Kazakhstan: Politika, fifandanjana ara-poko ary ny mpanohitra

Mbola mitohy ny adi-hevitra miompana amin'ny fomba fitondrana sy ny fahamarinan-toerana politika ifanaovan'ny mpamaham-bolongana any Kazakhstan. Mieritreritra i Izhanov fa mety hisy ny olana avy amin'ny isan'ny olona ao anatin'ny foko tsorairay avy any Kazkahstan [ru]:

Zavatr roa no nasehon'ny fanisana nandritra ny taompolo farany: Maro kokoa ny Kazakhs (+26 isanjato) amin'izao fotoana izao ary nihavitsy kokoa ny Rosiana (-15 isanjato). Tsara ny fironana voalohany raha ratsy kosa ny faharoa … Tsy tokony ampifanoherina ny fitomboan'isan'ny Kazakh sy ny isan'ny Rosiana eto amin'ny firenena. Saingy indrisy moa fa misimisy ihany ny mampirona ny fihevitra ho amin'izany lalana izany…

Mamosaka ny heviny i Megakhuimyak eo amin'ny fahazoana (na tsy fahazoan'ny) antoko politika mpanohitra amin'ny gazety be mpanaraka [ru]:

Tena tsy tafiditra amin'ny akamaroan'ny gazety (ambava, antsoratra, an-tsary) ny antoko mpanohitra, indrindra fa amin'ny televiziona. Ny mahavariana, [fa maninona ry zareo no tsy mampiasa fomba hafa] tsy misy amin'ny antoko politika mpanohitra no mampiasa aterineto. Tsy manana vohikala sy sasany, tsy mba noankotrihina matetika kosa ny an'ny hafa. Nefa anie dia 1,2 tapitrisa ny isan'ny mpampiasa aterineto haingam-pandeha any Kazakhstan [eo ho eo amin'ny 15 tapitrisa eo ny isan'ny mponina any].

Voamariky ny fahateraham-behivavy akaiky ny filoha na mpitondra ambony any amin'ny faritra ny roa herinandro farany teo – Aliya, zanakavavin'ny filoha Kazakh Nazarbayev, sy Gulnara, zanakavavin'ny mpitarika Ozbeka Karimov. Ny voalohany nanasa an'i Britney Spears sy Jennifer Lopez hanatrika lanonana, ny faharoa kosa nifidy Sting. Zadumka opinionates [ru]:

Tsara kokoa ny an'ny zanakavavin'ny filoha Ozbeka…

Mbola nohalalinin'ny krizy ara-bola iraisam-pirenena ny elanelana misy eo amin'nympanankarena sy ny mahantra, indro ny tahotry ny mpandinika ara-politika epolet [ru]:

Niteraka tahotra eo amin'ny fiarah-monina ny fomba fitondran'izy ireo ny politikany tamin'ity taona 2010 ity. Tsapako amin'ny fihetsiky ny olona izany. Manantena aho fa tsy hivadika ra mandriaka izany.

taitra tamin'nyf anapahan-kevitry ny fitondrana i Gaisa [ru]:

Nibaiko ny hampihenana ny fanerena (ara-ketra) eo amin'ny fandraharahana ny praimnitra. Nytraikefa nananay no ilazanay fa vao mankna mampitombo avo ro aheny azy izany…

Adil Nurmakov

1 hevitra

  • […] performers and pinged my earlier post about Jennifer Lopez, Britney Spears and Sting on this post in Malagasy. I just think it’s cool that I had to google a sample of the language to figure it out. […]

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.