nanomboka nihira ny hiran'ny Grass Mud Horse [soavalin'ny Ahitra am-potaka] ireo mpanohana tafavory teo izay tokotokony ho zato  araka ny tatitra [zh], mandra-pahatongan'ny fandravan'ny polisy azy ireo. Ny mpamaham-bolongan'ny Under the Jacaranda Tree [Ambanin'ny hazo zakarandà] C.A. Yeung kosa nandefa tamin'ny sioka an-tserasera fa “[m]ihoatra ny 10 ny mpikatroka ao amin'ny zon'olombelona Shinoa ary mihoatra noho izany kosa ny mpiserasera tafavory teo amin'ny foiben'ny Google Shina.”

Ary rehefa tamin'nyfolo ora alina, dia ni-tweet [nisiko an-tserasera] ny mpahay lalàna Teng Biao, fa rehefa nihena ny isan'ny olona nanatrika teo; dia nasehon'ny saripika avy amin'i Jason Ng fa nisy nanala teo ny voninkazo sy ny amboara (kaopy) napetraka teo amin'ny mari-pamantaran'ny Google.

outsidegooglecn

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.