Dubai: Fahatsiarovana ny mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi

Tanora eo ho eo  amin'ny 40 avy any amin'ny vazantany efatra no niaraka tao amina “cafe” iray any Dubai ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny nahafatesan'ilay mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi, mpitoraka blaogy voalohany maty tany am-ponja. Nandray anjara tamin'ny alalan'ny zava-kanto teny amin'ny kianjan'ny Hetsika 18 Marsa, OR318, ihany koa io fihaonana io.

Junkie, mpikambana ao amin'ny vondrona 18 Marsa dia nanazava ny fikarakaràna ity fihaonana ity ary milaza:

Nieritreritra ny hikarakara Tweetup aho (ary nanomana zava-kanto itambarana ho an'ny Hetsiky ny Alakamisy 18 Marsa).

Ahitàna lamba lehibe iray io zava-kanto io ka ahafahan'ireo mpanohana ny hetsika mivory sy manoratra ny dikan'ny fahalalahana miteny amin'izy ireo. Azon'izy ireo ampiasaina avokoa izay fitaovana rehetra azo eritreretina – saripika, kisarisary, tononkalo, eny fa na fanambaràna tsotra fotsiny aza hoe “Mila fahalalahana miteny aho. kthxbai” voasoratra eo amin'ilay lamba mba hampitàna ny hafatra.

Ireto misy sasantsasany amin'ireo famoronan-java-kanto.

Fanoherana ny sivana

or3181

or3182

Ho an'ny fahalalahana maneho hevitra

or3183

Ity misy horonantsary mampiseho ny hetsika tany Dubai:

OR318 -Hetsiky ny 18 Marsa – Dubai Edition avy amin'i Areeba Hanif ao amin'ny Vimeo.

Ny Hetsiky ny 18 Marsa dia mampiasa sarimiaina mba hisintonana saina maro sy mbola tanora. Efa notsidihana in-75 000 ny sarimiaina faharoa momba izany. Nasongadina tao min'ny pejy fanoloran'ny Youtube izany tamin'ny12 Marsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.