Thailandy: Miala any ny menalamba

Manam-pikasana ny hanomboka filaharambem-panoherana any Bangkok any Thailandy manomboka ny 12 marsa io ny United Front of Democracy Against Dictatorship (UDD) na Manda Mivondrona ho amin'ny Demaokrasia manohitra ny Didy Jadona, fantatra ho Menalamba (Red Shirts). Menalamba an-hetsiny no antenaina ho tafavory mandritra io faran'ny herinandro io, ka ny hetsika faratampony dia hotontosaina ao Sanam Luang amin'ny faha-14 marsa. Ny takian'ny mpanohitra moa dia ny hanafoanan'ny praiminisitra Abhisit Vejjajiva ny parlemanta.

Sarintanin'ny google ahitana ny toerana hisian'ny hetsika any Bangkok.

Tsindrio raha hanalehibe ny sary jerena ny rohy Bangkok Dangerous – Diaben'ny Menalamba Marsa 2010

Maro amin'ny Menalamba no mpanohana ny praiminisitra (teo aloha) nesorina Thaksin Shinawatra fa tsy izy rehetra no mpanohana tsy misy fepetra ity mpitarika nandositra ity noho ny nanamelohan'ny fitsarana azy tamina raharahan-kolikoly.

Tsy ara-drariny sy tsy demaokratika moa ny fijerin'ny Menalamba ny Praiminisitra amin'izao fotoana. Tadiavin'izy ireo ny hanoloana ny “rafitra ammat (vato nasondrotry ny tany)” ho tena fitondrana manohana ny vahoaka sy tena demaokratika.

Ity fihetsiketsehana faran'ny herinandro ity no hita fa mety mampatahotra indrindra ny fitondran'i Abhisit. Mba hisorohana ny fanakorontanana mety hataon'ny “antokon'olona fahatelo” dia nampiharin'ny fitondrana indray ny lalànan'ny fiarovana anatiny (ISA) izay manendry ny miaramila hiandraikitra ny raharaha. Hampiharina manomboka ny 11 ka hatramin'ny 23 marsa any Bangkok sy ny distrika manodidina ny ISA. Nomena teny moa ny miaramila tsy hitondra afa-tsy ampinga sy kibay. Eo ho eo amin'ny 50 000 ka hatramin'ny 100 000 ny isan'ny miaramila sy ny polisy hiatrana manerana ny tanàna. Efa misy “mpanolotena hisoroka ny voina” 46 000 hafa koa efa vonona amin'ny fotoana.

Mba hahazoana fanohanana amin'ny mponina ao Bangkok, dia nandefa ity hafatra imailaka ity ny menalamba

“Hafatra ho an'ny Vahoaka Maha-te-ho tia eto Bangkok sy ny Fiarahamonina Iraisampirenena.”

“Amin'ny Zoma 12 marsa ho avy izao ny fifanentanana hikendrena ny hamaranana fotoanan'ny jadon'ny miaramila Thailandey ka hamerenana indray ny fahafahana, ny demaokrasia ary ny rariny eto amin'ity firenena mahafinaritra ity. Vahoaka an-hetsiny manerana ny firenentsika iray manontolo fa tsy ny eto Bankok ihany nomiomana handeha aty an-drenivohitra, hihaika ny fitondrana efa nanaporofo ny fahalemeny hihetraketraka sy hanifika ny zon'ireo izay manohitra azy.”

“Resy lahatra izahay fa amin'ity tolona ho avy ity dia tsy mila basy na bala na hareza fa fiaraha-mientana sy ny fahatsoram-pontsika ihany. Efa nanatsohantsika lesona ny fahadisoana nataontsika fahiny, ka tsy hamerina ireny intsony isika. Hiara-hijoro isika, ho mailo eo anatrehan'ny mpanakorontana ary iantohantsika fa tsy hisy vahiny haratra na hahazo fandrahonana. Hijoroantsika amim-pahasahiana ny eo anoloan'ny fitaovam-piadian'ireo mbola manaiky ireo olona nitady ny hampangina antsika sy hampanoa antsika fa ho raisintsika, ary horaisintsika an-karavoana sy an-tsarndry mivelatra ireo mametraka ny fitaovam-piadiany ka mankaty amintsika.”

Na dia efa nanome toky ny tsy hanao herisetra aza ny Menalamba dia mbola maro ihany ireo manahy ihany fa mety hisy tampoka ny fipoahana, indrindra rehefa mahita ity lahatsary noraisina tamin'ny volana janoary nataona menalamba iray nianiana fa hanao an'i Bangkok ho “ranomasin'afo”

พี่น้องนัดกันคราวหน้า ถ้ารู้ว่าเขาจะปราบปราม ไม่ต้องเตรียมอะไรมาก มาด้วยกัน ขวดแก้วคนละใบ มาเติมน้ำมันเอาข้างหน้าบรรจุให้ได้ 75 ซีซีคือหนึ่งลิตร ถ้าเรามาหนึ่งล้านคนในกรุงเทพมหานครมีน้ำมันหนึ่งล้านลิตร รับรองว่ากทมเป็น ทะเลเพลิงอย่างแน่นอน การสู้ของคนเสื้อแดงแบบง่ายๆอย่างนี้ บอกให้ทหารได้รับทราบ บอกให้ทหารสุนัขรับใช้อมาตย์ได้รู้ว่า ถ้าคุณทำร้ายคนเสื้อแดงแม้เลือดหยดแต่หยดเดียว นั่นหมายความว่ากรุงเทพฯ จะเป็นทะเลเพลิงทันที

“Ry namana Thailandey, amin'ny manaraka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.