Iran: Fahatsiarovana OR318 mpamaham-bolongana maty tany am-ponja

Mihamanakaiky ny herintaona nahafaty ny mpamaham-bolongana sady mpanao gazety Omid Reza Mir Sayafi ary miomana fatratra ho amin'izany ny hetsika OR318, mampahafantatra tsy ny fahafatesan'i Omid tany am-ponja ihany fa ny loza mihantona ho an'ny mpamaham-bolongana manapa-kevitra ny hanoratra ihany koa.

Ao amin'ny vohikalany march18.org no anangonan'izy ireo soratra am-bolongana, lahatsary ary saripika miompana amin'ny fahalalaham-pitenenana, ary dia nanokatra twitter sy vondrona  facebook ihany koa izy ireo.

Indro ny iray amin'ny lahatsary, navoakan'i wunderkindify, izay hanavazavany ny hahatongavan'ny OR318:

Jordan Ess showed his support by taking a picture of himself holding up signs supporting the movement:

Jordan Ess shows support for OR318

Jordan Ess naneho fanohanana ny  OR318

Ahoana ny fomba andraisanao anjara sy hampahafantarana an'izao tontolo izao ny lohahevitra miompana amin'ny fahalalaham-pitenenana? Namoaka lahatsary hanavazavany ny hetsika isan-karazany azonao atao hanohanana ny hetsika OR318 i MEYmedia.

Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.