Masedoana: Raha tsy nisy ny aterineto

Samy nanome ny valinteniny avy na ny mpamaham-bolongana na ny mpampiasa fitaovan-tserasera vaovao tamin'ny fanontaniana manao hoe “Ahoana ny nanovan'ny aterineto ny fiainanao?”, ao amin'ny lahatsoratra [MKD] iray amin'ny hita ao amin'ny vohikala miteny Masedoniana an'i BBC.

Darko Buldioski ao amin'nyKomunikacii.net moa nampihatra ny fanaon'ny Slavy mamantatra ny valin'ny fanontaniana mifamaly aminy izay manova azy ho “Raha tsy nanana aterineto aho…” ary dia nanome izao valiny manaraka izao:

Dia tsy nisy fomba nahafahako…

  • …nanoratra teo amin'ny bolongako, izay nandaniako be tokoa ary nahazoako be koa ho setriin'izany 🙂
  • …nahalala fa miresaka ity lohahevitra ity ny BBC, koa satria moa tsy mihaino vaovao amin'ny radio aho, dia vakiako an-tserasera izany
  • …nifankahitako tamin'ny olona mahafatra-po izay hifandraisako matetika miresaka lohahevitra maro
  • …nampanafatra entam-barotra maro izay entin'ny rahalahiko rehefa miverina avy any Etazonia izy (lazaina fa mora kokoa ny any)
  • …miasa amin'izay ataoko amin'izao fotoana, satria miompana amin'ny aterineto ny asako.

Nanasa ny olona hizara ny eritreriny amin'ity tantara South Park  – “Over Logging” – ity i Buldioski (naotin'ny mpandika teny: rehefa tsy nisy intsony ny aterineto).

Ampolony ny mpampiasa Twitter no nanome ny heviny tamin'ny alalan'ny hashtag #danemaseinternet [MKD] na “Raha tsy nisy ny aterineto”…

  • …Nitondra kahie fandraisako naoty [sa ny solosaina finday?] niaraka tamiko aho [mpanoratra] Venko Andonovski handikako ny eritreritro [- Sead93]
  • …Avy amin'Andriamanitra, mety ho efa nanao fikarohana siantifika aho ary ny valiny mety ho nahita ny porofo mahadiso ny Theory of Relativity [- goranmitev]
  • …tsy ho nahalala ny fiainana ambanivohitra velively aho[- lazyvlad]

…fa maro ny mitsikera ny aterineto ho tsy maranitra tsara, mbola tsy ampy hozatra (tsy matanjaka) na matavy loatra.

Mihevitra ny bolongany Golemata slika (Ny Sary Lehibe) sy ny Twitter-ny ary ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ho “feo midobodobokany” hampiharany ny fahalalahany hiteny i Marjan Zabrcanec. Ka nohazavainy[MKD] fa 15 taona izay no nanokafany kaonty mailaka voalohany, ary raha tsy nisy ny aterineto dia tsy fantany  “ny lohahevitra sy ny fandresen-dahatra ampiasain'ny mpiady hevitra manerana ny tany. Mety ho sarotra sady mafy ny fikarohana. Ankehitriny, misy ny debatopedia,” ary tsy afaka nisahana tsara ny fandrindrana ny ONG tantaniny, na hanolotra dokambarotra an-tserasera mora nefa mafonja ho an'ny mpampiasan'ny mpanjifany.

ManaikyVasilka Dimitrovska [MKD] fa raha tsy misy ny aterineto dia tsy nianatra ny famahanam-bolongana sy ny fampiasana ny fitaovan-tserasera vaovao izy “hikarohana, hanehoana ary hiarovana ny lovan-kolontsaina,” dia mitarika ny sain'ny sarambambem-bahoaka ihany koa, ka anatin'izany ny fisehoana amin'ny fahitalavitra.

…Mety ho iray amin'ireo arkeology ao anatin'ny ranomasim-ben'ny arkeology tsy fantatra sady kaozatra (tsy ampy ra) tsy noraharahian'ny fiaraha-monina aho, ary tsy voahaja.

Eto ambany i Ribaro (Ny Mpanarato) namaly tamin'ny alalan'ny bolongan-dahatsary, amin'ny teny Masedoniana fa misy soratra teny anglisy kosa.

Nanoratra i [MKD] Viktor Arsovski fa raha tsy nisy ny aterineto dia mbola mety ho nampianatra teny anglisy, fa tsy nandray anjara tamin'ny fananganana ny IT.com.mk, ary…

  • Mety “nindramina” hiteny amin'ny famoaham-baovaontsika aho, ary tsy mamaky ny loharanom-baovao hafa.
  • Mety ho tsy nahalala mihitsy aho fa maro ny zavatra mety hivoatra eny anivon'ny fiaraha-monina.
  • tsy ho diso fanantenana aho rehefa mijery ny baolina fandaka Masedoniana amin'ny Sitel[televiziona masedoniana]. Ankehitriny rehefa mijery [baolina] mivantana an-tserasera aho dia fantatro ankehitriny fa misy ny mahay mitantara sy manazava tsara fa tsy mirediredy fotsiny. Eny fa na dia manorisory ahy aza indraindray izy ity, fantatro ihany fa farafaharatsiny mba manome safidy ho ahy ny aterineto!

Misy ny mpamaham-bolongana ary ao anatin'izany i Kihu Potru [MKD] izay manasongadina ny mahazava-dehibe ny fifampizarana sy ny fampifandraisana eo amin'ny samy mpanakanto vitan'ny aterineto na ao amin'ny visuals ka hatramin'ny haiku; Kuzmanov [MKD]; Martin [MKD]; ary Dzaman [MKD].

Farany, misy ny olona mametra-kevitra any amin'ny bolongan'nyhafa, tahaka an'i Oksimoron, izay miteny hoe [MKD]:

Raha tsy nisy ny aterineto… dia ho bebe kokoa ny fivezivezeko, mety ho vady mahafatra-po aho, ary tsy hahatsiaro marary mihomehy irery eo anoloan'ny efijery (écran) 🙂

niteny i Nadezhna [MKD]:

- Maromaro kokoa ny boky vakiako amin'izao fotoana izao, ary mora kokoa ny vidiny 🙂

- Misy mihaino ny feoko (mamaky ny bolongako).

- Nanampy ahy hahazoako asa ny Aterineto.

Nanamarika i PRoom [MKD] fa raha tsy misy aterineto:

…tsy hahita fiofanana aorian'ny fahazoana diplaoma (hita ao amin'ny aterineto)

- Tsy nifoha tamin'ny 5 maraina

- Tsy nisy fantatro ny namako ankehitriny

- Tsy nanana fahafaha-mamandrika trano fandriam-bahiny tany  Nice aho

- Tsy ho afa-nanampoka ny olona tiako any lavitra tamina tolotra fanomezana aho

Ary matoky aho fa tsy handre velively fa indray andro any dia ho faty ny aterineto [MKD] 😉

Filip Stojanovski

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.